Baiboly Protestanta 2011
|
| 1 |
| Ary i Miriama sy i Arona dia niteny nanome tsiny an’i Mosesy noho ny vehivavy kosita izay nampakariny; fa efa nampakatra vehivavy kosita izy. |
| 2 |
| Hoy izy mianadahy: Moa i Mosesy ihany va no nitenenan’NY TOMPO fa tsy izahay koa mba nitenenany? Dia ren’NY TOMPO izany. |
| 3 |
| I Mosesy anefa dia lehilahy malemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra etỳ ambonin’ny tany. |
| 4 |
| Ary NY TOMPO niteny tampoka tamin’i Mosesy sy i Arona ary i Miriama hoe: Mivoaha ho any amin’ny tranolay fihaonana ianareo telo mianadahy. Dia nivoaka ny toby izy telo mianadahy. |
| 5 |
| Ary nidina tamin’ny andry rahona NY TOMPO ka nijoro teo am-baravaran’ny tranolay; dia niantso an’i Arona sy i Miriama Izy ka nivoaka ny toby izy mianadahy. |
| 6 |
| Dia hoy Izy: Mba henoy ny teniko! Raha misy mpaminanin’NY TOMPO eo aminareo dia amin’ny fahitana no ampahafantarako ny tenako aminy, ary amin’ny nofy no itenenako aminy. |
| 7 |
| Fa tsy toy izany kosa i Mosesy mpanompoko izay mahatoky amin’ny tranoko manontolo. |
| 8 |
| Mifanatrika no itenenako aminy, amin’ny teny mazava fa tsy amin’ny ankamantatra ary mandinika ny endriky NY TOMPO mihitsy izy. Koa nahoana ianareo no tsy matahotra hanome tsiny an’i Mosesy mpanompoko? |
| 9 |
| Dia nirehitra tamin’izy mianadahy ny fahatezeran’NY TOMPO ary lasa Izy. |
| 10 |
| Ary ny rahona dia niala tamin’ny tranolay; ary indro, tonga boka i Miriama ka fotsy tahaka ny orampanala. Ary nijery an’i Miriama i Arona ka indro fa lasa boka ny anabaviny. |
| 11 |
| Ary hoy i Arona tamin’i Mosesy: Indrisy, tompoko, mifona aminao re, aza atao ho helokay ny nanaovanay hadalana sy ny nanotanay. |
| 12 |
| Aza dia avela ho toy ny zaza maty vao teraka izy ka lany sahady ny antsasaky ny nofony. |
| 13 |
| Dia nitaraina tamin’NY TOMPO i Mosesy hoe: Andriamanitra ô, mifona aminao aho mba sitrano re izy! |
| 14 |
| Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Raha nandrora tamin’ny tavany ny rainy, moa tsy ho afa-baraka hafitoana va izy? Koa atokana any ivelan’ny toby mandritra ny hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, izay vao hiverina indray izy. |
| 15 |
| Dia natokana tany ivelan’ny toby hafitoana i Miriama; ary tsy niainga ny olona raha tsy efa tafaverina i Miriama. |
| 16 |
| Rehefa afaka izany vao niainga niala tany Hazerota ny olona ka nitoby tany an-tany efitra Parana. |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy2011/numbers/012.mp3
36
12