Baiboly Protestanta 2011
|
| 1 |
| Dia nolazain’i Mosesy tamin’ny Zanak’Israely izany, araka izay rehetra efa nandidian’NY TOMPO azy. |
| 2 |
| Ary niteny tamin’ireo lohan’ny fokon’ny Zanak’Israely i Mosesy hoe: Izao no teny izay nandidian’NY TOMPO: |
| 3 |
| Raha misy lehilahy mifehy tena amin’ny voady amin’NY TOMPO dia tsy hamadika ny teny nataony izy fa araka izay rehetra naloaky ny vavany no hataony. |
| 4 |
| Raha misy indray vehivavy mifehy tena amin’ny voady amin’NY TOMPO, raha mbola zaza ao an-tranon’ny rainy izy |
| 5 |
| ka ren’ilay rainy ny voadiny sy ny namehezany tena hifady, nefa tsy niteny azy rainy, dia manan-kery ny voadiny sy izay fatotra namehezany tena, na inona na inona izany. |
| 6 |
| Fa raha nandrara azy ny rainy tamin’ny andro nandrenesany dia tsy manan-kery ny voadiny na izay namehezany tena; ary NY TOMPO hamela ny helony satria nandrara azy ny rainy. |
| 7 |
| Raha manambady izy ka misy voady efa nataony na misy teniteny foana nataon’ny molony ka namehezany ny tenany, |
| 8 |
| raha nandre izany ny lahy, nefa tsy niteny azy tamin’ny andro nandrenesany, dia manan-kery ny voadiny sy izay namehezany ny tenany. |
| 9 |
| Fa raha nandrara azy ny vadiny tamin’ny andro nandrenesany azy niteny dia hofoanan-dRalehilahy ny voady izay noteneniny sy izay teniteny foana naloaky ny vavany ka namehezany tena; ary NY TOMPO hamela ny helony. |
| 10 |
| Fa ny amin’ny voadin’ny vehivavy maty vady na ny efa nisaorana kosa dia manan-kery izay rehetra namehezany tena. |
| 11 |
| Raha misy vehivavy manambady kosa ka mivoady na mianiana mamehy tena tamin’ny voady |
| 12 |
| ka mandre ny vadiny, nefa tsy miteny azy na mandrara azy, dia manan-kery ny voadiny na izay rehetra namehezany tena. |
| 13 |
| Fa raha manafoana izany kosa ny vadiny amin’ny andro andrenesany azy miteny dia tsy manan-kery izay rehetra naloaky ny vavany ho voadiny na ho famehezany tena; ny vadiny no manafoana izany ary NY TOMPO hamela ny helony. |
| 14 |
| Ny voady rehetra sy ny fianianana rehetra amehezany tena hampahory ny tenany dia ny lahy ihany no hampanan-kery azy na hanafoana azy. |
| 15 |
| Fa raha tsy miteny azy hatramin’ny ampitson’iny ny lahy dia mampanan-kery ny voadin-dRavehivavy rehetra izy na izay rehetra namehezany tena; mampanan-kery ireny izy satria tsy niteny azy tamin’ny andro nandrenesany azy nivoady. |
| 16 |
| Fa raha manao izay hahafoana izany izy aorianan’ny nandrenesany azy dia izy no hitondra ny heloky ny vavy. |
| 17 |
| Ireo no fitsipika nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ny amin’ny lehilahy sy ny vadiny ary ny amin’ny ray sy ny zanany vavy, raha mbola zaza ao an-tranon’ny rainy Razazavavy. |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy2011/numbers/030.mp3
36
30