Baiboly Protestanta Malagasy
|
| 1 |
| [Ny fahitana nentin'Andriamanitra nilaza tamin'i Amosa ny fahantomotry ny loza hanjo ny Isiraely] Izao no nasehon'i Jehovah Tompo tamiko; Indro, nisy harona feno voankazo masaka fahavaratra. |
| 2 |
| Ary hoy Izy: Inona no hitanao, ry Amosa? Dia hoy izaho: Harona feno voankazo masaka fahavaratra. Dia hoy Jehovah tamiko: Tonga amin'ny Isiraely oloko ny farany; Tsy handefitra aminy intsony Aho. [Heb. handalo azy] |
| 3 |
| Ho tonga naonaona ny hira ao an-dapa amin'izany andro izany, hoy Jehovah Tompo; Ho be ny faty, Hatraiza hatraiza no hanariany azy. Mangina re! [Na: tempoly] |
| 4 |
| Mihanoa izao, ianareo izay mihanahana te-hitelina ny malahelo sy hahafongana ny mpandefitra amin'ny tany |
| 5 |
| Ka manao hoe: Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana, hivarotantsika vary, sy ny Sabata, hanokafantsika ny lava-bary, ka hanakelezana ny efaha sy hanalehibiazana ny sekely, ary hanaovana mizana mandainga |
| 6 |
| Mba hovidintsika volafotsy ny mahantra sy kiraro iray lomisy ny malahelo, ary hivarotantsika ny loha-kororoky ny vary? |
| 7 |
| Jehovah nianiana tamin'ny Reharehan'i Jakoba ka nanao hoe: Tsy hisy hobadinoiko mandrakizay ny asany na dia iray akory aza! |
| 8 |
| Tsy hihorohoro noho izany va ny tany, sy hitomany ny mponina rehetra ao aminy? Eny, ny tany rehetra hihatondraka tahaka an'i Neily sy hihena indray toy ny Neilin'i Egypta. |
| 9 |
| Ary amin izany andro izany, hoy Jehovah Tompo, dia halentiko mitataovovonana ny masoandro, ary hohamaiziniko antoandrobenanahary ny tany; |
| 10 |
| Hampodiko ho fitomaniana ny andro firavoravoanareo, ary ho hira fahalahelovana ny hiranareo rehetra, hofeheziko lamba fisaonana ny valahana rehetra, sady hokakasako ny loha rehetra; Ary hataoko ho toy ny fisaonana zanakalahy tokana izany, Ka ny farany dia ho tahaka ny andro mangidy. [Heb. lamba malailay] |
| 11 |
| Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin'ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana handre ny tenin'i Jehovah; [Heb. mosary] |
| 12 |
| Ary hivembena hatrany amin'ny ranomasina ka hatrany amin'ny ranomasina ny olona ary hatrany amin'ny avaratra ka hatrany amin'ny atsinanana, eny, hivezivezy hitady ny tenin'i Jehovah izy, nefa tsy hahita. |
| 13 |
| Amin'izany andro izany dia ho jemby noho ny hetaheta ny virijina tsara tarehy sy ny zatovolahy,Dia ireo izay mianiana amin'ny fahotan'i Samaria, ka manao hoe: velona koa ny andriamanitrao, ry Dana, ary raha velona koa ny fanaon'i Beri-sheba; eny, ho lavo izy ka tsy hiarina intsony. |
| 14 |
| Dia ireo izay mianiana amin'ny fahotan'i Samaria, ka manao hoe: velona koa ny andriamanitrao, ry Dana, ary raha velona koa ny fanaon'i Beri-sheba; eny, ho lavo izy ka tsy hiarina intsony. |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy/amos/008.mp3
9
8