Baiboly Protestanta 2011
|
| 1 |
| Ary NY TOMPO nanomana hazandrano lehibe hitelina an’i Jona. Ary i Jona dia tao an-kibon’ilay hazandrano nandritra ny telo andro sy telo alina. |
| 2 |
| Dia nivavaka tamin’NY TOMPO Andriamaniny tao an-kibon’ny hazandrano i Jona. |
| 3 |
| Hoy izy: Niantso NY TOMPO tamin’ny fahoriako aho dia namaly ahy Izy; avy tao anatin’ny fitoeran’ny maty no nitarainako dia nihaino ny feoko Ianao. |
| 4 |
| Fa efa natsipinao tao amin’ny lalina aho, dia tao amin’ny ranomasina, ka voasafotry ny riaka aho; nanarona ahy ny alondranonao sy ny onjanao rehetra. |
| 5 |
| Dia hoy aho: Voaroaka tsy ho eo anatrehanao aho! Nefa mbola nanatrika ny tempolinao masina ihany. |
| 6 |
| Nanarona ahy hatramin’ny aiko ny rano, nanemitra ahy manodidina ny lalina; nisaringotra manodidina ny lohako ny zavamaniry any an-dranomasina. |
| 7 |
| Tafalatsaka tany amin’ny fanambanin’ny tendrombohitra aho; nanidy ahy mandrakizay ny hidin’ny tany; nefa nampiakatra ny aiko avy tao an-davaka Ianao, RY TOMPO Andriamanitro! |
| 8 |
| Raha reraka ny fanahiko tato anatiko dia nahatsiaro NY TOMPO aho. Tonga tao Aminao ny vavaka ataoko, dia tao amin’ny tempolinao masina. |
| 9 |
| Izay mivavaka amin’ny sampy dia mahafoy Izay Mpamindra fo aminy; |
| 10 |
| fa izaho kosa dia feo midera no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao, ary izay nivoadiako dia hefaiko. An’NY TOMPO ny famonjena. |
| 11 |
| Ary NY TOMPO nandidy ilay hazandrano ka naloany ho eny amin’ny tany maina i Jona. |
| Tehirizo naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy2011/jonah/002.mp3
4
2