Baiboly Protestanta 2011
|
| 1 |
| Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy indray hoe: |
| 2 |
| Valio noho ny nataony tamin’ny Zanak’Israely ny Midianita, ary rehefa afaka izany dia hangonina any amin’ny razanao ianao. |
| 3 |
| Dia niteny tamin’ny olona i Mosesy hoe: Misia aminareo mandray fiadiana ka hanafika ny Midianita mba hahatanteraka ny famalian’NY TOMPO ny Midianita. |
| 4 |
| Arivo lahy avy isam-poko amin’ny fokon’ny Israely no halefanareo hanafika. |
| 5 |
| Dia navahana tamin’ny fokon’ny Israely ny arivo isam-poko, izany hoe roa arivo sy iray alina, samy mitam-piadiana. |
| 6 |
| Nampandehanin’i Mosesy hanafika ireo arivo lahy isam-poko ireo sy i Finehasa, zanak’i Eleazara mpisorona, izay nitondra ny fanaka masina teny an-tanany, miaraka amin’ireo trompetra fanairana. |
| 7 |
| Dia niady tamin’ny Midianita ireo, araka izay efa nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy; dia matiny ny lehilahy rehetra. |
| 8 |
| Ary matiny niaraka tamin’ireny koa ny mpanjakan’i Midiana dimy lahy, dia i Evy, i Rekema, i Zora, i Hora ary i Reba; ary i Balama, zanak’i Beora koa dia novonoiny tamin’ny sabatra. |
| 9 |
| Nobaboin’ny Zanak’Israely koa ny vehivavy midianita sy ny zanany madinika; nalainy avokoa ny biby fiompiny rehetra sy ny omby aman’ondriny rehetra mbamin’ny fananany rehetra. |
| 10 |
| Ary ny tanàna rehetra izay nonenany sy ny tobiny rehetra dia nodoran’izy ireo tamin’ny afo. |
| 11 |
| Dia nalainy avokoa ny babo rehetra, na olona na biby fiompy, |
| 12 |
| ka noentiny tany amin’i Mosesy sy i Eleazara mpisorona ary ny fiangonan’ny Zanak’Israely teo an-toby, tany Arbota-Moaba izay eo amoron’i Jordana tandrifin’i Jeriko. |
| 13 |
| Ary i Mosesy sy i Eleazara mpisorona mbamin’ny lohan’ny fiangonana rehetra dia nivoaka hitsena azy ireo teo ivelan’ny toby. |
| 14 |
| Nefa tezitra tamin’ny mpifehy ny miaramila i Mosesy, dia tamin’ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, izay avy nanafika, |
| 15 |
| ka hoy izy tamin’ireo: Nahoana no navelanareo ho velona ny vehivavy rehetra? |
| 16 |
| Ireo ihany no nampikomy ny Zanak’Israely tamin’NY TOMPO noho ny tenin’i Balama, tamin’ilay raharahan’i Peora, ka nahazo ny fiangonan’NY TOMPO ilay areti-mandringana. |
| 17 |
| Koa ankehitriny, vonoy ny zazalahy madinika rehetra, ary vonoy koa ny vehivavy rehetra izay efa nahalala lahy. |
| 18 |
| Fa ny zazavavy rehetra izay tsy mbola nahalala lahy kosa dia velomy ho anareo. |
| 19 |
| Mitobia eo ivelan’ny toby mandritra ny hafitoana; ary izay nahafaty olona na nikasika faty dia samia manadio ny tenany amin’ny andro fahatelo sy ny andro fahafito, na ianareo, na ny olona babonareo. |
| 20 |
| Ny fitafiana rehetra na ny fanaka hoditra na ny fanaka volon’osy na ny fanaka hazo dia diovy avokoa. |
| 21 |
| Ary hoy i Eleazara mpisorona tamin’ireo mpanafika, izay efa tany amin’ny ady: Izao no lalàna hotandremana, izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy: |
| 22 |
| Ny volamena, ny volafotsy, ny varahina, ny vy, ny firapotsy ary ny firaka, |
| 23 |
| dia ny zavatra rehetra izay mahatanty afo, dia ataovy ao amin’ny afo mba hadio. Kanefa hodiovina amin’ny rano fanadiovana koa izy; ary izay rehetra tsy maharitra afo kosa dia ataovy ao amin’ny rano ihany. |
| 24 |
| Sasao koa ny fitafianareo amin’ny andro fahafito dia hadio ianareo, koa rehefa afaka izany vao mahazo miditra ao amin’ny toby ianareo. |
| 25 |
| Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: |
| 26 |
| Alaonao sy i Eleazara mpisorona sy ny lohan’ny fianakaviana ao amin’ny fiangonana ny isan’ny babo izay azo, na olona na biby fiompy. |
| 27 |
| Sasaho ny babo ho an’izay niady, dia ireo izay nanafika, sy ho an’ny fiangonana manontolo; |
| 28 |
| kanefa makà anjara ho an’NY TOMPO avy amin’ny mpanafika izay nandeha nanafika, dia iray isan-dimanjato, na olona na omby na boriky na ondry aman’osy; |
| 29 |
| ilay antsasany izay anjaran’ireo no hanalanao izany ka homenao an’i Eleazara mpisorona ho fanomezana ho an’NY TOMPO. |
| 30 |
| Ary ilay antsasany izay an’ny Zanak’Israely kosa dia analao iray isan-dimampolo, na olona na omby na boriky na ondry aman’osy, dia ny biby fiompy rehetra ka omeo ho an’ny levita izay mitandrina ny anjara raharaha momba ny tabernakelin’NY TOMPO. |
| 31 |
| Dia notanterahin’i Mosesy sy i Eleazara mpisorona izany, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. |
| 32 |
| Ary ny babo sisa afa-tsy izay azon’ny mpanafika dia ondry aman’osy dimy arivo sy fito alina sy enina hetsy, |
| 33 |
| omby roa arivo sy fito alina, |
| 34 |
| boriky arivo sy enina alina |
| 35 |
| ary olona, dia ny zazavavy izay tsy mbola nahalala lahy, roa arivo sy telo alina. |
| 36 |
| Ireto ny antsasany izay anjaran’ny mpanafika: Dimanjato sy fito arivo sy telo alina sy telo hetsy ny ondry aman’osy; |
| 37 |
| ny anjaran’NY TOMPO avy tamin’ireo ondry aman’osy ireo dia dimy amby fitopolo sy eninjato. |
| 38 |
| Ny omby kosa dia enina arivo sy telo alina; ny anjaran’NY TOMPO avy tamin’ireo dia roa amby fitopolo. |
| 39 |
| Dimanjato sy telo alina ny boriky; ny anjaran’NY TOMPO avy tamin’ireo dia iraika amby enimpolo. |
| 40 |
| Ny olona indray dia enina arivo sy iray alina; ny anjaran’NY TOMPO avy tamin’ireo dia roa amby telopolo. |
| 41 |
| Dia nomen’i Mosesy an’i Eleazara mpisorona ny fanomezana izay nalaina ho an’NY TOMPO, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. |
| 42 |
| Avy tamin’ilay antsasany izay an’ny Zanak’Israely, izay nozarain’i Mosesy avy tamin’ny mpanafika, |
| 43 |
| dia ilay antsasany izay an’ny fiangonana; izany hoe ondry aman’osy dimanjato sy arivo sy telo alina sy telo hetsy, |
| 44 |
| omby enina arivo sy telo alina, |
| 45 |
| boriky dimanjato sy telo alina |
| 46 |
| ary olona enina arivo sy iray alina. |
| 47 |
| Tamin’ny antsasany izay an’ny Zanak’Israely no nanalan’i Mosesy iray isan-dimampolo, na olona na biby fiompy, ka nomeny ho an’ny levita mpitandrina ny anjara raharaha momba ny tabernakelin’NY TOMPO izany, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. |
| 48 |
| Ary ireo mpifehy, izay nifehy ny miaramila, dia ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia nanatona an’i Mosesy |
| 49 |
| ka niteny taminy hoe: Ny mpanomponao dia efa naka ny isan’ny mpanafika izay nofehezinay ka tsy misy diso isa aminay na dia lehilahy iray aza; |
| 50 |
| koa nitondra fanatitra ho an’NY TOMPO izahay, dia ny firavaka volamena efa azonay avy, dia fehin-tanana, haba, peratra fitombo-kase, kavina ary firavaka iambozonana, hanaovana fanavotana ho an’ny ainay eo anatrehan’NY TOMPO. |
| 51 |
| Dia noraisin’i Mosesy sy i Eleazara mpisorona taminy ny volamena izay firavaka voatefy avokoa. |
| 52 |
| Ary ny volamena rehetra izay natokan’ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ho fanomezana ho an’NY TOMPO dia sekela dimampolo sy fitonjato sy enina arivo sy iray alina |
| 53 |
| satria ny mpanafika dia samy namabo ho an’ny tenany. |
| 54 |
| Dia noraisin’i Mosesy sy i Eleazara mpisorona ny volamena nomen’ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ka noentiny tao amin’ny tranolay fihaonana, ho fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Israely eo anatrehan’NY TOMPO. |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy2011/numbers/031.mp3
36
31