Baiboly Katolika 2003
|
| 1 |
| Ary ianao, ry zanak’olona, makà biriky anankiray, apetraho eo anoloanao, ka manorata sarin-tanàna anankiray eo, dia ny sarin’i Jerosalema. |
| 2 |
| Ataovy fahirano izy; manaova tilikambo hamelezana azy; manandrata tovon-tany hikatrohana aminy; manorena toby manodidina azy; ary ametraho lohondry vy manodidina azy. |
| 3 |
| Ary ianao makà lapoaly vy; ataovy toy ny manda vy eo anelanelanao sy ny tanàna io, ka atodiho hanandrina azy ny tavanao; dia hatao fahirano izy; ka hataonao fahirano izy, Aoka ho famantarana ho an’ny taranak’i Israely izany. |
| 4 |
| Ary ataovy ambany mandry ny ilanao havia; ka ataovy eo ny heloky ny taranak’i Israely; ary ny andro handrianao toy izany, dia hitondranao ny helok’izy ireo. |
| 5 |
| Ary araka ny isan’ny andro no nanisako ny taonan’ny helok’izy ireo ho anao; ka dia 390 andro no hitondranao ny heloky ny taranak’i Israely. |
| 6 |
| Rehefa tapitra ireo andro ireo, dia ny ilanao havanana indray no hataonao ambany mandry, ka hitondra ny heloky ny taranak’i Jodà kosa ianao, 40 andro; fa nisaiko ho taona iray ny andro iray ho anao. |
| 7 |
| Dia hitodika hanandrina an’i Jerosalema atao fahirano, ny tavanao aman-tsandrinao mihanjaka, ka haminany hamely azy ianao. |
| 8 |
| Ary indro, efa nopetahako tady ianao, mba tsy ho afa-mivadi-mandry, mandra-pahatapitrao ny andron’ny fahiranonao. |
| 9 |
| Makà frômenta, orja, kalamaka, voamena, ampemby ary epaotra; ataovy am-bilany iray ireo, ka anaovy mofo ho anao, araka ny isan’ny andro handrianao amin’ny ilanao, 390 andro no hihinananao azy. |
| 10 |
| Ary 20 sikla no lanjan’ny hanin-kohaninao amin’ny indray andro, asio elanelany ny fihinanana azy. |
| 11 |
| Rano kely ihany no hosotroinao, dia ampahenin’ny hina, asio elanelany ny fisotro azy. |
| 12 |
| Toy ny mofo orja no ihinano azy; ary diky no anendaso azy, eo imason’izy ireo. |
| 13 |
| Dia hoy i Iaveh tamiko: «Toy izany no hihinanan’ny zanak’i Israely ny mofony voaloto, any amin’ny firenena handroahako azy.» |
| 14 |
| Ka hoy aho: «Indrisy! Iaveh, Tompo ô, tsy mba voaloto na oviana na oviana ny fanahiko; tsy mba nihinana biby maty, na voaviravira aho, hatramin’ny fahatanorako ka mandraka ankehitriny; ary tsy mbola niditra ny vavako akory izay hena voaloto.» |
| 15 |
| Dia hoy Izy tamiko: «Jereo fa ekeko hosoloina taim-biby ihany ny diky, ka dia eo ambonin’izany no hanendasanao ny mofonao.» |
| 16 |
| Ary hoy Izy tamiko: «Ry zanak’olona, indro hotapahiko ny tehina mofo any Jerosalema, ka an-danjany sady am-panahiana no hihinanan’izy ireo mofo; ary am-patrany sady amin-kovitra no hisotroany rano. |
| 17 |
| Satria, ny hanina amam-pisotro tsy ho ampy; ny tenany, samy hihareraka sy hihalevona avy izy ireo, noho ny haratsiany.» |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy2003/ezekiel/004.mp3
48
4