Baiboly Protestanta 2011
|
| 1 |
| Ianao, TOMPO ô, no itokiako; aoka tsy ho menatra mandrakizay aho! |
| 2 |
| Vonjeo amin’ny fahamarinanao aho ka afaho! Atongilano amiko ny sofinao ka vonjeo aho! |
| 3 |
| Aoka ho vatolampy fonenana hohatoniko mandrakariva Ianao izay efa nandidy hamonjy ahy; fa harambatoko sy manda fiarovana ho ahy Ianao! |
| 4 |
| Ry Andriamanitro ô, afaho amin’ny tanan’ny ratsy fanahy aho, dia amin’ny tanan’ny mpanao meloka sy mpanao herisetra! |
| 5 |
| Fa Ianao no fanantenako, RY TOMPO Andriamanitra ô, ry tokiko hatry ny fony aho mbola tanora. |
| 6 |
| Ianao no nanankinana ahy hatrany am-bohoka; Ianao no namoaka ahy avy tany an-kibon’ny reniko; Ianao no deraiko mandrakariva. |
| 7 |
| Tonga toy ny zava-mahagaga eo imason’ny maro aho; nefa Ianao no fialofana azo antoka ho ahy. |
| 8 |
| Ny vavako dia ho feno ny fiderana Anao sy ny fankalazana Anao mandrakariva. |
| 9 |
| Aza manary ahy amin’ny andron’ny fahanterako; aza mahafoy ahy raha mihaketraka ny heriko. |
| 10 |
| Fa miresaka ahy ny fahavaloko ary miara-mioko izay miambina hahazo ny aiko |
| 11 |
| ka miteny hoe: Andriamanitra efa nahafoy azy! Enjeho izy ka sambory fa tsy misy hanafaka azy. |
| 12 |
| Andriamanitra ô, aza manalavitra ahy; Ry Andriamanitro ô, faingàna hamonjy ahy. |
| 13 |
| Aoka ho menatra sy ho levona ny mpanohitra ny fanahiko; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mitady hanisy ratsy ahy. |
| 14 |
| Fa izaho kosa dia hanantena mandrakariva ary hitombo lalandava ny fideràko Anao. |
| 15 |
| Ny vavako dia hitory ny fahamarinanao sy ny famonjenao mandrakariva, fa tsy fantatro intsony ny isany. |
| 16 |
| Ho avy amin’ny asa lehibe nataon’NY TOMPO Andriamanitra aho, hampahatsiaro ny fahamarinanao aho, dia ny Anao ihany. |
| 17 |
| Andriamanitra ô, Ianao no nampianatra ahy hatry ny fony aho mbola tanora, ary mandraka ankehitriny dia nitory ny fahagagana nataonao aho. |
| 18 |
| Koa na dia efa antitra sy fotsy volo aza aho dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô, mba hahazoako manambara ny herinao amin’izao taranaka izao sy ny asanao lehibe amin’izay rehetra mbola ho avy; |
| 19 |
| mihatra amin’izay avo indrindra ny fahamarinanao, Andriamanitra ô, izay nanao zava-dehibe: Andriamanitra ô, iza no tahaka Anao? |
| 20 |
| Ianao izay nampahita anay fahoriana be sady mafy no hamelona anay indray ka hampiakatra anay indray hiala avy amin’ny toerana lalina amin’ny tany. |
| 21 |
| Ampitomboy ny voninahitro ary aoka hampionona ahy indray Ianao! |
| 22 |
| Izaho kosa dia hidera Anao amin’ny valiha, dia ny fahamarinanao, ry Andriamanitro ô, hankalaza Anao amin’ny lokanga aho, ry Iray Masin’ny Israely ô! |
| 23 |
| Hihoby ny molotro raha mankalaza Anao ary ny fanahiko koa, izay navotanao. |
| 24 |
| Ny lelako koa dia hitory ny fahamarinanao mandrakariva, fa menatra sy mangaihay izay mitady hanisy ratsy ahy. |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy2011/psalms/071.mp3
150
71