Baiboly Protestanta Malagasy
|
| 1 |
| [Ny fahatokian'izay manana an'Andriamanitra ho Mpiaro. na dia be aza ny fahavalony] Salamo nataon'i Davida, fony izy nandositra an'i Absaloma zanany. Jehovah ô, akory izato hamaroan'ny mampahory ahy! Maro no mitsangana hanohitra ahy. |
| 2 |
| Maro no milaza ny fanahiko hoe: tsy manam-pamonjena amin'Andriamanitra izy. |
| 3 |
| Kanjo Hianao, Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy, Voninahitro sy mpanandratra ny lohako. |
| 4 |
| Amin'ny feoko no iantsoako an'i Jehovah, ary any an-tendrombohiny masina no mamaly ahy Izy. |
| 5 |
| Izaho nandry ka natory; nifoha aho, satria Jehovah no manohana ahy. |
| 6 |
| Tsy hatahotra olona alinalina aho, izay milahatra manodidina hamely ahy. |
| 7 |
| Mitsangàna, Jehovah ô; vonjeo aho, Andriamanitro ô; fa efa namely ny takolaky ny fahavaloko rehetra Hianao; ny nifin'ny ratsy fanahy novakivakinao.An'i Jehovah ny famonjena; Ho amin'ny olonao anie ny fitahianao.[Na: Ho amin'ny olonao ny fitahianao] |
| 8 |
| An'i Jehovah ny famonjena; Ho amin'ny olonao anie ny fitahianao.[Na: Ho amin'ny olonao ny fitahianao] |
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy/psalms/003.mp3
150
3