Baiboly Protestanta 2011
|
| 1 |
| Izao no nasehon’NY TOMPO Andriamanitra tamiko: Indro, nisy harona feno voankazo masaka fahavaratra. |
| 2 |
| Hoy Izy: Inona no hitanao, ry Amosa? Dia hoy aho: Harona feno voankazo masaka fahavaratra. Dia hoy NY TOMPO tamiko: Tonga amin’ny Israely oloko ny farany; tsy handefitra aminy intsony Aho. |
| 3 |
| Ho tonga fitarainana ny hira ao amin’ny tempoly amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Ho be ny faty ka eny rehetra eny no hanipazana azy. Mangìna re! |
| 4 |
| Mihainoa izao, ianareo izay miandry izay hitelemana ny mahantra sy ta hanafongana ireo tsy manam-piaro eto amin’ny tany! |
| 5 |
| Hoy ianareo: Rahoviana no ho tapitra ny maizim-pito mba hivarotantsika vary, ary ny Sabata mba hanokafantsika ny fitoeram-bary ka hanakelezana ny efaha sy hanalehibiazana ny sekela ary hanaovana mizana mandainga, |
| 6 |
| ka hividianantsika ny mahantra amin’ny volafotsy, sy ny sahirana amin’ny kapan’olona iray ary hivarotantsika ny akofam-bary? |
| 7 |
| NY TOMPO nianiana tamin’ny reharehan’i Jakoba hoe: Tsy hisy hohadinoiko mandrakizay ny asany na dia iray akory aza! |
| 8 |
| Tsy hihorohoro noho izany va ny tany? Tsy hitomany va ny mponina rehetra ao aminy? Eny, hisondrotra tahaka an’i Neily ny tany rehetra ary hihena indray toy ny Neilin’i Ejipta. |
| 9 |
| Amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO Andriamanitra, dia halentiko mitataovovonana ny masoandro ary hohamaiziniko antoandrobenanahary ny tany. |
| 10 |
| Hampodiko ho fisaonana ny andro firavoravoanareo ary ho hira fahalahelovana ny hiranareo rehetra; hosikinako lamba fisaonana ny olona rehetra sady hokakasako ny loha rehetra; hataoko ho toy ny fisaonana zanakalahy tokana izany ka ny fiafarany dia ho tahaka ny andro mangidy. |
| 11 |
| Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO Andriamanitra, izay handefasako mosary amin’ny tany; tsy mosarin-tsakafo anefa, na hetahetan-drano, fa hetaheta handre ny tenin’NY TOMPO. |
| 12 |
| Hivembena hatrany amin’ny ranomasina iray ka hatrany amin’ny ranomasina iray ny olona, hatrany avaratra ka hatrany atsinanana. Eny, hivezivezy hitady ny tenin’NY TOMPO izy nefa tsy hahita. |
| 13 |
| Amin’izany andro izany dia ho malemy noho ny hetaheta ny tovovavy tsara tarehy sy ny tovolahy, |
| 14 |
| dia ireo izay mianiana amin’ny helok’i Samaria ka miteny hoe: Raha velona koa ny andriamanitrao, ry Dana! Raha velona koa ny fanaon’i Bery-Sheba! Ho lavo anefa izy ireo ka tsy hiarina intsony. |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy2011/amos/008.mp3
9
8