Baiboly Protestanta Malagasy
|
| 1 |
| [Vavaka ataon'izay mahatsiaro ny famindram-pon'Andriamanitra taminy hatry ny fony tanora] Hianao, Jehovah ô, no itokiako; aoka tsy ho menatra mandrakizay aho. |
| 2 |
| Vonjeo ny fahamarinanao aho, ka afaho; atongilano amiko ny sofinao, ka vonjeo aho. |
| 3 |
| Aoka ho vatolampy fonenana hohatoniko mandrakariva Hianao, Izay efa nandidy hamonjy ahy; fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao. |
| 4 |
| Andriamanitro ô, afaho amin'ny tanan'ny ratsy fanahy aho, dia amin'ny tanan'ny mpanao meloka sy ny lozabe. |
| 5 |
| Fa Hianao no fanantenako, Jehovah Tompo ô, ry tokiko hatry ny fony aho mbola tanora. |
| 6 |
| Hianao no nanankinana ahy hatrany am-bohoka; ianao namoaka ahy avy tany an-kibon-dreniko; ianao no deraiko mandrakariva.[Na: no Mpiaro, na Mpanisy soa, ahy hatry, etc] |
| 7 |
| Tonga toa zava-mahagaga eo imason'ny maro aho; nefa Hianao no fiarovana mafy ho ahy. |
| 8 |
| Ny vavako ho feno ny fideràna Anao sy ny fankalazana Anao mandrakariva. |
| 9 |
| Aza manary ahy, rehefa antitra aho; ary aza mahafoy ahy, rehefa ketraka ny heriko. |
| 10 |
| Fa miresaka ahy ny fahavaloko; ary miara-mioko izay manotrika hahazo ny aiko. |
| 11 |
| Ka manao hoe: Andriamanitra efa nahafoy azy; enjeho izy, ka sambory, fa tsy misy hamonjy. |
| 12 |
| Andriamanitra ô, aza manalavitra ahy; Andriamanitro ô, faingana hamonjy ahy. |
| 13 |
| Aoka ho menatra sy ho levona ny mpanohitra ny fanahiko; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mitady hanisy ratsy ahy. |
| 14 |
| Fa izaho kosa dia hanantena mandrakariva, ary hitombo lalandava ny fideràko Anao. |
| 15 |
| Ny vavako hitory ny fahamarinanao sy ny famonjenao mandrakariva, fa tsy fantatro ny isany. |
| 16 |
| Ho entiko ny asa lehibe nataon'i Jehovah Tompo; hampahatsiaro ny fahamarinanao aho, dia ny Anao ihany. |
| 17 |
| Andriamanitra ô, Hianao efa nampianatra ahy hatry ny fony aho mbola tanora; ary mandraka ankehitriny dia nitory ny fahagaganao aho. |
| 18 |
| Koa mandra-pahantitro sy fotsy volo, dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô, mandra-pilazako ny sandrinao amin'ny taranaka sy ny asanao lehibe amin'izay rehetra mbola ho avy. |
| 19 |
| Ary mihatra amin'izay avo indrindra ny fahamarinanao, Andriamanitra ô, Izay nanao zava-dehibe: Andriamanitra ô, iza no tahaka Anao? |
| 20 |
| Hianao Izay nampahita ahy fahoriana be sady mafy no hamelona ahy indray, ka hampiakatra ahy indray hiala amin'ny fitoerana lalina amin'ny tany.[Na: anay] |
| 21 |
| Ampitomboy ny voninahitro, ary aoka hampionona ahy indray Hianao. |
| 22 |
| Izaho kosa hidera Anao amin'ny valiha, dia ny fahamarinanao, Andriamanitro; hankalaza Anao amin'ny lokanga aho, ry Iray Masin'ny Isiraely ô. |
| 23 |
| Hihoby ny molotro raha mankalaza Anao; ny fanahiko koa izay efa navotanao;Ary ny lelako hitory ny fahamarinanao mandrakariva; fa efa menatra sy mangaihay izay mitady hanisy ratsy ahy. |
| 24 |
| Ary ny lelako hitory ny fahamarinanao mandrakariva; fa efa menatra sy mangaihay izay mitady hanisy ratsy ahy. |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy/psalms/071.mp3
150
71