Baiboly Protestanta Malagasy
|
| 1 |
| [Didy maro samy hafa] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: |
| 2 |
| Mitenena amin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, hoe: Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho, Jehovah Andriamanitrareo. |
| 3 |
| Samia matahotra ny reninareo sy ny rainareo, ary tandremo ny Sabatako: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. |
| 4 |
| Aza mivily hanaraka ny andriamani-tsi-izy, ary aza manao andriamanitra an-idina ho anareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. |
| 5 |
| Ary raha mamono zavatra hatao fanati-pihavanana ho an'i Jehovah ianareo, dia ataovy amin'izay hankasitrahana anareo izany. |
| 6 |
| Amin'izay andro amonoanareo zavatra hatao fanatitra sy amin'ny ampitson'ny no hihinananareo azy; fa raha mbola misy sisa tratry ny andro fahatelo, dia hodorana amin'ny afo izany. |
| 7 |
| Ary raha hanina amin'ny andro fahatelo izany, dia ho fahavetavetana ka tsy hankasitrahana; |
| 8 |
| fa izay mihinana izany dia ho meloka, satria nanamavo ny zava-masin'i Jehovah izy, ka dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny izany olona izany. |
| 9 |
| Ary raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny; ary aza tsimponina izay latsaka avy amin'ny vokatrao. |
| 10 |
| Ary aza otazana avokoa ny eo amin'ny sahanao, ary aza tsimponina izay latsaka eo amin'ny sahanao; fa avelao ho an'ny malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. |
| 11 |
| Aza mangalatra, aza mamitaka, aza mifandainga. |
| 12 |
| Aza mianian-tsy tò amin'ny anarako, na manamavo ny anaran'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah. |
| 13 |
| Aza manao an-keriny amin'ny zavatry ny namanao na mampahory azy; ny karaman'izay nokaramainao aoka tsy hitoetra ao aminao miloaka alina. |
| 14 |
| Aza miteny ratsy ny marenina na manisy zavatra mahatafintohina eo anoloan'ny jamba; fa matahora an'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah. |
| 15 |
| Aza manao izay tsy marina amin'ny fitsarana; aza miandany foana amin'ny malahelo, na mena-maso ny lehibe; fahamarinana no hitsaranao ny namanao. |
| 16 |
| Aza mandehandeha manaratsy eo amin'ny firenenao; aza mitsangana handatsaka ny ran'ny namanao: Izaho no Jehovah. |
| 17 |
| Aza mankahala ny rahalahinao amin'ny fonao; mananara dia mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy. |
| 18 |
| Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin'izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah. |
| 19 |
| Tandremo ny didiko: Aza avela hilomy amin'ny hafa karazana noho izy ny biby fiompinao; aza fafazanao voan-javatra roa karazana mifangaroharo ny taninao; ary aza mitafy lamba natao amin'ny zavatra roa samy hafa karazana mifamahofaho. |
| 20 |
| Ary raha misy mandry amin'ny andevovavy izay voafofon'olona ho vadiny, ka tsy voavotra na voavotsotra ho olom-potsy ravehivavy, dia hofaizana izy roroa, fa tsy hatao maty, satria tsy olompotsy ravehivavy. |
| 21 |
| Ary ho entin-dralehilahy ny fanati-panonerany ho an'i Jehovah ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, dia ondrilahy iray hatao fanati-panonerana; |
| 22 |
| ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy amin'ilay ondrilahy hatao fanati-panonerana, eo anatrehan'i Jehovah, noho ny fahotana izay nataony; dia havela izany fahotany izany. |
| 23 |
| Ary raha tonga any amin'ny tany ianareo ka mamboly hazo fihinam-boa, dia hataonareo ho toy ny tsy voafora ny voany; telo taona no hataonareo ho toy ny tsy voafora izy ka tsy hohanina; |
| 24 |
| ary amin'ny taona fahefatra dia ho masina ny voany rehetra ka hatao fanatitra hiderana an'i Jehovah; |
| 25 |
| fa amin'ny taona fahadimy vao hihinana ny voany ianareo, mba hitomboan'ny fahavokarany ho anareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. |
| 26 |
| Aza homana zavatra misy rà; aza manao sikidy na manandro. |
| 27 |
| Aza manety ny sisim-bolon-dohanareo, ary aza manaratra ny vaokanao. |
| 28 |
| Ary aza mitetika ny tenanareo noho ny maty, na manao tombo-kavatsa amin'ny tenanareo: Izaho no Jehovah. |
| 29 |
| Aza mampijangajanga ny zanakao-vavy hampahaloto azy, fandrao hijangajanga ny tany ka ho feno fahavetavetana. |
| 30 |
| Tandremo ny Sabatako, ary hajao ny fitoerako masina: Izaho no Jehovah. |
| 31 |
| Aza mivily hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra, na mitady saina amin'ny mpanao hatsarana, hahaloto anareo aminy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. |
| 32 |
| Mitsangàna raha eo anatrehan'ny fotsy volo ianao, ka manajà ny tavan'ny anti-panahy, ary matahora an'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah. |
| 33 |
| Ary raha misy mivahiny aminao eo amin'ny taninareo, aza manao sarotra aminy. |
| 34 |
| Ny vahiny eo aminareo dia hataonareo tahaka ny tompon-tany aminareo ihany ka ho tianao tahaka ny tenanano; fa efa mba vahiny tany amin'ny tany Egypta ianareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. |
| 35 |
| Aza manao izay tsy marina amin'ny fitsarana, na amin'ny fandrefesana, na amin'ny fandanjana, na amin'ny famarana. |
| 36 |
| Mizana marina, vato marina, efaha marina, hina marina, no hotananareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta.Ary tandremo ny didiko rehetra sy ny fitsipiko rehetra, ka araho izany: Izaho no Jehovah. |
| 37 |
| Ary tandremo ny didiko rehetra sy ny fitsipiko rehetra, ka araho izany: Izaho no Jehovah. |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy/leviticus/019.mp3
27
19