Baiboly Protestanta Malagasy
|
| 1 |
| [Ny soa hitan'izay mandray ny fahendrena] Anaka, raha raisinao ny teniko, Ary raketinao ao am-ponao ny didiko, |
| 2 |
| Ka atongilanao amin'ny fahendrena ny sofinao, Ary ampitandremanao fahalalana ny fonao; |
| 3 |
| Eny, raha miantso ny fahalalana ianao Ary manandratra ny feonao hahazo saina, |
| 4 |
| Raha mitady azy toy ny fitady volafotsy ianao Ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina: |
| 5 |
| Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an'i Jehovah, Ary ho hitanao ny fahalalana an'Andriamanitra. |
| 6 |
| Fa Jehovah no manome fahendrena; Avy amin'ny vavany no ihavian'ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina. |
| 7 |
| Izy mitahiry fanambinanaho an'ny mahitsy Sady ampingan'izay mandeha tsy misy tsiny;[Na: tena fahendrena] |
| 8 |
| Ka dia mitandrina ny lalan'ny fahamarinana Izy Ary miambina ny lalan'ny olony masina. |
| 9 |
| Ary amin'izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny Ary ny hitsiny, dia ny lalana tsara rehetra. |
| 10 |
| Raha latsaka ao am-ponao ny fahendrena, Ary mamin'ny fanahinao ny fahalalana,[Na: Fa ho tafiditra ao am-ponao ny fahendrena, Ka ho] |
| 11 |
| Dia hiaro anao ny fisainana mazava, Ary hiambina anao ny fahalalana, |
| 12 |
| Ka hamonjy anao amin'ny lalan-dratsy Sy amin'ny lehilahy izay miteny fitaka, |
| 13 |
| Izay mahafoy ny lalan'ny fahamarinana Mba hizorany amin'ny lalan'ny fahamaizinana, |
| 14 |
| Dia izay faly hanao ratsy Sy finaritra amin'ny fitaky ny ratsy, |
| 15 |
| Dia izay melo-dalana Sy maniasia amin'ny alehany; |
| 16 |
| Ary hamonjy anao amin'ny vehivavy jejo koa izany, Dia amin'ny vahiny janga izay mandrobo amin'ny teniny,[Heb. vehivavy tsy vadinao] |
| 17 |
| Izay mahafoy ny vadin'ny fahatanorany Sy manadino ny fanekeny teo amin'Andriamaniny.[Heb. sakaizan'] |
| 18 |
| Fa ny tranony milentika ho amin'ny fahafatesana, Ary ny alehany mankany amin'ny maty. |
| 19 |
| Tsy misy afa-miverina izay mankany aminy, Na mihazo amin'ny lalan'aina, |
| 20 |
| Handehananao amin'ny lalan'ny tsara fanahy Sy hitandremanao ny alehan'ny marina. |
| 21 |
| Fa ny olona mahitsy no honina amin'ny tany, Ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao;Fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin'ny tany, Ary ny mpivadika hongotana. |
| 22 |
| Fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin'ny tany, Ary ny mpivadika hongotana. |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy/proverbs/002.mp3
31
2