Baiboly Protestanta Malagasy
|
| 1 |
| [Ny niodinan'i Kora sy ny namany, sy ny nanamarinan'i Jehovah ny fisoronan'i Arona] Ary Kora, zanak'i Jizara, zanak'i Kehata, zanak'i Levy, ary Datana sy Abìrama, zanak'i Eliaba, sy Ona, zanak'i Peleta, izay samy taranak'i Robena, dia nandrendri-bahoaka, |
| 2 |
| ka nitsangana teo anatrehan'i Mosesy izy ireo sy ny Zanak'Isiraely dimam-polo amby roan-jato, izay samy lohan'ny fiangonana avokoa, dia olona voafidin'ny fiangonana sady nanan-daza; |
| 3 |
| koa niangona hiodina amin'i Mosesy sy Arona ireo ka nanao taminy hoe: Aoka izay ianareo! fa masina avokoa ny fiangonana rehetra, sady Jehovah no eo aminy; koa nahoana no dia manandra-tena ho ambonin'ny fiangonan'i Jehovah ianareo? |
| 4 |
| Ary raha nandre izany Mosesy, dia niankohoka izy |
| 5 |
| ka niteny tamin'i Kora sy ny namany rehetra nanao hoe: Rahampitso dia hasehon'i Jehovah izay Azy sy izay masina ka hampanakekeny Azy; dia izay fidiny no hampanakekeny Azy. |
| 6 |
| Izao no ataovy, ry Kora sy ianareo namany rehetra: Makà fitondran'afo ho anareo rahampitso. |
| 7 |
| dia asio afo eo anatiny ka asio ditin-kazo manitra eo aminy eo anatrehan'i Jehovah; ary ny lehilahy izay fidin'i Jehovah, dia izy no ho masina; fa aoka izay ianareo, ry taranak'i Levy! |
| 8 |
| Dia hoy koa Mosesy tamin'i Kora: Henoy, ry taranak'i Levy: |
| 9 |
| Moa ataonareo ho zavatra kely va ny nampisarahan'Andriamanitry ny Isiraely anareo tamin'ny fiangonan'ny Isiraely hitondrany anareo ho akaiky Azy, hanaovanareo ny fanompoam-pivavahana momba ny tabernakelin'i Jehovah sy hitoeranareo eo anatrehan'ny fiangonana hanompo azy? |
| 10 |
| Dia napanakekeny Azy ianao sy ny rahalahinao taranak'i Levy rehetra miaraka aminao, ary mitady ho mpisorona koa va ianareo? |
| 11 |
| Ary noho izany ianao sy ny namanao rehetra dia tafangona hiodina amin'i Jehovah; fa Arona moa no inona, no imonomononanareo? |
| 12 |
| Ary Mosesy naniraka nampaka an'i Datana sy Abìrama, zanak'i Eliaba; fa hoy izy roa lahy: Tsy hiakatra izahay. |
| 13 |
| Moa zavatra kely va ny nitondranao anay niakatra niala tany amin'izay tany tondra-dronono sy tantely hahafaty anay atỳ an-efitra, no dia manao anao ho lehibenay koa ianao? |
| 14 |
| Ary koa, ianao tsy nitondra anay ho any amin'izay tany tondra-dronono sy tantely tsinona, na nanome anay saha sy tanim-boaloboka ho fanananay; hopotsirinao va ny mason'ireto lehilahy ireto? Tsy hiakatra izahay. |
| 15 |
| Dia tezitra indrindra Mosesy ka nanao tamin'i Jehovah hoe: Aza mijery ny fanatiny akory Hianao; tsy naka na dia boriky iray akory aza taminy aho, ary tsy nanisy ratsy na dia tamin'ny anankiray aminy akory aza. |
| 16 |
| Dia hoy Mosesy tamin'i Kora: Aoka ianao sy ny namanao rehetra ho tonga eo anatrehan'i Jehovah rahampitso, dia ianao sy ireo ary Arona. |
| 17 |
| Ary samia maka ny fitondrana fony avy ianareo rehetra, ka asio ditin-kazo manitra eo anatiny, ary samia mitondra ny fitondran'afony avy ianareo rehetra ho eo anatrehan'i Jehovah, dia fitondran'afo dimam-polo amby roan-jato; dia ianao sy Arona samy hitondra ny fitondran'afony avy. |
| 18 |
| Ary samy naka ny fitondran'afony avy izy rehetra ka nanisy afo teo anatiny, dia nanisy ditin-kazo manitra teo anatiny; ary nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy mbamin'i Mosesy sy Arona. |
| 19 |
| Ary Kora nanangona ny namany rehetra ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana hanohitra azy roa lahy; dia niseho tamin'ny fiangonana rehetra ny voninahitr'i Jehovah. |
| 20 |
| Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: |
| 21 |
| Mihataha amin'ity fiangonana ity ianareo handringanako azy amin'ny indray mipi-maso monja. |
| 22 |
| Dia niankohoka izy roa lahy ka nanao hoe: Andriamanitra ô, Andriamanitry ny fanahin'ny nofo rehetra, olona iray no nanota, ka ho tezitra amin'ny fiangonana rehetra va Hianao? |
| 23 |
| Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: |
| 24 |
| Mitenena amin'ny fiangonana, ka lazao hoe: Mihataha tsy hanodidina ny lain'i Kora sy Datana ary Abìrama. |
| 25 |
| Dia nitsangana Mosesy ka nankeo amin'i Datana sy Abìrama; ary nanaraka azy ny loholon'ny Isiraely. |
| 26 |
| Dia niteny tamin'ny fiangonana izy ka nanao hoe: Mialà amin'ny lain'ireo olon-dratsy ireo, ka aza mikasika izay azy akory, fandrao haringana koa ianareo noho ny fahotany rehetra. |
| 27 |
| Dia nihataka ny olona mba tsy ho eo akaikin'ny lain'i Kora sy Datana ary Abìrama; ary Datana sy Abìrama nivoaka ka nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny lainy mbamin'ny vadiny sy ny zananilahy ary ny zanany madinika. |
| 28 |
| Dia hoy Mosesy: Izao no hahafantaranareo fa Jehovah no naniraka ahy hanao ireny asa rehetra ireny, fa tsy avy tamin'ny saiko izany: |
| 29 |
| Raha maty toy ny fahafatin'ny olona rehetra ireo olona ireo, na valiana araka ny famaliana ny olona rehetra izy, dia tsy Jehovah no naniraka ahy. |
| 30 |
| Fa raha hanao zavatra vaovao kosa Jehovah, ka hisokatra ny tany ary hitelina azy mbamin'izay azy rehetra, ka ho latsaka velona any amin'ny fiainan-tsi-hita'izy, dia ho fantatrareo fa efa nandà an'i Jehovah ireo lehilahy ireo. |
| 31 |
| Ary rehefa tapitra voalazany izany teny rehetra izany, dia nivava ny tany izay teo ambaniny; |
| 32 |
| eny, nisokatra ny tany ka nitelina azy sy ny ankohonany mbamin'ny olona rehetra izay an'i Kora ary ny fananany rehetra. |
| 33 |
| Dia latsaka velona ho any amin'ny fiainan-tsi-hita izy mbamin'izay azy rehetra; ary ny tany dia nikatona taminy, ka fongotra tsy ho amin'ny fiangonana intsony izy. |
| 34 |
| Ary ny Isiraely rehetra izay nanodidina azy dia nandositra noho ny fidradradradrany; fa hoy izy: Andrao hitelina antsika koa ny tany.Ary nisy afo nivoaka avy tamin'i Jehovah ka nandevona ny lehilahy dimam-polo amby roan-jato izay nanatitra ditin-kazo manitra. |
| 35 |
| Ary nisy afo nivoaka avy tamin'i Jehovah ka nandevona ny lehilahy dimam-polo amby roan-jato izay nanatitra ditin-kazo manitra. |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy/numbers/016.mp3
36
16