Baiboly Protestanta Malagasy
|
| 1 |
| [Fiantsoana an'Andriamanitra, Mpitsara marina] Sigaiona nataon'i Davida, izay nohirainy ho an'i Jehovah noho ny tenin'i Kosy Benjamita. Jehovah Andriamanitro ô, Hianao no ialofako; vonjeo aho amin'izay rehetra manenjika ahy, ka afaho; |
| 2 |
| Fandrao ny fanahiko viravirainy tahaka ny fanaon'ny liona, ary kepokepohiny, ka tsy misy mamonjy. |
| 3 |
| Jehovah Andriamanitro ô, raha nanao izany aho; raha misy heloka eto an-tanako; |
| 4 |
| Raha namaly ratsy izay tsara fihavanana tamiko aho, novonjeko aza izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana [Na: Ka nandroba izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana] |
| 5 |
| Dia aoka ny fahavalo hanenjika ny fanahiko ka hahatratra azy; eny, aoka izy hanitsaka ny aiko amin'ny tany, ary hampandry ny voninahitro amin'ny vovoka. |
| 6 |
| Jehovah ô, mitsangàna amin'ny fahatezeranao; misandrata hisakana ny fisafoaky ny mpampahory ahy; ary mifohaza hanampy ahy, fa didy marina no navoakanao; |
| 7 |
| Aoka ny firenena maro hivory manodidina Anao; ary miverena ho any amin'ny avo eo amboniny Hianao, |
| 8 |
| Jehovah hitsara ny firenena; Jehovah ô, tsarao aho araka ny fahamarinako sy ny tsi-fananako tsiny. |
| 9 |
| Aoka ho tapaka ny ratsy ataon'ny ratsy fanahy, fa ampitoero kosa ny marina; fa Andriamanitra marina no mamantatra ny fo sy ny voa. |
| 10 |
| Ny ampingako dia ao amin'Andriamanitra, Mpamonjy ny mahitsy fo. |
| 11 |
| Mpitsara marina Andriamanitra, eny Andriamanitra Izay tezitra isan'andro. |
| 12 |
| Raha tsy ibebahana Izy, dia hanasa ny sabany; efa manenjana ny tsipìkany Izy ka manamboatra azy,[Na: iverenana] |
| 13 |
| Ary ireo dia kendreny amin'ny fiadiana mahafaty; ny zana-tsipìkany ataony mirehitra. |
| 14 |
| Indro, efa marary hiteraka zava-poana ireo; eny, torontoronina fampahoriana izy ary mitera-doza; [Heb: lainga] |
| 15 |
| Mihady lavaka izy ka manalalaka izany, dia latsaka ao anatin'ny longoa nataony ihany izy; |
| 16 |
| Mitsingerina ho eo an-dohany ihany ny fampahoriany; ary eo an-tampon-dohany ihany no ianjeran'ny loza nataony.Hidera an'i Jehovah araka ny fahamarinany aho, ary hankalaza ny anaran'i Jehovah Avo Indrindra. |
| 17 |
| Hidera an'i Jehovah araka ny fahamarinany aho, ary hankalaza ny anaran'i Jehovah Avo Indrindra. |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy/psalms/007.mp3
150
7