Baiboly Protestanta Malagasy
|
| 1 |
| [Ny tafika namaliana ny Midianita] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: |
| 2 |
| Valio ny Midianita noho ny nataony tamin'ny Zanak'Isiraely; ary rehefa afaka izany, dia hangonina any amin'ny razanao ianao. |
| 3 |
| Dia niteny tamin'ny olona Mosesy ka nanao hoe: Miomàna ho any an-tafika ny sasany aminareo, ary aoka izy hanafika ny Midianita, hahatanteraka ny famalian'i Jehovah azy. |
| 4 |
| Arivo lahy avy isam-pirenena amin'ny firenen'Isiraely no hampandehaninareo ho any an-tafika. |
| 5 |
| Dia navahana tamin'ny firenen'Isiraely ny arivo isam-pirenena, dia roa arivo amby iray alina, samy voaomana hiady. |
| 6 |
| Ary nampandehanin'i Mosesy ho any an-tafika ireo arivo lahy isam-pirenena ireo sy Finehasa, zanak'i Eleazara mpisorona, izay nitondra ny fanaka masina teny an-tànany, dia ny trompetra avo feo. |
| 7 |
| Dia niady tamin'ny Midianita ireo, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy; ary namono ny lehilahy rehetra izy |
| 8 |
| ary ny mpanjakan'i Midiana dimy lahy dia matiny niaraka tamin'ireny koa, dia Evy sy Rekema sy Zora sy Hora ary Reba; ary Balama, zanak'i Beora, koa dia novonoiny tamin'ny sabatra. |
| 9 |
| Ary ny Zanak'Isiraely namabo ny vehivavy Midianita sy ny zanany madinika; ary nobaboiny avokoa ny biby fiompiny rehetra sy ny omby aman'ondriny rehetra ary ny fananany rehetra. |
| 10 |
| Ary ny tanànany rehetra izay teo amin'ny fonenany sy ny tobiny rehetra dia nodorany tamin'ny afo. |
| 11 |
| Ary nalainy avokoa ny babo rehetra, na olona na biby fiompy, |
| 12 |
| dia nentiny tany amin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely teo an-toby, teo Arbota-moaba, izay eo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko. |
| 13 |
| Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan'ny fiangonana rehetra nivoaka hitsena azy teo ivelan'ny toby. |
| 14 |
| Ary tezitra tamin'ny mpifehy ny miaramila Mosesy, dia tamin'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, izay avy tany an-tafika, |
| 15 |
| ka hoy izy taminy: Nahoana no novelominareo ny vehivavy rehetra? |
| 16 |
| Ireo ihany no nampahadiso ny Zanak'Isiraely tamin'i Jehovah ny amin'i Peora, araka ny tenin'i Balama, ka nahazo ny fiangonan'i Jehovah ny areti-mandringana. |
| 17 |
| Koa ankehitriny, vonoy ny zazalahy madinika rehetra, ary vonoy koa ny vehivavy rehetra izay efa nahalala lahy. |
| 18 |
| Fa ny zazavavy rehetra izay tsy mbola nahalala lahy dia velomy ho anareo. |
| 19 |
| Ary mitobia eo ivelan'ny toby hafitoana; ary izay nahafaty olona na nikasika faty dia samia manadio ny tenany, na ianareo, na ny sambotrareo amin'ny andro fahatelo sy ny andro fahafito. |
| 20 |
| Ary ny fitafiana rehetra, na ny fanaka hoditra, na ny fanaka volon'osy, na ny fanaka hazo, dia diovy avokoa. |
| 21 |
| Ary hoy Eleazara mpisorona tamin'ny mpanafika, izay efa tany amin'ny ady: Izao no lalàna hotandremana, izay nandidian'i Jehovah'an i Mosesy: |
| 22 |
| Ny volamena sy ny volafotsy sy ny varahina sy ny vy sy ny vifotsy ary ny firaka, |
| 23 |
| dia ny zavatra rehetra izay maharitra afo, dia ataovy ao amin'ny afo, dia hadio, kanefa hodiovina amin'ny rano fanadiovana koa izy; ary izay rehetra tsy maharitra afo kosa dia ataovy ao amin'ny rano ihany. |
| 24 |
| Ary sasao ny fitafianareo amin'ny andro fahafito, dia hadio ianareo; ary rehefa afaka izany, dia mahazo miditra eo amin'ny toby ianareo. |
| 25 |
| Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: |
| 26 |
| Alaonao sy Eleazara mpisorona sy ny lohan'ny fianakaviana amin'ny fiangonana ny isan'ny babo izay azo, na olona, na biby fiompy; |
| 27 |
| ary sasaho ny babo ho an'izay niady, dia izay efa tany an-tafika, sy ho an'ny fiangonana rehetra; |
| 28 |
| kanefa makà anjara ho an'i Jehovah avy amin'ny mpanafika izay nivoaka ho any an-tafika, dia iray isan-diman-jato, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman'osy; |
| 29 |
| ny antsasany izay azy no hanalanao izany ka homenao an'i Eleazara mpisorona ho fanatitra alaina ho an'i Jehovah. |
| 30 |
| Ary ny antsasany an'ny Zanak'Isiraely kosa dia analao iray isan-dimam-polo, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman'osy, dia ny biby fiompy rehetra, ka omeo ho an'ny Levita, izay mitandrina ny anjara-raharaha momba ny tabernakelin'i Jehovah. |
| 31 |
| Dia nataon'i Mosesy sy Eleazara mpisorona izany, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. |
| 32 |
| Ary ny babo sisa afa-tsy izay azon'ny mpanafika, dia ondry aman'osy dimy arivo amby fito alina sy enina hetsy, |
| 33 |
| sy omby roa arivo amby fito alina, |
| 34 |
| sy boriky arivo amby enina alina, |
| 35 |
| ary olona, dia ny zazavavy izay tsy mbola nahalala lahy, roa arivo amby telo alina. |
| 36 |
| Ary ny antsasany izay anjaran'ny efa tany an-tafika dia izao: ny isan'ny ondry aman'osy dia diman-jato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy; |
| 37 |
| ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ny ondry aman'osy dia dimy amby fito-polo sy enin-jato. |
| 38 |
| Ary ny omby dia enina arivo amby telo alina; ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ireo dia roa amby fito-polo. |
| 39 |
| Ary ny boriky dia diman-jato amby telo alina; ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ireo dia iraika amby enim-polo. |
| 40 |
| Ary ny zazavavy dia enina arivo amby iray alina; ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ireo dia roa amby telo-polo. |
| 41 |
| Dia nomen'i Mosesy an'i Eleazara mpisorona ny anjara izay nalaina ho an'i Jehovah, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. |
| 42 |
| Ary avy tamin'ny antsasany an'ny Zanak'Isiraely, izay nozarain'i Mosesy avy tamin'ny mpanafika |
| 43 |
| (fa ny antsasany an'ny fiangonana dia ondry aman'osy dimanjato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy, |
| 44 |
| sy omby enina arivo amby telo alina, |
| 45 |
| sy boriky diman-jato amby telo alina, |
| 46 |
| ary olona enina arivo amby iray alina), |
| 47 |
| ny antsasany an'ny Zanak'Isiraely dia nanalan'i Mosesy iray isan-dimam-polo, na olona, na biby fiompy, ka nomeny ho an'ny Levita mpitandrina ny anjara-raharaha momha ny tabernakelin'i Jehovah izany, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. |
| 48 |
| Ary ny mpifehy, izay nifehy ny miaramila, dia ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia nanatona an'i Mosesy |
| 49 |
| ka nanao taminy hoe: Ny mpanomponao efa naka ny isan'ny mpanafika izay nofehezinay, ka tsy misy diso isa aminay na dia lehilahy iray akory aza; |
| 50 |
| koa nitondra fanatitra ho an'i Jehovah izahay, dia ny firavaka volamena efa azonay avy, dia fehin-tanana sy haba sy peratra fanombohan-kase sy kavina ary voavola, hanaovana fanavotana ho an'ny ainay eo anatrehan'i Jehovah. |
| 51 |
| Dia noraisin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona taminy ny volamena, dia firavaka voatefy avokoa. |
| 52 |
| Ary ny volamena rehetra tamin'ny fanatitra nalain'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ho an'i Jehovah, dia sekely dimam-polo amby fiton-jato sy enina arivo sy iray alina |
| 53 |
| (fa ny mpanafika samy namabo ho an'ny tenany).Dia noraisin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona ny volamena nomen'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ka nentiny tao amin'ny trano-lay fihaonana ho fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely eo anatrehan'i Jehovah. |
| 54 |
| Dia noraisin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona ny volamena nomen'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ka nentiny tao amin'ny trano-lay fihaonana ho fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely eo anatrehan'i Jehovah. |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy/numbers/031.mp3
36
31