Baiboly Katolika 2003
|
| 1 |
| Amin’izany andro izany, hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray, hanao hoe: «Ny mofonay no hohaninay, ary ny fitafianay no hitafianay, fa aoka mba hitondra ny anaranao izahay, ka halànao tondromaso.» |
| 2 |
| «Amin’izany andro izany, ny solofon’i Iaveh ho haingo amam-boninahitra, ary ny vokatry ny tany ho rehareha amam-piravaka, ho an’ireo sisan’i Israely afaka. |
| 3 |
| Ka izay ho tafajanona ao Siôna, sy izay ho voatsimbina ao Jerosalema hantsoina hoe masina; dia izay rehetra voasoratra ao Jerosalema mba ho an’ny fiainana.» |
| 4 |
| Rehefa voasasan’i Iaveh, ny loton’ny zanaka vavin’i Siôna, ka voadiony i Jerosalema amin’ny ra izay eo afovoany, amin’ny fanahin’ny fitsarana amam-panahin’ny fandringanana, |
| 5 |
| amin’izay dia hoforonin’i Iaveh eran’ny tendrombohitra Siôna manontolo, sy eo ambonin’ny fivoriany, ny rahona aman-tsetroka anankiray mandritra ny andro, ary fahazavan’ny afo midedadeda amin’ny alina. Eo ambonin’ny voninahiny rehetra dia hisy elo; |
| 6 |
| fa hisy lay mba hanalokaloka, amin’ny fidaindainan’ny andro, ary ho fandosirana sy fialofana, amin’ny ranonoram-baratra sy ny ranonorana. |
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy2003/isaiah/004.mp3
66
4