Baiboly Katolika 2003
|
| 1 |
| «Raha misy olona manatitra sorom-pihavanana ka biby vaventy, lahy na vavy, no ateriny, dia izay tsy misy kilema no hateriny eo anatrehan’i Iaveh. |
| 2 |
| Hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny sorona izy, sy hamono azy eo am-baravaran’ny trano lay fihaonana; ary ny mpisorona, zanak’i Aarôna, handraraka ny ra manodidina ny ôtely. |
| 3 |
| Ny hatolony ho sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh amin’io sorom-pihavanana io, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy, |
| 4 |
| ny voany roa mbamin’ny fonom-boany, izay miraikitra amin’ny faritry ny voany, ny saron’atiny izay hoendahany ao akaikin’ny voany. |
| 5 |
| Hodoran’ny zanak’i Aarôna izany hanetona eo ambonin’ny ôtely, eo ambonin’ny sorona dorana voapetraka eo ambony kitay hazo eo amin’ny afo. Sorona atao amin’ny afo izany, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.» |
| 6 |
| «Raha biby madinika, lahy na vavy, no aterina ho sorom-pihavanana amin’i Iaveh, dia izay tsy misy kilema no aterina.» |
| 7 |
| «Raha zanak’ondry no ateriny ho sorona, dia hatolony eo anatrehan’i Iaveh. |
| 8 |
| Hametra-tanana eo ambony lohan’ny sorona izy sy hamono azy eo anoloan’ny trano lay fihaonana, ary ny zanak’i Aarôna handraraka ny ra manodidina ao amin’ny ôtely. |
| 9 |
| Ny hatolony ho sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh amin’io sorom-pihavanana io dia ny saborany, ny hofany manontolo faranana hatreo amin’ny hazon-damosiny, ny sabora saron-tsinainy sy ny sabora rehetra miraikitra amin’ny tsinainy; |
| 10 |
| ny voany roa mbamin’ny fonom-boany, izay miraikitra amin’ny faritry ny voany; ny saron’atiny izay hoendahany eo akaikin’ny voany. |
| 11 |
| Hodoran’ny mpisorona izany hanetona eo ambonin’ny ôtely. Faham-pisoronana atao amin’ny afo ho an’i Iaveh izany.» |
| 12 |
| «Raha osy vavy ny fanatiny, dia hatolony eo anatrehan’i Iaveh. |
| 13 |
| Hametraka ny tanany eo ambonin’ny lohan’ny sorona izy sy hamono azy eo anoloan’ny trano lay fihaonana, ary ny zanak’i Aarôna handraraka ny ra manodidina eo amin’ny ôtely. |
| 14 |
| Ny hatolony ho sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh, amin’ny sorona, dia ny sabora saron-tsinainy sy ny sabora rehetra miray amin’ny tsinainy, |
| 15 |
| ny voany roa mbamin’ny fonom-boany izay miraikitra amin’ny faritry ny voany, ny saron’atiny izay hoendahany ao akaikin’ny voany. |
| 16 |
| Hodoran’ny mpisorona izany hanetona eo ambonin’ny ôtely. Faham-pisoronana atao amin’ny afo, ho fofona ankasitrahina izany. An’i Iaveh ny sabora rehetra. |
| 17 |
| Lalàna tsy tapaka hatrany amin’ny taranakareo izany. Na aiza na aiza honenanareo, aza mihinana sabora na ra akory.» |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy2003/leviticus/003.mp3
27
3