Baiboly Protestanta 2011
|
| 1 |
| Ary natopiko ny masoko ka hitako fa indreo, tandroka efatra. |
| 2 |
| Ary hoy aho tamin’ilay anjely niresaka tamiko: Inona moa ireo? Dia hoy izy tamiko: Ireo no tandroka izay nampihahaka an’i Joda sy an’i Israely ary an’i Jerosalema. |
| 3 |
| Ary nanehoan’NY TOMPO mpanefy efatra aho. |
| 4 |
| Dia hoy aho: Avy hanao inona moa ireto? Ary Izy niteny hoe: Ireo no tandroka nampihahaka ny Joda ka tsy nisy olona nanandratra ny lohany; fa ireto kosa dia avy hampatahotra azy mba hampiongana ny tandroky ny firenena, dia izay nanandratra ny tandrony tamin’ny tanin’i Joda hanely azy. |
| 5 |
| Dia natopiko ny masoko ka hitako fa indro, lehilahy iray mitondra kofehy fandrefesana eny an-tanany. |
| 6 |
| Dia hoy aho: Ho aiza moa ianao? Ary hoy izy tamiko: Handrefy an’i Jerosalema aho mba hizaha ny sakany sy ny lavany. |
| 7 |
| Ary indro, nandroso ilay anjely niresaka tamiko, ary nisy anjely iray hafa nandroso hitsena azy |
| 8 |
| ka niteny taminy hoe: Mihazakazaha ka milazà amin’io zatovo io hoe: Hijanona ho tanàna tsy mimanda i Jerosalema noho ny hamaroan’ny olona sy ny biby fiompy ao aminy. |
| 9 |
| Fa Izaho no ho manda afo manodidina azy, hoy NY TOMPO, ary ho voninahitra ao afovoany. |
| 10 |
| E! E! Mandosira avy any amin’ny tany avaratra, hoy NY TOMPO; ianareo izay naeliko tany amin’ny rivotra efatry ny lanitra, hoy NY TOMPO. |
| 11 |
| E! Vonjeo ny tenanao, ry Ziona, izay monina any Babilona zanakavavy! |
| 12 |
| Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, izay naniraka ahy hampiseho voninahitra tany amin’ireo firenena izay namabo anareo: Izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasoko. |
| 13 |
| Fa indro, hatsotrako eo ambonin’ireo firenena ny tanako ka ho tonga babon’ireo nanompo azy izy; dia ho fantatrareo fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no naniraka ahy. |
| 14 |
| Mihobia sy mifalia, ry Ziona zanakavavy! Fa indro, avy Aho ka honina ao afovoanao, hoy NY TOMPO. |
| 15 |
| Firenena maro no hanaiky ho an’NY TOMPO amin’izany andro izany. Ho oloko izy, ary hitoetra ao afovoanao Aho; dia ho fantatrao fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no naniraka ahy ho aminao. |
| 16 |
| Ary NY TOMPO hanana an’i Joda ho anjarany ao amin’ny tany masina ary mbola hifidy an’i Jerosalema indray. |
| 17 |
| Mangìna eo anatrehan’NY TOMPO, ry nofo rehetra! Fa mifoha avy ao amin’ny fitoerany masina Izy. |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy2011/zechariah/002.mp3
14
2