Baiboly Katolika 2003
|
| 1 |
| Hoy i Balaama tamin’i Balàka: «Anangano ôtely fito eto aho, ary manomàna vantotr’ombalahy fito sy ondralahy fito eo koa.» |
| 2 |
| Nataon’i Balàka izay nolazain’i Balaama, ary samy nanateran’i Balàka sy i Balaama vantotr’ombalahy iray sy ondralahy iray avy teo ambonin’ny ôtely. |
| 3 |
| Hoy i Balaama tamin’i Balàka: «Mitoera ianao eo anilan’ny sorona dorana, fa izaho kosa hihataka; angamba ho avy hihaona amiko i Iaveh, ary na inona na inona hasehony amiko, dia holazaiko anao.» Dia lasa izy nankany amin’ny havoana anankiray mangadihady. |
| 4 |
| Tonga nihaona tamin’i Balaama tokoa Andriamanitra, ka hoy i Balaama taminy: «Efa nanangana ny ôtely fito aho, ary efa nanatitra vantotr’ombalahy iray sy ondralahy iray avy isan’ôtely.» |
| 5 |
| Dia nanisy teny tao am-bavan’i Balaama i Iaveh sy nanao taminy hoe: «Miverena any amin’i Balàka, ka izao sy izao lazaina aminy.» |
| 6 |
| Niverina nankany aminy izy, ka inty i Balàka sy ireo andriandahin’i Moaba nitoetra teo anilan’ny sorona dorany; |
| 7 |
| ka nilaza ny lahateniny i Balaama nanao hoe: «I Balàka nampaka ahy avy tany Arama; Ny mpanjakan’i Moaba nampaka ahy, avy tany an-tendrombohitry ny Atsinanana; Avia, ozòny i Jakôba! Avia, tezera amin’i Israely! |
| 8 |
| Hataoko ahoana no fanozona raha tsy manozona Andriamanitra? Hataoko ahoana no fitezitra raha tsy mitezitra i Iaveh? |
| 9 |
| Fa eto an-tampon’ny vatolampy aho mahita azy, Ary eto ambony havoana aho mahatazana azy; Ka firenena manana fitoerana manokana izy, Fa tsy mba hampidirina amin’ny fanisana ny firenena. |
| 10 |
| Iza no mahisa ny vovok’i Jakôba, Na mahisa ny ampahefatr’i Israely? Enga anie ka ho toy ny fahafatin’ny olo-marina ny fahafatiko, Ary hanahaka ny fiafaràny ny fiafaràko!» |
| 11 |
| Dia hoy i Balàka tamin’i Balaama: «Fa inona ity nataonao tamiko, ny hanozona ny fahavaloko no nangalako anao, kanjo vao mainka mitso-drano ihany no ataonao?» |
| 12 |
| Fa hoy ny navaliny nanao hoe: «Moa tsy tokony hotandremako va ny hilaza izay ataon’i Iaveh ato am-bavako?» |
| 13 |
| Dia hoy i Balàka taminy: «Andeha hiaraka amiko ianao ho any amin’ny toeran-kafa, izay hahitanao azy nefa ny sisiny ihany no ho hitanao, fa tsy ho izy manontolo, ary any dia ozòny izy.» |
| 14 |
| Dia nentiny nankany an-tsahan’ny Tily, an-tampon’i Fasgà izy, ka nony efa nanangana ôtely fito, dia nanatitra vantotr’ombalahy iray sy ondralahy iray avy isan’ôtely izy. |
| 15 |
| Ary hoy i Balaama tamin’i Balàka: «Mitoera ianao eto anilan’ny sorona doranao; fa izaho handeha arỳ hihaona amin’i Iaveh.» |
| 16 |
| Dia tonga nihaona tamin’i Balaama i Iaveh ka nanisy teny tao am-bavany, ary nilaza hoe: «Miverena any amin’i Balàka, ka izao sy izao no holazainao.» |
| 17 |
| Niverina tany amin’i Balàka izy, ary indro nitoetra teo anilan’ny sorona dorany izy mbamin’ny andriandahin’i Moaba. Dia hoy i Balàka taminy: «Inona no lazain’i Iaveh?» |
| 18 |
| Ary i Balaama nilaza ny lahateniny ka nanao hoe: «Mitsangàna, ry Balàka, ka mihainoa, Mampandria sofina, ry zanak’i Sefôra: |
| 19 |
| Tsy olombelona Andriamanitra ka handainga, Na zanak’olombelona ka hanenina. Moa mba milaza fotsiny va izy fa tsy manatanteraka, Na miteny ihany fa tsy manefa? |
| 20 |
| Indro efa nahazo teny hitso-drano aho; Izy efa nitso-drano, ka tsy hanova izany aho. |
| 21 |
| Tsy mahita faharatsiana amin’i Jakôba Izy, tsy mahita tsy fahamarinana amin’i Israely. I Iaveh Andriamaniny no momba azy; Fihobiana mpanjaka no manakoako ao aminy; |
| 22 |
| Andriamanitra no namoaka azy avy tany Ejipta, Ary manan-kery toy ny ombimanga izy. |
| 23 |
| Noho ny tsy fisian’ny fanandroana eo amin’i Jakôba, Sy ny tsy fisian’ny sikidy eo amin’i Israely, Dia holazaina amin’i Jakôba sy i Israely amin’ny fotoana mety Izay tian’Andriamanitra hotanterahina. |
| 24 |
| Indro firenena miarina toy ny liom-bavy, Sy mitsangana mova tsy ny liona! Tsy mandry izy raha tsy efa nihinana ny hazany, Sy efa nisotro ny ran’ny voaratra.» |
| 25 |
| Dia hoy i Balàka tamin’i Balaama: «Aza manozona azy, ary aza mitso-drano azy.» |
| 26 |
| Fa hoy ny navalin’i Balaama an’i Balàka nanao hoe: «Moa tsy efa niteny taminao va aho nanao hoe: izay lazain’i Iaveh, hataoko avokoa?» |
| 27 |
| Hoy i Balàka tamin’i Balaama: «Andeha àry ianao hoentiko any amin’ny toeran-kafa, fa angamba ho sitrak’Andriamanitra ny hanozonanao azy any.» |
| 28 |
| Dia nentin’i Balàka i Balaama ho any an-tampon’i Fogôra izay manerinerina amin’ny efitra. |
| 29 |
| Ary hoy i Balaama tamin’i Balàka: «Anangano ôtely fito eto aho, ary manomàna eto ombalahy fito sy ondralahy fito koa.» |
| 30 |
| Nataon’i Balàka izay nolazain’i Balaama; ary nanatitra ombalahy sy ondralahy iray avy isan’ôtely izy. |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy2003/numbers/023.mp3
36
23