Baiboly Katolika 2003
|
| 1 |
| Hoy Izy tamiko: «Ry zanak’olona, hano io hitanao eo anoloanao io; hano io taratasy io, dia mandehana miteny amin’ny taranak’i Israely.» |
| 2 |
| Nosokafako ny vavako dia nafahany ahy io taratasy io; |
| 3 |
| ka hoy izy tamiko: «Ry zanak’olona, vokiso ny kibonao, ary fenoy ity taratasy atolotro anao ity ny tsinainao». Dia nohaniko izany, ka mamy hoatra ny tantely izy tao am-bavako. |
| 4 |
| Ary hoy Izy tamiko: «Ry zanak’olona, mandehana mankany amin’ny taranak’i Israely, ary lazao aminy ny teniko. |
| 5 |
| Fa tsy ho any amin’ny firenena hafa fiteny, na miboeriboeri-piteny, no anirahako anao; fa ho any amin’ny taranak’i Israely. |
| 6 |
| Tsy ho any amin’ny firenena maro hafa fiteny sy miboeriboeri-piteny, ka tsy ho azonao ny teniny, fa ho amin’izy ireo no anirahako anao; hahazo ny teninao izy. |
| 7 |
| Ary tsy hety hihaino anao ny taranak’i Israely, satria tsy mety mihaino Ahy izy, fa henjan-kandrina sy tsy vaky afero avokoa, ny taranak’i Israely. |
| 8 |
| Nefa, indro, efa nataoko mafy hoatra ny tarehiny ny tarehinao, ary mafy hoatra ny handriny, ny handrinao. |
| 9 |
| Nataoko hoatra ny diamondra ny handrinao, mafy noho ny vatolampy aza. Koa aza matahotra azy, na mangovitra eo anatrehany, fa taranaka miodina izy». |
| 10 |
| Hoy koa Izy tamiko: «Ry zanak’olona, alatsaho am-po avokoa ny teny holazaiko aminao, ary henoy amin’ny sofinao, izy. |
| 11 |
| Mandehana ianao mankany amin’ireo lasan-ko babo, dia any amin’ireo zanaky ny firenenao, ka mitenena aminy; lazao aminy hoe: ‹Izao no lazain’i Iaveh Tompo›, na hihaino izy ireo na tsy hihaino». |
| 12 |
| Dia nofaohin’ny Fanahy aho, ka injay nisy feo nikotrokotroka mafy reko tao ivohoko, nanao hoe: «Hankalazaina anie ny voninahitr’i Iaveh ao amin’ny fitoerana fonenany». |
| 13 |
| Reko ny fikapokapoky ny elatr’ireo zava-manana aina, nifandona, sy ny firohondrohon’ny kodiarana teo anilany, ary nisy feon-javatra nikotrokotroka mafy. |
| 14 |
| Nofaohin’ny Fanahy sy nentiny aho, ka lasa; fangidiana amam-pisafoahana no tao amin’ny fanahiko; ary ny tanan’i Iaveh nihazona ahy mafy. |
| 15 |
| Dia tonga tany Tel-Abiba aho, tany amin’ireo babo, nonina teo amoron’ny ony Kobara, sy tany amin’ny tany nonenany; ka nandritra ny hafitoana aho, dia ankona foana teo afovoan’izy ireo. |
| 16 |
| Nony afaka hafitoana, tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe: |
| 17 |
| «Ry zanak’olona, tendreko ho mpitily eo amin’ny taranak’i Israely ianao, hihaino ny teny haloaky ny vavako ianao; ary hananatra azy ireo amin’ny Anarako. |
| 18 |
| Raha Izaho milaza amin’ny ratsy fanahy hoe: ‹Ho faty tokoa ianao›; nefa ianao kosa tsy mananatra azy, tsy miteny mananatra azy, dia ho faty amin’ny helony ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin’ny tananao ny rany. |
| 19 |
| Fa rehefa nananatra an’ilay ratsy fanahy kosa ianao, fa izy no tsy nety niala amin’ny haratsiany aman-dalan-dratsiny; dia izy ihany no ho faty amin’ny helony; fa ianao kosa dia namonjy ny fanahinao. |
| 20 |
| Raha misy olo-marina miala amin’ny fahamarinana sy manao heloka, ka mametraka fandrika eo anoloany aho, dia ho faty izy; noho ianao tsy nananatra azy dia ho faty amin’ny fahotany izy; ny asa fahamarinana nataony kosa tsy hotsarovana intsony; ary ny rany kosa hadiniko amin’ny tananao. |
| 21 |
| Fa raha misy marina nanarinao tsy hanota, ka tsy nanota tokoa, dia ho velona tokoa izy, satria nahazo anatra; ary ianao koa, ho efa namonjy ny fanahinao». |
| 22 |
| Teo amiko ny tanan’i Iaveh, ary hoy Izy tamiko: «Mitsangàna ianao, mankanesa any an-tany lemaka, fa any no hitenenako aminao». |
| 23 |
| Nitsangana aho nankany an-tany lemaka, dia indro teo ny voninahitr’i Iaveh, tahaka ilay voninahitra efa hitako tany amin’ny ony Kobara; ka lavo niankohoka terỳ aho. |
| 24 |
| Niditra tato anatiko ny Fanahy, ka nataony mijoro amin’ny tongotra aho; ary niteny tamiko i Iaveh nanao hoe: «Mandehana mirindrin-trano ao aminao. |
| 25 |
| Fa indro ianao, ry zanak’olona, hasiana tady hafatotra, ary tsy ho afa-mivoaka ho any amin’izy ireo. |
| 26 |
| Haraikitro amin’ny lanilaninao ny lelanao, ka ho moana ianao, dia tsy ho mpaniny azy ireo, satria taranaka miodina izy. |
| 27 |
| Rehefa hiteny aminao Aho, dia hosokafako ny vavanao, ka hilaza amin’izy ireo ianao hanao hoe: ‹Izao no lazain’i Iaveh Tompo: Izay mety hihaino, aoka hihaino; ary izay tsy mety aoka tsy hihaino; fa taranaka miodina izy ireo.› » |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy2003/ezekiel/003.mp3
48
3