DIEM PROTESTANTA
|
| 1 |
| Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mankanesa ao amin’ny Farao, fa Izaho no nanamafy fo azy sy ireo tandapany mba hahazoako manao ireo zava-mahagaga rehetra eo anivony. |
| 2 |
| Ary mba hahazoanao mitantara amin’ny zanaka aman-jafinao ny nampijaliako ny Ejiptianina ka nanatanterahako ireo zava-mahagaga tao amin’ny taniny. Ho fantatrareo amin’izay fa Izaho no TOMPO. |
| 3 |
| Dia nankany amin’ny Farao i Mosesy sy i Aharôna ka nanao taminy hoe: –Ny TOMPO Andriamanitry ny Hebreo dia manontany anao hoe: «Mandrapahoviana no handavanao tsy hanetry tena eo anatrehako? Alefaso handeha ny vahoakako mba hanao fanompoam-pivavahana amiko! |
| 4 |
| Raha mandà ianao, dia handefasako valala ao amin’ny faritaninao rahampitso. |
| 5 |
| Ho rakotry ny valala ny tany ka tsy ho hita intsony. Hohaniny ny voly sisa tsy voan’ny havandra, ary tsy hasiany miangana ny hazo maniry rehetra any an-tsaha. |
| 6 |
| Ho feno valala ny lapanao sy ny tranon’ny mpanomponao mbamin’ny an’ny Ejiptianina rehetra. Loza tsy mbola fahita ny toy izany hatramin’ny andron’ny razanao ka mandraka androany». Dia niala teo anatrehan’ny Farao i Mosesy ka lasa. |
| 7 |
| Ary hoy ireo mpanompony tamin’ny Farao: –Mandra-pahoviana moa no mbola hamandrika antsika ilehiny? Alefaso handeha hanao fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO Andriamaniny any ny lehilahy israelita: Mbola tsy fantatrao ihany ve fa simba i Ejipta? |
| 8 |
| Koa naverina teo amin’ny Farao indray i Mosesy sy i Aharôna ka nilazany hoe: –Mandehana manao fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO Andriamanitrareo, nefa iza sy iza avy moa no handeha aminareo? |
| 9 |
| Dia hoy i Mosesy hoe: –Izahay rehetra no handeha, na antitra na tanora, na lahy na vavy, miaraka amin’ny ondry aman’osy ary ny ombinay, satria hanao fety ho an’ny TOMPO izahay. |
| 10 |
| Namaly azy tamin’ny rabiraby kosa ny Farao hoe: –Aoka homba anareo anie ny TOMPO, raha izaho no handefa anareo sy ny fianakavianareo! Jereo fa mitady hanao ratsy ianareo. |
| 11 |
| Tsy raikitra izany. Ianareo lehilahy no aoka handeha hanao fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO, fa izay ihany no tadiavinareo. Dia noroahina hiala teo anatrehan’ny Farao izy roa lahy. |
| 12 |
| Ary hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Ahinjiro eo ambonin’ny tany Ejipta ny tananao mba hiantso ny valala, dia hiakatra ao Ejipta ireny ka hihinana ny zava-maniry rehetra sisan’ny havandra. |
| 13 |
| Nahinjitr’i Mosesy teo ambonin’i Ejipta ny tehiny, dia nampitsoka rivotra avy any atsinanana nandritra ny andro sy nandritra ny alina tao Ejipta ny TOMPO. Nony maraina dia nitondra valala ny rivotra. |
| 14 |
| Niparitaka nanerana an’i Ejipta ireny ka nipetraka tamin’ny faritra rehetra. Betsaka loatra ny valala ka tsy mbola nisy toa izany na tany aloha na taty aoriana. |
| 15 |
| Nandrakotra ny tany manontolo ireny ka maizina ny tany. Nohanin’ny valala ny ahitra rehetra tamin’ny tany sy ny voankazo rehetra sisan’ny havandra, koa tsy nisy zava-maitso tavela intsony nanerana an’i Ejipta manontolo na tamin’ny hazo na tamin’ny zava-maniry eny an-tsaha. |
| 16 |
| Niantso an’i Mosesy sy i Aharôna haingana ny Farao ka nanao taminy hoe: –Diso tamin’ny TOMPO Andriamanitrareo sy taminareo aho. |
| 17 |
| Mba mamelà ny heloko amin’ity indray mandeha ity, ary mangataha amin’ny TOMPO Andriamanitrareo mba hanesorany amiko izao loza mahatsiravina izao. |
| 18 |
| Dia niala teo anatrehan’ny Farao i Mosesy ary mangataka tamin’ny TOMPO. |
| 19 |
| Koa mampitsoka rivo-mahery avy any andrefana kosa ny TOMPO, rivotra izay mitondra ny valala, ka mamerina azy ireny tao amin’ny Ranomasin’ny Volotara; dia tsy nisy valala tavela intsony tao amin’ny tany Ejipta manontolo na iray aza. |
| 20 |
| Kanefa ny TOMPO mbola manamafy fo ny Farao ka tsy nandefa ny Israelita izy. |
| 21 |
| Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Atsangano manondro lanitra ny tananao hisian’ny haizina manerana an’i Ejipta, dia haizina mikitroka. |
| 22 |
| Natsangan’i Mosesy manondro lanitra tokoa ny tanany, dia nisy haizina mikitroka mandritra ny telo andro teo amin’ny tany Ejipta manontolo. |
| 23 |
| Tsy afaka mifankahita ny Ejiptianina mandritra ny telo andro, ka tsy nisy nihetsika tao an-tranony. Fa teo amin’ny fonenan’ny Israelita rehetra kosa dia nisy mazava. |
| 24 |
| Koa nampiantso an’i Mosesy ny Farao ary nanao taminy hoe: –Mandehana, manaova fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO. Mahazo mandeha miaraka aminareo koa ny ankizy, fa ny ondry aman’osy sy ny ombinareo kosa dia tsy maintsy mijanona eto. |
| 25 |
| Namaly azy i Mosesy hoe: –Tsia, fa ianao mihitsy no hanolotra eo an-tananay ny biby hataonay sorom-pihavanana sy sorona dorana manontolo amin’ny TOMPO Andriamanitray. |
| 26 |
| Ankoatra izany, hoentinay koa ny andiam-biby fiompinay, ka tsy hisy bibinay havela na iray aza. Tsy maintsy hakanay hatao fanatitra ho an’ny TOMPO Andriamanitray koa mantsy ireo; nefa tsy fantatray hoe iza amin’ireo no hataonay fanatitra, raha tsy efa tonga any an-toerana. |
| 27 |
| Ary ny TOMPO manamafy fo ny Farao ka tsy mety handefa ny Israelita izy. |
| 28 |
| Fa hoy ny Farao tamin’i Mosesy: –Mandehana miala eto! Ary tandremo mba tsy hiseho eto amiko intsony; fa raha sanatria miverina eto amiko ianao dia maty! |
| 29 |
| Dia novalian’i Mosesy hoe: –Eny àry! Araka ny efa voalazanao, dia tsy hiseho eto anatrehanao intsony aho. |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy2004/exodus/010.mp3
40
10