Baiboly Protestanta 2011
|
| 1 |
| Dia nivory tahaka ny olona iray ho eo amin’ny toerana malalaka teo anoloan’ny vavahadin-drano izy rehetra; ary niteny tamin’i Ezra mpanoradalàna izy mba hoentiny ny bokin’ny lalànan’i Mosesy izay nandidian’NY TOMPO ny Israely. |
| 2 |
| Dia noentin’i Ezra mpisorona ho eo anatrehan’ny fiangonana, na lahy na vavy, mbamin’izay rehetra afaka mihaino ny lalàna. Andro voalohany tamin’ny volana fahafito tamin’izay. |
| 3 |
| Dia novakiny teo amin’ny toerana malalaka teo anoloan’ny vavahadin-drano izany, hatramin’ny vao maraina ka ambara-pitataovovonan’ny andro, dia teo anatrehan’ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin’izay afaka mihaino; ary ny olona rehetra dia nampandry sofina hihaino ny bokin’ny lalàna. |
| 4 |
| Ary nitsangana teo ambonin’ny lampihazo fitoriana izay efa natao ho amin’izany i Ezra mpanoradalàna; nitsangana teo anilany havanana i Matitia, i Sema, i Anaia, i Oria, i Hilkia ary i Mahaseia; teo anilany havia kosa i Pedaia, i Misaela, i Malkia, i Hasoma, i Hasbadana, i Zakaria ary i Mesolama. |
| 5 |
| Dia nosokafan’i Ezra teo imason’ny olona rehetra ny boky satria ambony toerana noho ny olona rehetra izy; ary rehefa nosokafany izany dia nitsangana koa ny olona rehetra. |
| 6 |
| Ary nisaotra NY TOMPO, Andriamanitra lehibe i Ezra; ary nanandra-tanana ny olona rehetra ka namaly hoe: Amena, Amena! Dia niondrika izy sady niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’NY TOMPO. |
| 7 |
| I Josoa, i Bany, i Serebia, i Jamina, i Akoba, i Sabetahy, i Hodia, i Mahaseia, i Kelita, i Azaria, i Jozabada, i Hanana, i Pelaia ary ny levita dia nampianatra ny olona ny lalàna; ary ny olona dia teo amin’izay nitoerany ihany. |
| 8 |
| Dia novakiny mazava ny teny tao amin’ny bokin’ny lalànan’Andriamanitra sady nohazavainy tsara ny heviny ka azon’ny olona tsara ny teny novakina. |
| 9 |
| Ary niteny tamin’ny olona rehetra i Nehemia governora sy i Ezra mpisorona, mpanoradalàna, ary ny levita izay nampianatra ny olona hoe: Masina ho an’NY TOMPO Andriamanitrareo ity andro ity; koa aza malahelo na mitomany. Fa nitomany ny olona rehetra raha nandre ny tenin’ny lalàna. |
| 10 |
| Dia hoy izy taminy: Mandehana hano ny matavy ary sotroy ny mamy dia mba anatero anjara izay tsy manan-javatra voavoatra; fa masina ho an’ny Tompontsika ity andro ity; koa aza malahelo ianareo, fa ny fifaliana avy amin’NY TOMPO no fiarovana mafy ho anareo. |
| 11 |
| Ary nampangina ny olona rehetra ny levita ka niteny hoe: Mangìna ianareo fa masina ity andro ity; koa aza malahelo ianareo. |
| 12 |
| Dia nandeha ny olona rehetra hihinana sy hisotro sy hanatitra anjara ho an’ny sasany ary nifaly tokoa ny olona rehetra, satria azony tsara ny teny izay notorina taminy. |
| 13 |
| Nony ampitson’iny dia vory teo amin’i Ezra mpanoradalàna ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny olona rehetra sy ny mpisorona ary ny levita mba handinika ny tenin’ny lalàna. |
| 14 |
| Dia hitany voasoratra teo amin’ny lalàna izay nampandidian’NY TOMPO an’i Mosesy, fa tokony hitoetra ao amin’ny trano rantsan-kazo ny Zanak’Israely amin’ny andro firavoravoana amin’ny volana fahafito |
| 15 |
| ary tokony hampandre ny olona sy handefa teny mitety ny tanànany rehetra sy Jerosalema ka hilaza hoe: Mandehana any an-tendrombohitra ka makà sampan’oliva tsotra, sampan’oliva maniry ho azy, sampana mirta sy sampana palma ary sampan-kazo be ravina hanaovana trano rantsan-kazo araka ny voasoratra. |
| 16 |
| Dia nandeha ny olona ka naka ary samy nanao trano rantsan-kazo ho azy teo amin’ny tampon-tranony avy sy teo anatin’ny tokotaniny avy ary teo anatin’ny kianjan’ny tranon’Andriamanitra sy teo amin’ny toerana malalaka teo akaikin’ny vavahadin-drano ary teo amin’ny toerana malalaka akaikin’ny vavahadin’i Efraima. |
| 17 |
| Eny, nanao trano rantsan-kazo avokoa ny fiangonana manontolo izay efa niverina avy tamin’ny fahababoana ka nipetraka tao anatiny izy; fa tsy mbola nanao toy izany ny Zanak’Israely hatramin’ny andron’i Josoa, zanak’i Nona, ka hatramin’izany andro izany. Dia nisy fifaliana lehibe tokoa. |
| 18 |
| Ary namaky ny teny tao amin’ny bokin’ny lalànan’Andriamanitra isanandro isanandro izy hatramin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro farany. Nanao andro firavoravoana hafitoana izy; ary tamin’ny andro fahavalo dia fivorian-dehibe araka ny fanao. |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy2011/nehemiah/008.mp3
13
8