Baiboly Katolika 2003
|
| 1 |
| Fa indro ny Tompo, Iavehn’ny tafika, hanesotra amin’i Jerosalema sy i Jodà, ny vonjy aman-tohana rehetra, |
| 2 |
| ny vonjy rehetra momba ny mofo, ny vonjy rehetra momba ny rano, ny mahery fo mbamin’ny lehilahy mpiady, ny mpitsara, ny mpaminany ama-mpimasy, ny loholona, |
| 3 |
| ny kapiteny aman’olom-boalohandohany, mbamin’ny mpanolo-tsaina, ny mpanao taozavatra kinga amin’ny raharahany ama-mpanao fankatoavana famantsy lahy; |
| 4 |
| «dia zatovolahy no apetrako ho lehiben’izy ireo, ary ankizy no hanapaka azy.» |
| 5 |
| Ka hiantoraka hifamely ny lehilahy amin’ny lehilahy ary ny olona samy amin’ny mifanakaiky aminy; hiantoraka hifamely izy ireo, ny tovolahy amin’ny anti-panahy; ary ny olom-poana amin’ny olo-manan-daza indrindra. |
| 6 |
| Nony halain’ny rahalahiny ny olona anankiray, ao an-tranon-drainy ilazany hoe: «Manan-damba ianao, ka aoka ho lehibenay, ary aoka ho ambany fiambenanao izao faharavana izao!» |
| 7 |
| Dia hikafankafana izy, amin’izany andro izany, hanao hoe: «Tsy te-ho mpanasitrana aho, fa tsy mana-mofo na lamba ao an-tranoko akory, ka aza ataonareo lehiben’ny vahoaka.» |
| 8 |
| Satria mangozohozo i Jerosalema ary mirodana i Jodà, noho ny teny aman’asan’izy ireo manohitra an’i Iaveh, mba hihaika ny fijerin’ny fiandrianany. |
| 9 |
| Ny toetry ny tarehiny no miampanga azy ireo; mampiharihary ny fahotany, tahaka an’i Sôdôma izy, fa tsy miery amin’izany akory. Loza ho an’ireo fa ny tenany no fototry ny fahaverezany. |
| 10 |
| Lazao amin’ny marina fa sambatra izy, satria hihinana ny vokatry ny asany. |
| 11 |
| Loza ho an’ny ratsy fanahy! fa hidiran-doza izy, fa haverina aminy ny nataon’ny tanany. |
| 12 |
| Zaza no mampahory ny vahoakako, ary vehivavy no manapaka azy. Ry vahoakako, mampania anao izay mitondra anao, ary mandrava ny lalana tsy maintsy alehanao izy ireo. |
| 13 |
| Nitsangana i Iaveh hamoaka ny fitsarana, ary nijoro hitsara ny vahoaka Izy. |
| 14 |
| Mifandahatra amin’ny loholona eo amin’ny fitsarana i Iaveh, sy amin’ny mpanapaka ny vahoakany manao hoe: «Niraotra ny voaloboka ianareo; ny fananan’ny malahelo nobaboinareo dia ao an-tranonareo. |
| 15 |
| Lalàna avy aiza no anosihosenareo ny vahoakako, sy anorotoroanareo ny tavan’ny ory?» Teny ton’ny Tompo Iavehn’ny tafika, izany. |
| 16 |
| Efa niteny i Iaveh nanao hoe: «Noho ireo zanaka vavin’i Siôna tonga mpiavonavona, mandeha misolanandrana, mianjonanjom-pijery, malako famindra, ary mampikorintsandrintsana ny masom-bola fehitongony, |
| 17 |
| dia hataon’ny Tompo sola ny tampon-dohan’ny zanaka vavin’i Siôna, ary asehon’i Iaveh ny fitanjahany. |
| 18 |
| Amin’izany andro izany, hoesorin’ny Tompo ny ravaky ny masom-bola, ny masoandro sy ny volantsinana, |
| 19 |
| ny kavina, ny fehi-tanana ny voaly, |
| 20 |
| ny fehiloha, fehitongotra amam-pehikibo, |
| 21 |
| ny fitoeran-dranomanitra amam-pelana, ny peratra aman-kavin’orona |
| 22 |
| ny akanjo fitondra amin’ny fety sy ny akanjo vity malalaka, ny kapaoty amam-pôketra; |
| 23 |
| ny fitaratra aman’akanjo moselinina, ny lamba fehiloha amam-boaly fisaronana. |
| 24 |
| Ka ny zava-manitra hosoloana lo; ny fehikibo hosoloana mahazaka; ny volo mivona, hosoloana loha sola; ny akanjo vity malalaka, hosoloana lasàka; ny hatsaran-tarehy, hosoloana tomboka amin’ny afo. |
| 25 |
| Ny mpiadinao halavon-tsabatra, ary ny maherinao ho faty an’ady. |
| 26 |
| Hitomany sy hisaona ny vavahadin’i Siôna, ary efa ory izy, dia hipetraka amin’ny vovoka.» |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy2003/isaiah/003.mp3
66
3