Baiboly Protestanta Malagasy
|
| 1 |
| [Faniriam-pamindram-po noho ny fahoriana mafy] Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, henoy ny fivavako, ary atongilano amin'ny fifonako ny sofinao; Valio aho araka ny teninao marina sy ny fahamarinanao. |
| 2 |
| Ary aza dia mifandahatra amin'ny mpanomponao eo am-pitsarana; Fa tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao. |
| 3 |
| Fa nanenjika ny fanahiko ny fahavalo; Namely ny aiko ho lavo tamin'ny tany izy: Nampitoeriny tao amin'ny maizina aho, toy izay efa maty ela. |
| 4 |
| Dia reraka ny fanahiko ato anatiko; Fadiranovana ny foko ato anatiko. |
| 5 |
| Mahatsiaro ny andro fahiny ho Ary misaina ny asanao rehetra; Ny asan'ny tananao no eritreretiko. |
| 6 |
| Mananty tanana aminao aho; Ny fanahiko dia tahaka ny tany mangetana eo anatrehanao. |
| 7 |
| Faingàna hamaly ahy, Jehovah ô, fa reraka ny fanahiko; Aza manafina ny tavanao amiko, Fandrao ho tahaka izay midina any am-pasana aho. |
| 8 |
| Ampandreneso ny famindram-ponao aho nony maraina, Fa Hianao no itokiako; Ampahalalao ahy izay lalana tokony halehako, Fa aminao no ananganako ny fanahiko. |
| 9 |
| Jehovah ô, vonjeo amin'ny fa-havaloko aho; Ao aminao no iereko. |
| 10 |
| Ampianaro hanao ny sitraponao aho; Fa Hianao no Andriamanitro; Aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao ahy amin'izay tany marina. |
| 11 |
| Noho ny anaranao, Jehovah ô, velomy aho; Araka ny fahamarinanao avoahy ny fanahiko ho afaka amin'ny fahoriana.Ary araka ny famindram-ponao fongory ny fahavaloko, Ka aringano izay rehetra mampahory ny fanahiko; Fa mpanomponao aho. |
| 12 |
| Ary araka ny famindram-ponao fongory ny fahavaloko, Ka aringano izay rehetra mampahory ny fanahiko; Fa mpanomponao aho. |
| Tehirizo naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy/psalms/143.mp3
150
143