×

Baiboly Protestanta 2011

Salamo 2

1
Nahoana no mitabataba ny Jentilisa? Nahoana no mimenomenom-poana ny firenena?
2
Mitsangana ireo mpanjakan’ny tany, ary miara-mioko ny mpanapaka mba hanohitra NY TOMPO sy ny Mesiany ka miteny hoe:
3
Aoka hotapahintsika ny gadrany ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany.
4
Mihomehy izay mipetraka any an-danitra. Maneso azy ireo ny Tompo.
5
Dia hiteny azy amin’ny fahavinirany Izy ka hampangorohoro azy amin’ny fahatezerany hoe:
6
Izaho anefa no nanendry ny Mpanjakako teo ambonin’i Ziona, tendrombohitro masina.
7
Hanambara didy navoakan’NY TOMPO Aho; Izy no nilaza Tamiko hoe: Zanako Ianao! Izaho no niteraka Anao androany.
8
Mangataha Amiko dia homeko ho lovanao ny Jentilisa ary ho fanananao ny tany rehetra;
9
hotorotoroinao amin’ny tehim-by izy. Toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy.
10
Ary ankehitriny dia aoka ho hendry ianareo ry mpanjaka! Minoa anatra ianareo ry mpitsaran’ny tany!
11
Manompoa NY TOMPO amin’ny fahatahorana ary miravoravoa amin’ny fangovitana.
12
Orohy ny Zanaka, fandrao ho tezitra Izy ka ho levona eny an-dalana ianareo; fa vetivety dia mirehitra ny hatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka Aminy.
Malagasy Bible 2011
Baiboly Protestanta Malagasy Bible Society, 2011
:
Tehirizo naoty