Baiboly Katolika 2003
|
| 1 |
| «Aza manao sampy; aza manangan-tsary voasikotra, na tsangam-baton-tsampy, na manorona vato voaravaka sarin-javatra eo amin’ny taninareo, hiankohofanareo eo anatrehany; fa Izaho no Iaveh Andriamanitrareo. |
| 2 |
| Tandremo ny sabatako, ary hajao ny fitoerako masina. Izaho no Iaveh.» |
| 3 |
| «Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko ianareo, ka mankatò izany, |
| 4 |
| dia halatsako amin’ny fotoany ny orana ho anareo; hahavokatra ny tany; hamoa ny hazo eny an-tsaha. |
| 5 |
| Ny fivelezam-bary haharitra hatramin’ny fitoazam-boaloboka; ny fitoazam-boaloboka hahatratra ny famafazana; dia hihinana ianareo ka ho voky tsara, ary handry feizay eo amin’ny taninareo. |
| 6 |
| Hasiako fiadanana eo amin’ny tany, ka handry tsy hisy hanaitra ianareo. Ny biby masiaka hofongorako amin’ny tany; ary ny sabatra tsy hamakivaky ny taninareo. |
| 7 |
| Hanenjika ny fahavalonareo ianareo; ary ho lavon-tsabatra eo anoloanareo izy. |
| 8 |
| Dimy aminareo no hanenjika zato, ary zato aminareo no hanenjika iray alina; ho lavon-tsabatra eo anoloanareo ny fahavalonareo. |
| 9 |
| Hitodika anareo Aho, ka hahamaro anaka anareo sy hampitombo anareo ary hanorina ny fanekeko aminareo. |
| 10 |
| Hihinana ny vokatra tranainy ianareo, dia ny tranainy dia tranainy tokoa, ary hanary ny tranainy hahitana toerana ho an’ny vao. |
| 11 |
| Hanorina ny fonenako eo afovoanareo Aho, ary tsy ho tofoka aminareo ny fanahiko. |
| 12 |
| Handeha eo afovoanareo Aho, ho Andriamanitrareo Aho, ary ianareo ho vahoakako. |
| 13 |
| Izaho no Iaveh Andriamanitrareo izay namoaka anareo hiala any amin’ny tany Ejipta, mba tsy ho andevo any intsony; nanapaka ny baran’ny jioganareo Aho, dia nandefa anareo handeha misolanandrana.» |
| 14 |
| Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo, ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo, |
| 15 |
| raha manamavo ny lalàko ianareo ka boboky ny fitsipiko ny fanahinareo, ka tsy hankatoavinareo ny didiko rehetra sy hivadihanareo ny fanekena amiko, |
| 16 |
| dia izao no hataoko aminareo: hanirahako tebiteby sy areti-mihinana ary tazo ianareo, izay hahalali-maso anareo, sy handreraka aina anareo; hafafinareo foana ny voa afafinareo, fa ny fahavalonareo no hihinana azy. |
| 17 |
| Hanandrina anareo ny Tavako, ka ho resin’ny fahavalonareo ianareo; izay mankahala anareo no hanapaka anareo, ary handositra tsy enjehina ianareo. |
| 18 |
| Raha mbola tsy mihaino Ahy amin’izany ihany ianareo, dia hofaiziko impito mihoatra izany, noho ny fahotanareo. |
| 19 |
| Horavako ny reharehan’ny herinareo; hataoko toy ny vy ny lanitrareo, ary toy ny varahina ny taninareo. |
| 20 |
| Ho lany maina ny herinareo, fa ny taninareo tsy hahavokatra, ny hazo amin’ny tany tsy hamoa ny voany. |
| 21 |
| Raha mandroso manohitra Ahy ihany ianareo, fa tsy mety mihaino Ahy, dia hokapohiko impito mihoatra, araka ny fahotanareo. |
| 22 |
| Halefako hamely anareo ny biby dia, hifaoka ny zanakareo, hamiravira ny biby fiompinareo, hahavitsy isa anareo, ka hanjary efitra ny lalanareo. |
| 23 |
| Rehefa voan’ireo sazy ireo ianareo, ka mbola tsy mety hanariko ianareo fa mandroso manohitra Ahy ihany, |
| 24 |
| dia Izaho kosa no handroso hamely anareo, ka hikapoka anareo koa Aho impito mihoatra, noho ny fahotanareo. |
| 25 |
| Hampiditra sabatra hamely anareo Aho, ho valin’ny nivadihanareo ny fanekeko; hiangona ao an-tanànanareo ianareo, dia hanirahako ny pesta ho eo aminareo ary ho voatolotra eo an-tanan’ny fahavalo ianareo, |
| 26 |
| rehefa hotapahiko ny mofo tohan’ainareo, ka lafaoro fanendasana iray no hanendasan’ny vehivavy folo ny mofonareo, ary an-danjany no hizarany ny mofonareo, dia hihinana ianareo fa tsy ho voky. |
| 27 |
| Raha efa izany ka mbola tsy mihaino Ahy ianareo, fa mbola mandroso manohitra Ahy, |
| 28 |
| dia handroso hanohitra anareo amin-katezerana mafy koa Aho, ka hofaiziko impito mihoatra ianareo, noho ny fahotanareo. |
| 29 |
| Hihinana ny mofon’ny zanakareo lahy ianareo, hihinana ny mofon’ny zanakareo vavy ianareo. |
| 30 |
| Horavako ny fitoerana avonareo, hazerako ny tsangam-bato natokanareo ho an’ny masoandro; hampifanongoaviko amin’ny fatin-tsampin-dozanareo ny fatinareo, ary harian’ny fanahiko amim-paharikorikoana ianareo. |
| 31 |
| Ny tanànanareo hampanjariko efitra, ny fitoerana masinareo horavako, ary ny hanitra ankasitrahinareo avy amin’ny zava-manitrareo tsy hamboloiko intsony. |
| 32 |
| Hosimbako ny tany, ka ho talanjona ny fahavalonareo izay honina eo aminy. |
| 33 |
| Ianareo haparitako any amin’ny firenen-kafa, hoenjehiko amin’ny sabatra avy eo aoriana; ny taninareo ho lao ary ny tanànanareo ho zary efitra. |
| 34 |
| Amin’izany, hanana ny sabatany ny tany, mandritra ny fotoana hahafoana azy, rehefa any amin’ny tanim-pahavalonareo ianareo, amin’izany, dia hitsahatra ny tany, ary hanana ny sabatany. |
| 35 |
| Hananany mandritra ny fotoana hahafoana azy, ny fitsaharana tsy nananany tamin’ny sabatanareo, fony ianareo nonina teo aminy. |
| 36 |
| Izay ho sisa velona aminareo, hampidirako tebiteby ny fony any amin’ny tanim-pahavalony, ka ny fipikan’ny ravin-kazo iray monja voahetsika, dia ampy hahavaky mandositra azy; handositra toy ny enjehin-tsabatra izy, ary ho lavo tsy misy mpanenjika. |
| 37 |
| Hifampigona toy ny enjehin-tsabatra izy, nefa tsy iza tsy iza manenjika azy eo; ka dia tsy hahatoha ny fahavalonareo ianareo. |
| 38 |
| Ho lany ringana any amin’ny firenen-kafa ianareo, ary ho lanin’ny tanim-pahavalonareo. |
| 39 |
| Izay sisa velona aminareo dia hihalany ritra noho ny heloky ny tenany any amin’ny tanim-pahavalony; ary ho levona koa noho ny heloky ny razany izay ao aminy. |
| 40 |
| Fa hiaiky ny helony sy ny heloky ny razany izy ireo, noho ny fahadisoana nataony tamiko; hiaiky izy fa noho ny nandrosoany nanohitra Ahy, |
| 41 |
| no nandrosoako nanohitra azy sy nandefasako azy tany an-tanim-pahavalony. Ary amin’izay, rehefa mietry tena ny fony tsy voafora, ka manaiky ny sazin’ny hadisoany, |
| 42 |
| dia hotsarovako koa ny fanekeko tamin’i Jakôba, hotsarovako koa ny fanekeko tamin’i Isaaka ary ny fanekeko tamin’i Abrahama, dia hotsarovako ny tany. |
| 43 |
| Ny tany nilaozany, ka hanana ny sabata mandritra ny fotoana hahafoana azy, nialan’izy ireo lavitra; izy ireo koa hanaiky ny sazin’ny hadisoany, noho izy efa nanamavo ny fitsipiko, sady boboky ny lalàko ny fanahiny. |
| 44 |
| Na dia amin’izany aza anefa, rehefa mby any an-tanim-pahavalony izy ireo, tsy dia hariako na ho halako hataoko levona mihitsy sy hahatapaka ny fanekeko taminy; fa Izaho no Iaveh Andriamaniny. |
| 45 |
| Hotsarovako hanasoavako azy ny fanekena nataoko tamin’ny razany, izay navoakako tany amin’ny tany Ejipta, teo imason’ny firenen-kafa, mba ho Andriamaniny Aho. Izaho no Iaveh. |
| 46 |
| Ireo no didy amam-pitsipika ary lalàna nataon’i Iaveh ho fifaneken’ny Tenany sy ny zanak’i Israely tao an-tendrombohitra Sinaia, tamin’ny alalan’i Môizy. |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy2003/leviticus/026.mp3
27
26