Baiboly Protestanta Malagasy
|
| 1 |
| [Ny mpikomy amin'Andriamanitra sy ny Mesiany] Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary misaina anoano foana ny firenena? |
| 2 |
| Ireo mpanjakan'ny tany mitsangana, Ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany ka manao hoe: |
| 3 |
| "Aoka hotosantsika ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany." |
| 4 |
| Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo. |
| 5 |
| Dia hiteny azy amin'ny fahavinirany Izy ka hampangorohoro azy amin'ny fahatezerany hoe: |
| 6 |
| "Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako Tambonin'i Ziona, tendrombohitro masina." |
| 7 |
| "Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany. |
| 8 |
| Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran'ny tany ho fanananao. |
| 9 |
| Hotorotoroinao amin'ny tehim-by izy: toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy." |
| 10 |
| Ary amin'izany dia hendre ianareo, ry mpanjaka; minoa anatra ianareo, ry mpitsaran'ny tany. |
| 11 |
| Manompoa an'i Jehovah amin'ny fahatahorana, ary mifalia amin'ny fangovitana.Manoroha ny zanaka, fandrao ho tezitra izy, ka ho very eny an-dalana ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy. |
| 12 |
| Manoroha ny zanaka, fandrao ho tezitra izy, ka ho very eny an-dalana ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy. |
| Tehirizo naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy/psalms/002.mp3
150
2