Baiboly Protestanta Malagasy
|
| 1 |
| Nankaiza ny malalanao, ry tsara tarehy amin'ny vehivavy? Nivily nankaiza ny malalanao? Mba hiarahanay aminao hitady azy. |
| 2 |
| Lasa nidina ho any an-tsahany ny malalako, dia any amin'ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, hiandry ny ondriny eny amin'ny tanimboly sy hioty ny lilia. |
| 3 |
| An'ny malalako aho, ary ahy ny malalako, dia ilay miandry ny ondry andiany eny amin'ny lilia. |
| 4 |
| Tsara tarehy tahaka an'i Tirza ianao, ry tompokovavy havako, eny, tsara tarehy tahaka an'i Jerosalema, mahatahotra toy ny antokon'ny miaramila mitondra faneva. |
| 5 |
| Avilio ny masonao tsy hijery ahy, Fa mampiontanontana ny foko izy; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, izay mandriandry eny ankilan'i Gileada. |
| 6 |
| Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany, izay miakatra avy eo amin'ny fampandroana; Samy kambana avy ireo. Fa tsy misy tsy mana-manana, |
| 7 |
| Tahaka ny hasin'ampongaben-danitra ny takolakao eo amin'ny fisalobonanao.[Na: ny volonao milantolanto] |
| 8 |
| Misy mpanjakavavy enim-polo sy vaditsindrano valo-polo ary zatovovavy tsy hita isa. |
| 9 |
| Fa iray monja kosa no voromailalako, dia ilay ahy tsy misy kilema, vavy tokan-dreniny sady tsongaina amin'izay naterany. Ny zazavavy nahita azy ka nanao azy ho sambatra, eny, ny mpanjakavavy sy ny vaditsindrano, ka nidera azy. |
| 10 |
| Iza moa io vehivavy mitsidika toy ny maraina, izay tsara tarehy tahaka ny volana, madio toy ny masoandro sady mahatahotra toy ny antokon'ny miaramila mitondra faneva? |
| 11 |
| Lasa nidina nantany an-tsaha tsara hazo aho, hijerijery ny zava-maitso an-dohasaha, hizaha raha mitsimoka ny voaloboka sy mamony ny ampongaben-danitra.[Heb. an-tanin'egoza]Tsy nampoiziko ny nanandratan'ny fanahiko ahy ho eo amin'ny kalesin'ny fireneko be voninahitra. |
| 12 |
| Tsy nampoiziko ny nanandratan'ny fanahiko ahy ho eo amin'ny kalesin'ny fireneko be voninahitra. |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy/songofsolomon/006.mp3
8
6