Baiboly Katolika 2003
|
| 1 |
| Hitan’i Balaama fa ny hitso-drano an’i Israely no sitrak’i Iaveh ka tsy nandeha hizaha famantarana avy amin’ny fanandroana toy ny teo intsony izy, fa natodiny ny tavany hanatrika ny efitra. |
| 2 |
| Ary nony natopiny ny masony, dia nahita an’i Israely nitoby isam-pokony izy, ary notsindrian’ny Fanahin’Andriamanitra izy, |
| 3 |
| ka nilaza ny lahateniny nanao hoe: «Faminanian’i Balaama zanak’i Beôra; Faminanian’ny lehilahy voakimpy ny masony; |
| 4 |
| Faminanian’ilay mandre ny tenin’Andriamanitra, Izay mibanjina ny fahitana avy amin’ny Tsitoha, Izay lavo ka misokatra ny masony: |
| 5 |
| Endrey ity hatsaran’ny lainao, ry Jakôba! Ary izato fonenanao, ry Israely! |
| 6 |
| Midadasika toa lohasaha, Tahaka ny zaridaina amoron’ny ony, Tahaka ny aloesy nambolen’i Iaveh, Tahaka ny sedera amoron-drano! |
| 7 |
| Mitobaka ny rano amin’ny sisiny roa, Ny taranany mitombo eo amoron’ny rano be dia be; Ny mpanjakany misandratra ambonin’i Agaga, Ary ny fanjakany mandroso voninahitra. |
| 8 |
| Nentin’Andriamanitra nivoaka avy tany Ejipta izy, Ary nomeny azy ny herin’ny ombimanga. Mandevona ny firenena miady aminy izy, Manapaka ny taolany Sy mandripaka azy amin’ny zana-tsipìkany. |
| 9 |
| Manongalika izy ary mandry toy ny liona, Toy ny liom-bavy, ka zovy no hampifoha azy? Hohasoavina anie izay hitso-drano anao! Ho voaozona anie izay hanozona anao!» |
| 10 |
| Dia nirehitra tamin’i Balaama ny fahatezeran’i Balàka, ka niteha-tanana izy; ary hoy i Balàka tamin’i Balaama hoe: «Ny hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo ny mitso-drano azy ihany kosa no nataonao efa intelo izao. |
| 11 |
| Koa ankehitriny mandosira any aminao. Efa nilaza hanome voninahitra anao be dia be aho, fa indro kosa ampanalavirin’i Iaveh anao ny voninahitra.» |
| 12 |
| Hoy ny navalin’i Balaama an’i Balàka: «Tsy efa voalazako tamin’ny iraka nalefanao tany amiko va, fa hoe: |
| 13 |
| Na dia homen’i Balàka volafotsy sy volamena eran’ny tranony aza aho, dia tsy hahazo mandika ny tenin’i Iaveh, ka hanao na inona na inona, na soa na ratsy amin’ny nahim-poko, fa izay holazain’i Iaveh ihany no holazaiko. |
| 14 |
| Ary indro handeha ho any amin’ny fireneko aho izao; koa etsy ianao, hilazako rahateo izay hataon’ity vahoaka ity amin’ny vahoakanao, any aoriana any.» |
| 15 |
| Dia nilaza ny lahateniny i Balaama ka nanao hoe: «Faminanian’i Balaama zanak’i Beôra, Faminanian’ny lehilahy voakimpy ny masony, |
| 16 |
| Faminanian’ilay mandre ny tenin’Andriamanitra, Izay mahalala ny fahaizan’ny Avo indrindra, Izay mibanjina ny fahitan’ny Tsitoha, Izay lavo ka misokatra ny masony: |
| 17 |
| Hitako izy, fa tsy toy ny ankehitriny, Tazako izy fa tsy mba akaiky. Misy kintana iray miposaka avy amin’i Jakôba, Tehim-panjakana iray mitsangana avy amin’i Israely. Mandrava an’i Moaba eo an-daniny roa izy, Ary mandringana ny zanaky ny fitabatabana rehetra. |
| 18 |
| I Edôma dia lasan-ko fananany: Fa i Israely manampatra ny herim-pony. |
| 19 |
| Misy mpifehy avy amin’i Jakôba, Ka haringany eny an-tanàna ny sisa tavela.» |
| 20 |
| Dia nahita an’i Amaleka i Balaama ka nilaza ny lahateniny nanao hoe: «I Amaleka no voalohany amin’ny firenena, Fa ho lany ringana no hiafarany.» |
| 21 |
| Nahita ny Kineanina i Balaama, ka nilaza ny lahateniny nanao hoe: «Mafy orina ny fonenanao, Voapetraka ambonin’ny vatolampy ny akaninao; |
| 22 |
| Nefa handroso hihalevona ny Kineanina; Ambara-pahoviana? Hoentin’i Asora babo izy.» |
| 23 |
| Dia nilaza ny lahateniny i Balaama nanao hoe: «Indrisy! zovy no ho velona rehefa hanao izany Andriamanitra? Misy sambo avy any Sitima, |
| 24 |
| Mampahory an’i Asora, mampahory an’i Hebera, Fa efa raikitra fa ho ringana koa izy.» |
| 25 |
| Dia niainga i Balaama ary nandeha ka niverina ho any aminy. Ary i Balàka koa dia mba lasa nandeha. |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy2003/numbers/024.mp3
36
24