DIEM PROTESTANTA
|
| 1 |
| Ireto no anaran’ireo zanakalahin’i Jakôba na Israely tonga tany Ejipta niaraka tamin’ny rainy, samy nombàm-bady aman-janaka: |
| 2 |
| Reobèna, Simehôna, Levỳ, Joda, |
| 3 |
| Jisakara, Zebolòna, Benjamîna, |
| 4 |
| Dana, Naftalỳ, Gada ary Asera. |
| 5 |
| Miisa fitopolo izy rehetra taranak’i Jakôba, fa i Jôsefa dia efa tany Ejipta rahateo. |
| 6 |
| Tatỳ aoriana dia maty i Jôsefa sy ireo rahalahiny ary ny taranaka indray nihira taminy. |
| 7 |
| Taorian’izany dia niteraka betsaka ny Israelita ka nihamaro fatratra sady nihanahery tokoa ka nameno ny tany. |
| 8 |
| Mpanjaka vaovao kosa no nanomboka nanjaka tany Ejipta tamin’izay ka tsy nahalala an’i Jôsefa. |
| 9 |
| Hoy izy tamin’ny vahoakany: –Jereonareo fa betsaka ny vahoaka israelita sady mahery noho isika. |
| 10 |
| Koa tsy maintsy itadiavana tetika hamerana ny isany. Rehefa misy ady manko, dia homba ireo fahavalontsika izy ka hiady amintsika ary hiala ny tany. |
| 11 |
| Dia nanendry lehiben’ny asa fanompoana ny Ejiptianina mba hampikoy ny Israelita amin’ny asa mafy. Koa nanangana ny tanàna Pitôma sy Rahamsesa ny Israelita mba ho fitahirizam-bokatra ho an’ny Farao. |
| 12 |
| Kanefa arakaraka ny namoretana azy no vao mainka nitomboany sy nahazoany vahana ka natahoran’ny Ejiptianina azy. |
| 13 |
| Nampanompoin’ny Ejiptianina mafy tokoa ny Israelita |
| 14 |
| sady nataony nangidy ny fiainany tamin’ny fanompoana mafy: dia ny mandona tanimanga sy manao biriky ary manao ny asa any an-tsaha rehetra. Izany hoe ny asa fanompoana isan-karazany no nanereny azy mafy tokoa. |
| 15 |
| Nisy mpampivelona hebreo anankiroa nantsoina hoe Sifrà sy Pohà. Nandidy azy ireo ny mpanjakan’i Ejipta, |
| 16 |
| ka nanao hoe: –Rehefa mampiteraka ny vehivavy hebreo ianareo, dia jereo ny zaza vao teraka; ka raha zazalahy dia vonoy ho faty, fa raha zazavavy kosa dia velomy. |
| 17 |
| Natahotra an’Andriamanitra anefa ireo mpampivelona ireo ka tsy nanao araka izay nodidian’ny mpanjakan’i Ejipta, fa namela ireo zazalahy ho velona. |
| 18 |
| Koa nampanantsoin’ny mpanjaka ireo mpampivelona ka nanontaniany hoe: –Nahoana no nanao izany zavatra izany ianareo, ka namela ireo zazalahy ho velona? |
| 19 |
| Fa namaly ireo mpampivelona hoe: –Tsy mba tahaka ny vehivavy ejiptianina ireo vehivavy hebreo fa matanjaka; koa raha tsy mbola tonga akory ny mpampivelona, dia efa teraka izy. |
| 20 |
| Noho izany, dia nihamaro hatrany hatrany ireo Israelita sady nihanahery tokoa. Nasian’Andriamanitra soa ireo mpampivelona, |
| 21 |
| ka nomeny fara aman-dimby satria natahotra Azy. |
| 22 |
| Fa ny Farao kosa dia nandidy ny vahoakany rehetra ka nanao hoe: –Atsipazo ao amin’ny ony Neily ny zazalahy hebreo rehetra raha vao teraka, fa ny zazavavy kosa avelao ho velona. |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy2004/exodus/001.mp3
40
1