Baiboly Protestanta 2011
|
| 1 |
| Ny teny izay nataon’i Jeremia mpaminany tamin’i Baroka, zanak’i Neria, fony izy nanoratra ireto teny ireto tamin’ny taratasy avy tamin’ny vavan’i Jeremia tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’i Joda: |
| 2 |
| Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, ny aminao, ry Baroka: |
| 3 |
| Hoy ianao: Nidiran-doza aho ity fa nampian’NY TOMPO alahelo ny fanaintainako! Efa sasatra ny misento aho ka tsy mahita fitsaharana. |
| 4 |
| Lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, horavako izay efa naoriko, ary hongotako izay efa namboleko, dia izao tany rehetra izao. |
| 5 |
| Mitady zavatra lehibe ho anao va ianao? Aza mitady izany! Fa indro, hahatonga loza ho amin’ny nofo rehetra Aho, hoy NY TOMPO; fa raha ny ainao dia homeko anao ho babonao ihany any amin’izay rehetra halehanao. |
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy2011/jeremiah/045.mp3
52
45