Baiboly Protestanta 2011
|
| 1 |
| Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: |
| 2 |
| Omeo baiko ny Zanak’Israely mba hitondra diloilon’oliva voatoto tsy miharo ho eo aminao, hatao fanazavana mba hampirehetana tsy an-kiato ny jiro. |
| 3 |
| Eo ivelan’ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona ao amin’ny tranolay fihaonana no hametrahan’i Arona azy mba hirehitra mandrakariva, ny hariva ka hatramin’ny maraina, eo anatrehan’NY TOMPO; ho lalàna maharitra hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby izany. |
| 4 |
| Eo amin’ny fitoeran-jiro volamena tsy miharo no hametrahany ny jiro mba hirehitra mandrakariva eo anatrehan’NY TOMPO. |
| 5 |
| Makà koba tsara toto ka endaso ho mofo roa amby folo; roa ampahafolon’ny efaha no hatao mofo iray. |
| 6 |
| Apetraho eo ambonin’ny latabatra madio eo anatrehan’NY TOMPO ireo ka ataovy laharana roa, enina avy isan-daharana. |
| 7 |
| Asio ditin-kazo manitra madio ny toerana tsirairay, koa aoka ho eo amin’ny mofo izany mba ho fanati-pahatsiarovana, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO. |
| 8 |
| Isaky ny Sabata no handaharany ireo mandrakariva eo anatrehan’NY TOMPO; avy amin’ny Zanak’Israely izany, dia fanekena maharitra. |
| 9 |
| Ho an’i Arona sy ireo zanany ireo mofo ireo ka hohaniny eo amin’izay fitoerana masina; zavatra tena masina ho an’ny mpisorona ireo, avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo; lalàna maharitra izany. |
| 10 |
| Nisy lehilahy iray nankeo amin’ny Zanak’Israely, Israelita ny reniny ary Ejiptiana ny rainy; niady tamin’ny lehilahy israelita iray teo an-toby io zanaky ny vehivavy israelita io. |
| 11 |
| Niteny ratsy ny anaran’Andriamanitra ilay zanaky ny vehivavy israelita ka nanozona; dia noentina tany amin’i Mosesy izy; Selomita no anaran’ny reniny, zanakavavin’i Dibry avy tamin’ny fokon’i Dana izy; |
| 12 |
| dia nambenana izy, mandra-pahafantatra izay ho didin’NY TOMPO. |
| 13 |
| Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: |
| 14 |
| Avoahy ho eny ivelan’ny toby ilay nanozona ary aoka izay rehetra nandre azy hametraka ny tanany amin’ny lohany ary aoka hitora-bato azy ny fiangonana rehetra. |
| 15 |
| Ary mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Na iza na iza no mamingavinga an’Andriamaniny dia ho meloka. |
| 16 |
| Izay miteny ratsy ny anaran’NY TOMPO dia hovonoina ho faty; hitora-bato azy tokoa ny fiangonana manontolo; na vahiny na tompon-tany, izay miteny ratsy ny anarana, dia hovonoina. |
| 17 |
| Izay mahafaty olona dia hovonoina ho faty. |
| 18 |
| Fa izay mahafaty biby fiompy kosa dia hanonitra azy: Biby solon’ny biby. |
| 19 |
| Raha misy olona mampanan-kilema ny namany dia toy izay nataony no hatao aminy koa: |
| 20 |
| Tapaka solon’ny tapaka, maso solon’ny maso, nify solon’ny nify; tahaka ny kilema nataony tamin’ny olona no hatao aminy koa. |
| 21 |
| Izay mahafaty biby fiompy dia hanonitra azy; fa izay mahafaty olona kosa dia hovonoina ho faty. |
| 22 |
| Fitsipika iray no hitondrana anareo, na vahiny na tompon-tany; Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. |
| 23 |
| Ary niteny tamin’ny Zanak’Israely i Mosesy dia navoakany teny ivelan’ny toby ilay niteny ratsy ka notoraham-bato. Dia nanatanteraka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ny Zanak’Israely. |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy2011/leviticus/024.mp3
27
24