Baiboly Protestanta 2011
|
| 1 |
| Ho Anao ny fahanginana sy ny fiderana, Andriamanitra any Ziona ô, ary Aminao no anefana ny voady. |
| 2 |
| Ry Mpihaino vavaka ô, Ianao no hohatonin’ny nofo rehetra. |
| 3 |
| Ny zava-mahameloka ahy dia mihoatra noho izay zakako; nefa Ianao no mamela ny fahadisoanay. |
| 4 |
| Sambatra izay fidinao sy ampanatoninao mba hitoetra eo an-kianjanao! Ho voky ny zava-tsoa ao amin’ny tranonao izahay, dia ny zava-masina ao amin’ny tempolinao. |
| 5 |
| Zava-mahatahotra no ataonao amin’ny fahamarinana ho valin’ny vavakay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ry tokin’ny faran’ny tany rehetra sy ny ranomasina eny lavitra eny! |
| 6 |
| Mampiorina ny tendrombohitra amin’ny heriny Izy, misikina fahatanjahana Izy. |
| 7 |
| Mampitsahatra ny firohondrohon’ny onjan-dranomasina sy ny fitabataban’ny firenena Izy. |
| 8 |
| Dia matahotra noho ny famantarana ataonao ny mponina any am-paran’ny tany; fenoinao hoby ny any amin’ny fiposahan’ny maraina sy ny hariva. |
| 9 |
| Mamangy ny tany Ianao ka mahamando azy; mampahavokatra azy betsaka Ianao; ny onin’Andriamanitra dia tondra-drano; manomana vary ho an’ny olona Ianao. Izany no fanomananao ny tany. |
| 10 |
| Mahampoka ny tany voaasa Ianao ka mampiravona azy; ranonorana mivatravatra no amontosanao azy; mitahy ny fitsimohany Ianao. |
| 11 |
| Satrohanao voninahitra ny taonan’ny fitahianao; ny dianao dia mitete menaka. |
| 12 |
| Vonton-drano ny fiandrasana ondry any an-tany efitra ary misikina fifaliana ny havoana. |
| 13 |
| Rakotra ondry ny saha ary voasarona vary ny lohasaha: Mihoby izy; eny, mihira koa. |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy2011/psalms/065.mp3
150
65