DIEM PROTESTANTA
|
| 1 |
| Ary dia notarihin’ny Fanahin’Andriamanitra hankany an-taniefitra i Jesoa, mba halain’ny devoly fanahy. |
| 2 |
| Rehefa avy nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina i Jesoa, dia noana; |
| 3 |
| ary nohatonin’ny mpaka fanahy Izy ka nataony hoe: –Raha Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao, teneno ireo vato ireo hanjary mofo. |
| 4 |
| Fa novalian’i Jesoa hoe: –Izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Tsy ny mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.» |
| 5 |
| Avy eo dia nentin’ny devoly ho any Jerosalema tanàna masina i Jesoa, ka najorony teo an-tendron’ny zoron’ny tempoly |
| 6 |
| sady nataony hoe: –Raha Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao, mianjerà any ambany any, fa izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Homen’ny Tompo baiko ireo anjeliny noho ny aminao, ka ny anjely hitondra Anao eny an-tanany mba tsy ho tafintohim-bato ny tongotrao.» |
| 7 |
| Fa hoy i Jesoa taminy: –Izao koa no voalazan’ny Soratra Masina: «Aza maka fanahy ny Tompo Andriamanitrao.» |
| 8 |
| Ary nentin’ny devoly ho any amin’ny tendrombohitra avo dia avo indray i Jesoa, ka nasehony Azy ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao mbamin’ny voninahiny |
| 9 |
| sady nataony hoe: –Homeko Anao avokoa ireo, raha miankohoka eto anoloako Ianao ho fanajana ahy! |
| 10 |
| Tamin’izay dia hoy i Jesoa taminy: –Mialà, ry Satàna, satria izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Ny Tompo Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery no hivavahanao!» |
| 11 |
| Izay vao nandao Azy ny devoly, ary indreo nisy anjely tonga teo amin’i Jesoa ka nanompo Azy. |
| 12 |
| Nony ren’i Jesoa fa naiditra am-ponja i Jôhany, dia lasa nankany Galilea Izy. |
| 13 |
| Ary nilaozany i Nazareta ka lasa Izy niorim-ponenana tao Kafarnahòma, tanàna amoron’ny farihin’i Galilea, anatin’ny faritanin’i Zebolòna sy i Naftalỳ. |
| 14 |
| Ka tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’i Isaià mpaminany hoe: |
| 15 |
| «Ry tanin’i Zebolòna sy i Naftalỳ, ry lalana amoron’ny farihy, ry faritra ampitan’i Jôrdàna, ry Galilea onenan’ny hafa firenena, |
| 16 |
| ny vahoaka izay mihitsoka amin’ny maizina dia nahita hazavana lehibe, ary ny olona izay mihitsoka amin’ny toerana alofan’ny fahafatesana dia niposahan’ny hazavana.» |
| 17 |
| Hatramin’izay i Jesoa dia nanomboka nitoriteny ka nanao hoe: –Ialao ny toe-dratsy, fa efa akaiky ny Fanjakàn’ny lanitra. |
| 18 |
| Nitsangantsangana teny amoron’ny farihin’i Galilea i Jesoa ka nahita olona mirahalahy, dia i Simôna ilay atao hoe Petera sy i Andrea rahalahiny; nanipy harato tao anaty farihy izy roa lahy fa mpanarato no raharahany. |
| 19 |
| Dia hoy i Jesoa taminy: –Andao hiaraka amiko fa hataoko mpanarato olona ianareo! |
| 20 |
| Dia nilaozany avy hatrany ny haratony ka lasa izy roa lahy niaraka tamin’i Jesoa. |
| 21 |
| Ary nandroso ihany i Jesoa ka nahita olona mirahalahy hafa koa, dia i Jakôba sy i Jôhany zanak’i Zebedeo; tafaraka tamin’i Zebedeo rainy teo an-tsambokely izy roa lahy ary nanamboatra harato. |
| 22 |
| Nantsoin’i Jesoa izy mirahalahy; ary nilaozany avy hatrany ny sambokely sy ny rainy fa lasa izy roa lahy niaraka tamin’i Jesoa. |
| 23 |
| Ary nitety an’i Galilea manontolo i Jesoa, ka nampianatra tany amin’ny sinagôga n-dry zareo ary nanao antso avo ny Vaovao Mahafaly momba ny Fanjakàn’ny lanitra sady nanasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra teo amin’ny vahoaka. |
| 24 |
| Ary niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona teo aminy avokoa izay mety ho marary ianjadian’ny aretina sy fanaintainana isan-karazany, dia ny azon’ny demony sy ny mararin’ny androbe ary ny malemy ka nositraniny avokoa. |
| 25 |
| Vahoaka marobe no nanaraka Azy avy any Galilea sy Dekapôly, avy tany Jerosalema sy Jodea ary avy any andafin’i Jôrdàna. |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy2004/matthew/004.mp3
28
4