DIEM PROTESTANTA
|
| 1 |
| Tamin’izany vaninandro izany, dia niseho tany an-taniefitr’i Jodea i Jôhany Mpanao batisa, ary nanao antso avo hoe: |
| 2 |
| –Ialao ny toe-dratsy fa efa akaiky ny Fanjakàn’ny lanitra! |
| 3 |
| Izy no ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’i Isaià mpaminany hoe: «Injany misy feon’olona miantso mafy ao an-taniefitra hoe: Amboary ny lalan’ny Tompo; ahitsio ny hizorany!» |
| 4 |
| Akanjo volon-drameva ary fehikibo hoditra no fanaovan’i Jôhany; valala sy tantely remby no sakafony. |
| 5 |
| Tamin’izay dia nirohotra nankany amin’i Jôhany ny olona avy any Jerosalema sy avy any Jodea lafy valo mbamin’ny faritany rehetra amoron’ny ony Jôrdàna; |
| 6 |
| ary niaiky heloka izy ireo ka dia nataon’i Jôhany batisa tao Jôrdàna. |
| 7 |
| Rehefa hitan’i Jôhany ny Farisianina sy ny Tsadoseanina maro nanatona azy mba hataony batisa, dia nilazany hoe: –Ry tarana-menarana, iza no nanoro hevitra anareo mba handositra tsy ho tratra amin’ny hatezeran’Andriamanitra izay efa antomotra. |
| 8 |
| Asehoy amin’ny fitondrantena mendrika fa nialanareo tokoa ny toe-dratsinareo. |
| 9 |
| Ary aza mihambo anakampo hoe: manana an’i Abrahama ho razambenay izahay! Satria lazaiko aminareo fa hain’Andriamanitra atao ny manangana zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto. |
| 10 |
| Indro efa eo am-poto-kazo ny famaky: ka ny hazo rehetra tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ary hatsipy ao anaty afo. |
| 11 |
| Hoy koa i Jôhany: –Ny ahy, ao amin’ny rano no anaovako batisa anareo ho mariky ny fialana amin’ny toetra ratsy. Fa Ilay tamy aoriako dia mahery noho izaho ary tsy mendrika hivimbina ny kapany akory aho; ny Azy dia ao amin’ny Fanahy Masina sy afo no hanaovany batisa anareo. |
| 12 |
| Efa eny an-tanany ny fikororohana ary hodioviny tanteraka ny vary eo am-pamoloana; ka ny vary moa hangoniny an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany amin’ny afo tsy mitsaha-mirehitra. |
| 13 |
| Tamin’izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an’i Jôhany teo amoron’i Jôrdàna mba hataony batisa. |
| 14 |
| Nandà mafy i Jôhany ka nanao hoe: –Izaho no tokony hataonao batisa, ka Ianao indray ve no mankatỳ amiko? |
| 15 |
| Fa novalian’i Jesoa hoe: –Ekeo ihany aloha, fa izany no tsy maintsy anatontosantsika ny zavatra rehetra voasoritr’Andriamanitra. Izay vao nanaiky i Jôhany. |
| 16 |
| Nony vita batisa i Jesoa, dia niala avy hatrany tao anaty rano. Ary indro nisokatra tamin’i Jesoa ny lanitra ka hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromahailala nankeo amboniny. |
| 17 |
| Dia injany nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Ity no Zanako, ilay Malalako; Izy no sitrako! |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy2004/matthew/003.mp3
28
3