Baiboly Katolika 2003
|
| 1 |
| Naniraka hazandrano lehibe anankiray i Iaveh hitelina an’i Jônasy; ka tao an-kibon’ny hazandrano i Jônasy, hateloana andro sy hateloana alina. |
| 2 |
| Dia nivavaka tamin’i Iaveh Andriamaniny i Jônasy, tao an-kibon’ny hazandrano, |
| 3 |
| ka nanao hoe: «Niantso an’i Iaveh tao anatin’ny fahoriako aho, ary namaly ahy Izy; nitaraina aho tao an-kibon’ny Seoly, ka nihaino ny feoko Ianao. |
| 4 |
| Natsipinao tany amin’ny hantsana aho, dia tany anatin’ny ranomasina, ka ny riaka nanodidina ahy; ny alon-dranonao aman’onjanao rehetra nandeha teo amboniko.» |
| 5 |
| Dia hoy aho hoe: Voaroaka tsy ho eo imasonao aho; nefa mbola hibanjina ny Tempolinao masina. |
| 6 |
| Ny rano nanery ahy hatramin’ny aiko; ny hantsana be nanodidina ahy; ny ahi-dranomasina nangeja ny lohako. |
| 7 |
| Tafalentika hatrany amin’ny fanambanin’ny tendrombohitra aho; ny hidin’ny tany efa voahidy tamiko mandrakizay. Kanjo Ianao kosa, nampiakatra ny aiko avy any an-davaka, ry Iaveh Andriamanitro ô! |
| 8 |
| Raha reraka tao anatiko ny fanahiko, dia nahatsiaro an’i Iaveh aho; ka tonga hatrany aminao ny fivavahako, hatrany an-tempolinao masina. |
| 9 |
| Izay miraiki-po amin’ny zava-poana tsinontsinona dia mandao ilay fototry ny famonjena. |
| 10 |
| Fa izaho kosa, dia amin’ny feo fiderana Anao, no hanolorako sorona Aminao; ary ny voady nataoko hoefaiko. An’i Iaveh ny famonjena! |
| 11 |
| Dia nandidy ilay hazandrano i Iaveh, ka naloan’ny hazandrano teny amin’ny tany i Jônasy. |
| Tehirizo naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy2003/jonah/002.mp3
4
2