Baiboly Protestanta Malagasy
|
| 1 |
| [Ny nanomezan'i Miriama sy Arona tsiny an'i Mosesy, sy ny nataon'Andriamanitra tamin'izany] Ary Miriama sy Arona niteny nanome tsiny an'i Mosesy noho ny vehivavy Kosita izay efa nampakariny; fa efa nampakatra vehivavy Kosita izy. |
| 2 |
| Dia hoy izy mianadahy: Moa Mosesy ihany va no efa nitenenan'i Jehovah? tsy izahay koa va no nitenenany? Dia ren'i Jehovah izany. |
| 3 |
| Ary Mosesy dia lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin'ny tany. |
| 4 |
| Ary Jehovah dia niteny tampoka tamin'i Mosesy sy Arona ary Miriama hoe: Mivoaha ianareo telo mianadahy ho any amin'ny trano-lay fihaonana. Dia nivoaka izy telo mianadahy. |
| 5 |
| Ary andri-rahona no nidinan'i Jehovah, ka nitsangana teo am-baravaran'ny trano-lay Izy; dia niantso an'i Arona sy Miriama Izy, ka nivoaka izy mianadahy. |
| 6 |
| Dia hoy Izy: Mba mihainoa ny teniko: Raha misy mpaminanin'i Jehovah eo aminareo, dia amin'ny fahitana no hisehoako aminy, ary amin'ny nofy no hitenenako aminy. |
| 7 |
| Fa tsy toy izany kosa Mosesy mpanompoko, izay mahatoky amin'ny tranoko rehetra. |
| 8 |
| Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin'ny fahitana, fa tsy amin'ny teny saro-pantarina, ary mijery ny endrik'i Jehovah izy; ka nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an'i Mosesy mpanompoko? |
| 9 |
| Dia nirehitra ny fahatezeran'i Jehovah tamin'izy mianadahy, ka niala Izy. |
| 10 |
| Ary ny rahona niala tamin'ny trano-lay; ary, indro, boka Miriama ka fotsy tahaka ny oram-panala; ary Arona dia nijery an'i Miriama, ka indro fa boka izy. |
| 11 |
| Ary hoy Arona tamin'i Mosesy: Indrisy, tompoko, masìna ianao, aza atao ho helokay ny nanaovanay adaladala sy ny nanotanay. |
| 12 |
| Aza dia avela ho toy ny maty izy, izay lany ny antsasaky ny nofony, raha vao teraka izy. |
| 13 |
| Ary Mosesy dia nitaraina tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mifona aminao aho, mba sitrano re izy! |
| 14 |
| Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Raha nandrora tamin'ny tavany rainy, moa tsy ho menatra hafitoana va izy? koa atokàny any ivelan'ny toby hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, dia ampidiro indray. |
| 15 |
| Dia natokana tany ivelan'ny toby hafitoana Miriama; ary ny olona tsy niainga, raha tsy efa nampidirina Miriama.Ary rehefa afaka izany, dia niainga niala tany Hazerota ny olona ka nitoby tany an-efitra Parana. |
| 16 |
| Ary rehefa afaka izany, dia niainga niala tany Hazerota ny olona ka nitoby tany an-efitra Parana. |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy/numbers/012.mp3
36
12