Baiboly Protestanta Malagasy
|
| 1 |
| [Ny nanomezan'Andriamanitra ny Didy Folo] Dia nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra ka nanao hoe: |
| 2 |
| Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana. |
| 3 |
| Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. |
| 4 |
| Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay etỳ amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany. |
| 5 |
| Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy; |
| 6 |
| nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko. |
| 7 |
| Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany. |
| 8 |
| Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy. |
| 9 |
| Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. |
| 10 |
| Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao. |
| 11 |
| Fa henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy. |
| 12 |
| Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao. |
| 13 |
| Aza mamono olona. |
| 14 |
| Aza mijangajanga. |
| 15 |
| Aza mangalatra. |
| 16 |
| Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao. |
| 17 |
| Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza. |
| 18 |
| Ary ny olona rehetra nandre ny kotrokorana sy ny feon'ny anjomara ary nahita ny helatra sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka, ary nony nahita izany ny olona, dia toran-kovitra izy ka nijanona teny lavitra eny. |
| 19 |
| Dia hoy izy tamin'i Mosesy: Aoka ihany ianao no hiteny aminay, dia hihaino izahay; fa aza Andriamanitra no miteny aminay, fandrao maty izahay. |
| 20 |
| Dia hoy Mosesy tamin'ny olona: Aza matahotra; fa tonga Andriamanitra mba hizaha toetra anareo, ary mba ho eo anatrehan'ny tavanareo ny fahatahorana Azy, mba tsy hanotanareo. |
| 21 |
| Dia nijanona teny lavitra eny ny olona, fa Mosesy kosa nanakaiky ny aizim-pito, izay nitoeran'Andriamanitra. |
| 22 |
| Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Izao no lazaonao amin'ny Zanak'Isiraely: Hianareo efa nahita fa tany an-danitra no nitenenako taminareo. |
| 23 |
| Koa aza manao andriamanitra volafotsy na andriamanitra volamena ho anareo ho fanampiko. |
| 24 |
| Alitara tany no hataonao ho Ahy, ka haterinao eo amboniny ny fanatitra doranao sy ny fanati-pihavananao, dia ny ondry aman'osinao sy ny ombinao; eo amin'ny fitoerana rehetra izay ampahatsiarovako ny anarako no hanatonako anao sy hitahiako anao. |
| 25 |
| Ary raha alitara vato no hataonao ho Ahy, dia aza ny vato voapaika no hanaovanao azy; fa raha manainga ny fandrakao ho aminy ianao, dia handoto azy.Ary aza asiana ambaratonga hiakaranao ho eo amin'ny alitarako, mba tsy ho hita eo ny fitanjahanao. |
| 26 |
| Ary aza asiana ambaratonga hiakaranao ho eo amin'ny alitarako, mba tsy ho hita eo ny fitanjahanao. |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy/exodus/020.mp3
40
20