Baiboly Protestanta 2011
|
| 1 |
| Ny zanakalahin’Isakara dia i Tola, i Poa, i Jasoba ary i Simrona; efatra izy ireo. |
| 2 |
| Ny zanakalahin’i Tola dia i Ozy, i Refaia, i Jeriela, i Jamay, i Jibsama ary i Samoela, samy loham-pianakavian’i Tola ary samy lehilahy mahery tamin’ny fianakaviany avy ireo; eninjato sy roa arivo sy roa alina no isany tamin’ny andron’i Davida. |
| 3 |
| Ny zanakalahin’i Ozy dia i Jizrahia. Ny zanakalahin’i Jizrahia dia i Mikaela, i Obadia, i Joela ary i Jisia; dimy izy ireo; loholona avokoa izy rehetra ireo. |
| 4 |
| Nanana miaramila antokotokony izy araka ny taranany sy ny fianakaviany avy, enina arivo sy telo alina izany; fa maro ny vady aman-janak’ireo. |
| 5 |
| Ary ny rahalahiny ao amin’ny fokon’ny Isakara rehetra, izay samy lehilahy mahery, ny isan’izy rehetra araka ny firazanany avy dia fito arivo sy valo alina. |
| 6 |
| Ny zanakalahin’i Benjamina dia i Bela sy i Bekera ary i Jediaela; telo izy ireo. |
| 7 |
| Ny zanakalahin’i Bela dia i Ezbona, i Ozy, i Oziela, i Jerimota ary Iry; dimy izy ireo, ary samy loham-pianakaviany avy sady lehilahy mahery avokoa; ny isany araka ny firazanany dia efatra amby telopolo sy roa arivo sy roa alina. |
| 8 |
| Ny zanakalahin’i Bekera dia i Zemira, i Joasy, i Eliezera, i Elioenay, i Omry, i Jerimota, i Abia, i Anatota ary i Alemeta. Ireo rehetra ireo no zanakalahin’i Bekera. |
| 9 |
| Ny isany araka ny tetiarana, dia ireo loham-pianakaviany avy sady lehilahy mahery, dia roanjato sy roa alina. |
| 10 |
| Ny zanakalahin’i Jediaela dia i Bilana; ny zanakalahin’i Bilana dia i Jeosy, i Benjamina, i Ehoda, i Kenana, i Zetana, i Tarsisy ary i Ahisahara. |
| 11 |
| Ireo zanakalahin’i Jediaela rehetra ireo, araka ny loham-pianakaviany, dia roanjato sy fito arivo sy iray alina; ireo no isan’ny lehilahy mahery azo nalefa hanafika. |
| 12 |
| I Sopima koa sy i Hopima, zanakalahin’Iry, ary i Hosima, zanakalahin’i Ahera. |
| 13 |
| Ny zanakalahin’i Naftaly dia i Jaziela, i Gonỳ, i Jezera, i Saloma, izay samy zanakalahin’i Bila. |
| 14 |
| Ny zanakalahin’i Manase dia i Asriela, izay naterany tamin’ilay vady tsindranony arameana, izay niteraka an’i Makira, rain’i Gileada. |
| 15 |
| I Makira dia naka vady ho an’i Hopima sy i Sopima; ny anaran’ny rahavaviny dia i Maka; ny anaran’ny manarakaraka dia i Zelofada; ary nanan-janakavavy i Zelofada. |
| 16 |
| Niteraka zazalahy i Maka, vadin’i Makira, ka Peresy no nataony anarany; ary Seresy no anaran’ny rahalahiny; ny anaran’ny zanany lahy dia Olama sy Rekema. |
| 17 |
| Ny zanakalahin’i Olama dia i Bedana. Ireo no zanakalahin’i Gileada, zanakalahin’i Makira, zanakalahin’i Manase. |
| 18 |
| I Hamoleketa anabaviny no niteraka an’i Isehoda sy i Abiezera ary i Mahala. |
| 19 |
| Ny zanakalahin’i Semida dia i Ahiana, i Sekema, i Liky ary i Aniama. |
| 20 |
| Ny zanakalahin’i Efraima dia i Sotela; i Bereda no zanakalahin’i Sotela; i Tahata no zanakalahin’i Bereda; i Elada no zanakalahin’i Tahata; i Tahata no zanakalahin’i Elada; |
| 21 |
| i Zabada no zanakalahin’i Tahata; i Sotela no zanakalahin’i Zabada. Novonoin’ny tompon-tany tao Gata i Ezera sy i Elada, satria nidina hangalatra ny omby aman’ondriny. |
| 22 |
| Nisaona azy ela i Efraima rainy ary tonga nampionona azy ny rahalahiny. |
| 23 |
| Nony niray tamin’ny vadiny izy dia nanana anaka Ravehivavy ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Beria, satria nisy fahoriana tao an-tranony tamin’izany. |
| 24 |
| Ny zanany vavy dia i Sera, izay nanorina an’i Bety-Horona ambany sy ambony sy Ozena-Sera. |
| 25 |
| I Refa sy i Resefa no zanakalahin’i Beria; i Tela no zanakalahin’i Resefa; i Tahana no zanakalahin’i Tela; |
| 26 |
| i Ladana no zanakalahin’i Tahana; i Amihoda no zanakalahin’i Ladana; i Elisama no zanakalahin’i Amihoda; |
| 27 |
| i Nona no zanakalahin’i Elisama; i Josoa no zanakalahin’i Nona. |
| 28 |
| Ny taniny sy ny fonenany dia i Betela sy ny vohitra miankina aminy; ny any atsinanana dia i Narana, ny any andrefana dia i Gezera sy ny vohitra miankina aminy ary i Sekema sy ny vohitra miankina aminy hatrany Gaza sy ny vohitra miankina aminy; |
| 29 |
| teo amin’ny sisintanin’ny taranak’i Manase dia i Bety-Sana sy ny vohitra miankina aminy, i Tanàka sy ny vohitra miankina aminy, i Megido sy ny vohitra miankina aminy, i Dora sy ny vohitra miankina aminy. Tamin’ireo no nonenan’ny taranak’i Josefa, zanak’Israely. |
| 30 |
| Ny zanakalahin’i Asera dia i Jimna, i Jisva, i Jisvy ary i Beria; ny anabavin’ireo dia i Sera. |
| 31 |
| Ny zanakalahin’i Beria dia i Ebera sy i Malkiela, rain’i Birzaita. |
| 32 |
| I Ebera no niteraka an’i Jafleta sy i Somera ary i Hotama; ny anabavin’ireo dia i Soha. |
| 33 |
| Ny zanakalahin’i Jafleta dia i Pasaka, i Bimala ary i Asvata. Ireo no zanakalahin’i Jafleta. |
| 34 |
| Ny zanakalahin’i Semera dia i Ahaia, i Rohaga, i Hoba ary i Arama. |
| 35 |
| Ny zanakalahin’i Helema rahalahiny dia i Zofa, i Jimna, i Selesy ary i Amala. |
| 36 |
| Ny zanakalahin’i Zofa dia i Soha, i Harnefera, i Soala, i Bery, i Jimra, |
| 37 |
| i Bazera, i Hoda, i Sama, i Silsa, i Jitirana ary i Bera. |
| 38 |
| Ny zanakalahin’i Jetera dia i Jefone sy i Pispa ary i Ara. |
| 39 |
| Ny zanakalahin’i Ola dia i Ara sy i Haniela ary i Rizia. |
| 40 |
| Ireo zanakalahin’i Asera rehetra ireo dia samy loham-pianakaviany ary olom-boafidy sady mahery ary lehiben’ny loham-pireneny avy. Ny nanisana azy, araka ny firazanany, dia enina arivo sy roa alina; izay no azo nalefa hanafika. |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy2011/1chronicles/007.mp3
29
7