Baiboly Protestanta 2011
|
| 1 |
| RY TOMPO Andriamanitro ô, Ianao no ialofako; vonjeo aho amin’izay rehetra manenjika ahy ka afaho, |
| 2 |
| fandrao viravirainy tahaka ny fanaon’ny liona ny fanahiko ary kepokepohiny ka tsy misy mamonjy! |
| 3 |
| RY TOMPO Andriamanitro ô, raha nanao izany tokoa aho, raha nisy heloka teto an-tanako, |
| 4 |
| raha namaly ratsy izay tsara fihavanana tamiko aho, na nandroba izay nampahory ahy tsy amin’antony, |
| 5 |
| dia aoka hanenjika ahy ny fahavalo ka hahatratra ahy; eny, aoka izy hanitsaka ny aiko amin’ny tany sady hampandry ny voninahitro amin’ny vovoka. |
| 6 |
| TOMPO ô, mitsangàna amin’ny fahatezeranao. Misandrata hisakana ny fisafoaky ny mpampahory ahy ary mifohaza hanampy ahy, fa didy marina no navoakanao. |
| 7 |
| Aoka ny firenena maro hivory manodidina Anao ary miverena ho eo amin’ny avo eo amboniny Ianao. |
| 8 |
| NY TOMPO mitsara ny firenena. TOMPO ô, tsarao aho araka ny fahamarinako sy ny tsy fananako tsiny. |
| 9 |
| Mba atsaharo ny ratsy ataon’ny ratsy fanahy ary ampitoero kosa ny marina, fa Ianao dia Andriamanitra marina mizaha toetra ny fo sy ny voa. |
| 10 |
| Ny ampingako dia ao amin’Andriamanitra, Mpamonjy ny mahitsy fo. |
| 11 |
| Mpitsara marina Andriamanitra, eny, Andriamanitra izay tezitra isanandro. |
| 12 |
| Raha tsy ibebahana Izy dia handranitra ny sabany; efa manenjana ny tsipìkany Izy ka manomana azy. |
| 13 |
| Izany no anomanany fiadiana mahafaty; ataony mirehitra ny zana-tsipìkany. |
| 14 |
| Indro, efa marary hiteraka zava-poana ireo; eny, mitondra fampahoriana ao an-kibony izy ary miteraka lainga. |
| 15 |
| Mihady lavaka izy ka manalalaka izany ary latsaka ao anatin’ny lavaka nataony ihany izy. |
| 16 |
| Mitsingerina ho eo an-dohany ihany ny fampahoriana ataony ary eo an-tampon-dohany ihany no ianjeran’ny loza nataony. |
| 17 |
| Hidera NY TOMPO araka ny fahamarinany aho ary hankalaza ny anaran’NY TOMPO Avo Indrindra. |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy2011/psalms/007.mp3
150
7