Baiboly Katolika 2003
|
| 1 |
| Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe: |
| 2 |
| Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Izaho no Iaveh Andriamanitrareo. |
| 3 |
| Aza manao toy ny ataon’ny any amin’ny tany Ejipta izay nonenanareo, ary aza manao toy ny ataon’ny any amin’ny tany Kanaana, izay hitondrako anareo; aza manaraka ny lalàn’ireny ianareo. |
| 4 |
| Ny fitsipiko no harahinareo, ary ny lalàko no hotandremanareo, ka harahinareo izany, fa Izaho no Iaveh Andriamanitrareo. |
| 5 |
| Tandremo ny lalàna aman-pitsipiko, fa ny olona manaraka izany, no ho velona amin’izany. Izaho no Iaveh. |
| 6 |
| Aza misy manatom-behivavy, havany akaiky, mba hanokatra ny fitanjahany. Izaho no Iaveh. |
| 7 |
| Aza manokatra ny fitanjahan-drainao, na ny fitanjahan-dreninao, fa reninao izy, ka aza manokatra ny fitanjahany. |
| 8 |
| Aza manokatra ny fitanjahan-drenikelinao, fa fitanjahan-drainao izany. |
| 9 |
| Aza manokatra ny fitanjahan’ny anabavinao, zana-drainao na zana-dreninao, teraka tao an-trano na teraka tany ivelany; aza manokatra ny fitanjahany. |
| 10 |
| Aza manokatra ny fitanjahan’ny zanaka vavin’ny zanakao lahy na ny zanaka vavin’ny zanakao vavy, fa fitanjahanao izany. |
| 11 |
| Aza manokatra ny fitanjahan’ny zanaka vavin’ny vadin-drainao natera-drainao, fa anabavinao izy. |
| 12 |
| Aza manokatra ny fitanjahan’ny anabavin-drainao, fa nofon-drainao izany. |
| 13 |
| Aza manokatra ny fitanjahan’ny rahavavin-dreninao, fa nofon-dreninao izany. |
| 14 |
| Aza manokatra ny fitanjahan’ny rahalahin-drainao amin’ny fakàna ny vadiny, fa anabavin-drainao izy. |
| 15 |
| Aza manokatra ny fitanjahan’ny vinanto vavinao, fa vadin-janakao izy. Aza manokatra ny fitanjahany. |
| 16 |
| Aza manokatra ny fitanjahan’ny vadin-drahalahinao, fa fitanjahan’ny rahalahinao izany. |
| 17 |
| Aza manokatra ny fitanjahan’ny vehivavy aman-janany vavy, aza maka ny zanaka vavin’ny zanany lahy, na ny zanaka vavin’ny zanany vavy, mba hanokatra ny fitanjahany, fa mpihavana akaiky izy, ka mahameloka. |
| 18 |
| Aza maka ny rahavavin’ny vadinao ho rafiny, amin’ny fanokafana ny fitanjahany sy ny an’ny vadinao izay mbola velona. |
| 19 |
| Aza manatom-behivavy mandritra ny fahalotoam-padim-bolany mba hanokatra ny fitanjahany. |
| 20 |
| Aza mikambana amin’ny vadin’ny namanao, handoto tena aminy. |
| 21 |
| Aza misy omenao hatolotra hodorana hankalazana an’i Môlôka ny zanakao; aza mametaveta ny Anaran’ny Andriamanitrao. Izaho no Iaveh. |
| 22 |
| Aza mandry amin-dehilahy toy ny fandry amim-behivavy, fa fahavetavetana izany. |
| 23 |
| Aza mandry amin’ny biby handoto tena aminy. Aoka ny vehivavy tsy hijanona eo anoloan’ny biby handoto tena aminy, fa zava-mahamenatra izany. |
| 24 |
| Aza mandoto tena amin’ireo zavatra ireo, na dia iray aza, fa tamin’ireo no nandoto tena ny firenena horoahiko eo anoloanareo. |
| 25 |
| Voaloto ny tany, ka hovaliako ny helony, ary haloan’ny tany ny mponina eo aminy. |
| 26 |
| Fa ianareo kosa hitandrina ny lalàna amam-pitsipiko, ka tsy hanao amin’ireo fahavetavetana ireo, na dia iray aza, na ianareo tompon-tany na ny vahiny mitoetra eo afovoanareo. |
| 27 |
| Fa ireo fahavetavetana rehetra ireo, no nataon’ny olon’izany tany izany, izay nonina tao talohanareo, ka izany no nahaloto ny tany. |
| 28 |
| Ary ianareo tsy mba haloan’ny tany amin’ny fandotoana azy, toy ny nandoavany an’ireo firenena izay tao talohanareo; |
| 29 |
| satria hofongorana amin’ny fireneny izay rehetra manao ireo fahavetavetana ireo, na dia iray aza. |
| 30 |
| Tandremo ny didiko mba tsy hanatanterahanareo na inona na inona amin’ireo fomba vetaveta fanao talohanareo, ka tsy handotoanareo ny tenanareo amin’izany. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo. |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy2003/leviticus/018.mp3
27
18