Baiboly Protestanta Malagasy
|
| 1 |
| [Ny maha-zava-poana ny fahafinaretana sy ny voninahitra momba izao fiainana izao, na dia omban'ny fahendrena aza] Hoy izaho anakampo: Aoka mba hizahako toetra amin'ny hafaliana ianao, ka dia mifalia amin'ny fahitana ny fahafinaretana; kanjo, indro, zava-poana koa izany. |
| 2 |
| Hoy izaho, miantso ny fihomehezana: Fahadalana, ary ny fifaliana hoe: Mahefa inona? |
| 3 |
| Nisaina tato am-poko hamalifaly ny nofoko tamin'ny divay aho (ny foko anefa mbola hitondra azy amin'ny fahendrena ihany) ary hitana ny fahadalana, mandra-pahitako izay tsara ho an'ny zanak'olombelona ka tokony hataony atỳ ambanin'ny lanitra amin'ny andro vitsy iainany. |
| 4 |
| Nanao asa lehibe ho ahy aho, nanao trano, nanao tanim-boaloboka, |
| 5 |
| nanao tanimboly sy saha aho ka namboly hazo fihinam-boa samy hafa karazana tao; |
| 6 |
| nanao kamory aho handemana ny ala be zana-kazo; |
| 7 |
| nahazo ankizilahy sy ankizivavy aho sady nanana ompikely; ary nanana fananana be aho, dia omby sy ondry aman'osy mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema. |
| 8 |
| Nihary volafotsy sy volamena koa aho ary fanaka tsara fananan'ny mpanjaka sy izay avy amin'ny tany samy hafa; ary nahazo mpihiralahy sy mpihiravavy aho mbamin'izay mahafinaritra ny zanak'olombelona, dia vady sy vaditsindrano betsaka. [Na: fahafinaretan'ny zanak'olombelona be dia be] |
| 9 |
| Dia efa nisandratra mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema aho; ary ny fahendreko anefa dia mbola tato amiko ihany. |
| 10 |
| Ary na inona na inona nirin'ny masoko dia tsy nisy narovako taminy; tsy nisakana ny foko tamin'izay mety ho fifaliana aho; fa nahazo hafaliana avy tamin'ny fisasarako rehetra ny foko; ary izany no anjarako avy tamin'ny fisasarako rehetra. |
| 11 |
| Kanefa nitodika aho nandinika ny asa rehetra nataon'ny tanako sy ny fisasarana izay nisasarako, ka, indreo, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany, fa tsy nisy nahasoa tatỳ ambanin'ny masoandro.[Na: Homan-drivotra] |
| 12 |
| [Ny fihoaran'ny fahendrena noho ny fahadalana, ary ny mahatsara ny fiononana, na dia hita aza fa misy zavatra maro itovian'ny hendry sy ny adala] Ary nitodika aho hijery ny fahendrena sy ny fahaverezan-tsaina ary ny fahadalana; fa inona no hataon'ny olona izay handimby ny mpanjaka? Izay efa natao hatramin'ny ela ihany. |
| 13 |
| Dia hitako fa ny fahendrena dia tsara noho ny fahadalana, toy ny fahatsaran'ny mazava noho ny maizina.[Heb. mihoatra][Heb. fihoaran'] |
| 14 |
| Ny mason'ny hendry dia eo an-dohany; fa ny adala kosa mandeha amin'ny maizina; nefa hitako fa mitovy ihany ny manjo azy roa tonta. |
| 15 |
| Dia hoy izaho anakampo: Mitovy amin'ny manjo ny adala ihany ny manjo ahy, koa nahoana ary no nanan-tombom-pahendrena aho? Dia hoy izaho anakampo: zava-poana koa izany. |
| 16 |
| Fa samy tsy misy fahatsiarovana mandrakizay na ny hendry na ny adala; fa amin'ny andro ho avy dia samy ho hadino ela izy. Indrisy! samy ho faty na ny adala na ny hendry. |
| 17 |
| Dia efa halako ny aina, satria nataoko ho ratsy ny asa atao atỳ ambanin'ny masoandro; fa zava-poana sy misambo-drivotra foana izy rehetra.[Na: Homan-drivotra] |
| 18 |
| Eny, efa halako ny fisasarako rehetra izay nisasarako tatỳ ambanin'ny masoandro, fa havelako ho an'ny olona izay handimby ahy izany, |
| 19 |
| ary iza no mahalala na ho hendry na ho adala izy? Nefa izy no ho tompon'izay rehetra nisasarako sy nataoko tamin'ny fahendreko tatỳ ambanin'ny masoandro. Zava-poana koa izany. |
| 20 |
| Dia nitodika aho hampamoy ny foko amin'ny fahakiviana ny amin'ny fisasarana rehetra izay nisasarako tatỳ ambanin'ny masoandro. |
| 21 |
| Fa misy olona izay misasatra amin'ny fahendrena sy ny fahalalana ary ny fahaizana, nefa ny olona izay tsy nisasatra tamin'izany akory no tsy maintsy hamelany azy ho lovany. Zava-poana sy faharatsiana lehibe koa izany. |
| 22 |
| Fa inona no azon'ny olona amin'ny fisasarany rehetra sy amin'ny fikatsahan'ny fony, izay nisasarany tatỳ ambanin'ny masoandro? |
| 23 |
| Fa ny androny rehetra dia fanaintainana avokoa, ary ny fisasarany dia fahasorisorena; eny, na dia amin'ny alina aza dia tsy manam-pitsaharana ny fony. Zava-poana koa izany. |
| 24 |
| Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenany amin'ny fisasarany. Izany koa aza dia efa hitako fa avy amin'ny tànan'Andriamanitra [Na: Tsy misy tsara amin'ny olona. Ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenanay amin'ny fisasaranay dia hitako fa avy amin'ny tànan'Andriamanitra koa] |
| 25 |
| (fa iza no mahalany, ary iza no mahazo manaram-po mihoatra noho izaho?).Fa ny olona izay ankasitrahan'Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana; fa ny mpanota kosa ampiasainy hanangona sy hamory, mba hisy homeny izay ankasitrahan'Andriamanitra. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.[Na: Homan-drivotra] |
| 26 |
| Fa ny olona izay ankasitrahan'Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana; fa ny mpanota kosa ampiasainy hanangona sy hamory, mba hisy homeny izay ankasitrahan'Andriamanitra. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.[Na: Homan-drivotra] |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy/ecclesiastes/002.mp3
12
2