Baiboly Protestanta Malagasy
|
| 1 |
| Ary rehefa afaka izany, dia nandeha tany Galilia Jesosy; fa nalain-kandeha tany Jodia Izy, satria nitady hahafaty Azy ny Jiosy. |
| 2 |
| Ary efa akaiky ny andro firavoravoan'ny Jiosy, dia ny amin'ny Tabernakely, |
| 3 |
| ka hoy ny rahalahiny taminy: Mialà eto, ka mandehana ho any Jodia, mba ho hitan'ny mpianatrao koa ny asa izay ataonao; |
| 4 |
| fa tsy misy olona manao zavatra amin'ny takona, nefa ny tenany mitady ho hita miharihary; raha manao izany zavatra izany Hianao, dia misehoa amin'izao tontolo izao. [Na: mitady ho hita fa matoky] |
| 5 |
| Fa na dia ny rahalahiny aza tsy nino Azy. |
| 6 |
| Dia hoy Jesosy taminy: Tsy mbola tonga ny fotoako; fa ny fotoanareo dia vonona lalandava. |
| 7 |
| Tsy mahazo mankahala anareo izao tontolo izao; fa Izaho no halany, satria milaza fa ratsy ny asany. |
| 8 |
| Miakara ho amin'ny andro firavoravoana ianareo; fa Izaho tsy mbola miakatra ho amin'ity andro firavoravoana ity; satria tsy mbola tonga ny fotoako. |
| 9 |
| Ary rehefa nilaza izany teny izany taminy Izy, dia mbola nitoetra tany Galilia ihany. |
| 10 |
| Fa rehefa lasa niakatra ho amin'ny andro firavoravoana ny rahalahiny, dia niakatra koa Izy, nefa tsy mba nisehoseho, fa toa niafinafina. |
| 11 |
| Ary ny Jiosy dia nitady Azy tamin'ny andro firavoravoana ka nanao hoe: Aiza Izy? |
| 12 |
| Ary nitakoritsika Azy be ihany ny vahoaka. Hoy ny sasany: Tsara fanahy Izy; fa hoy kosa ny sasany; Tsia; fa mamitaka ny vahoaka Izy. |
| 13 |
| Nefa tsy nisy sahy niresaka Azy miharihary noho ny fahatahorany ny Jiosy. |
| 14 |
| Ary rehefa nisasaka ny andro firavoravoana, dia niakatra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nampianatra. |
| 15 |
| Dia gaga ny Jiosy ka nanao hoe: Ahoana no nahaizan'ilehity soratra, nefa tsy mba nianatra Izy? |
| 16 |
| Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. |
| 17 |
| Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin'ny fampianarana izy, na avy amin'Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho. |
| 18 |
| Izay miteny ho azy dia mitady ny voninahitry ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr'izay naniraka azy no marina, ary tsy misy tsi-fahamarinana ao aminy. |
| 19 |
| Tsy Mosesy va no nanome anareo ny lalàna? nefa tsy misy eo aminareo mankatò ny lalàna. Nahoana ianareo no mitady hamono Ahy? |
| 20 |
| Ny vahoaka namaly hoe: Manana demonia Hianao; iza no mitady hamono Anao? |
| 21 |
| Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Asa iray loha ihany no nataoko, ka gaga avokoa ianareo rehetra. |
| 22 |
| Izao no nanomezan'i Mosesy anareo ny famorana: tsy noho izy avy tamin'i Mosesy, fa noho izy avy tamin'ny razana, ka na dia amin'ny Sabata aza dia mamora olona ihany ianareo. |
| 23 |
| Raha amin'ny Sabata aza no amorana olona, mba tsy hahafoana ny lalàn'i Mosesy, dia tezitra amiko va ianareo, satria nisy olona anankiray nataoko sitrana avokoa ny tenany rehetra tamin'ny Sabata. |
| 24 |
| Aza mitsara araka ny miseho, fa mba mitsarà marina. |
| 25 |
| Ary ny mponina sasany tany Jerosalema dia nanao hoe: Tsy Ilehity va Ilay tadiaviny hovonoina? |
| 26 |
| Ary indro Izy miteny miharihary, nefa tsy misy miteny Azy akory. Sao efa fantatry ny mpanapaka anie fa Io no Kristy? |
| 27 |
| Nefa fantatsika izay nihavian'ilehio, fa raha avy Kristy, tsy misy mahalala izay hihaviany. |
| 28 |
| Dia niantso teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, raha nampianatra, ka nanao hoe: Izaho dia fantatrareo, sady fantatrareo koa izay nihaviako; ary tsy avy ho Ahy Aho, fa marina ny naniraka Ahy, Izay tsy fantatrareo. |
| 29 |
| Izaho mahalala Azy; fa Izy no nihaviako, ka Izy no naniraka Ahy. |
| 30 |
| Dia nitady hisambotra Azy ny olona; kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy, satria tsy mbola tonga ny fotoany. |
| 31 |
| Ary maro ny vahoaka no nino Azy ka nanao hoe: Raha tonga Kristy, moa hanao famantarana maro mihoatra noho ny nataon'ity Lehilahy ity va Izy? |
| 32 |
| Ny Fariseo nandre ny vahoaka nitakoritsika izany zavatra izany ny aminy; ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo dia naniraka mpiandry raharaha mba hisambotra Azy. |
| 33 |
| Dia hoy Jesosy: Kely foana no itoerako aminareo, dia hankany amin'izay naniraka Ahy Aho. |
| 34 |
| Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako dia tsy azonareo haleha. |
| 35 |
| Dia niresaka hoe ny Jiosy: Hankaiza moa no halehan'ilehity, no tsy ho hitantsika? Hankany amin'izay miely any amin'ny Grika va Izy ka hampianatra ny Grika? |
| 36 |
| Ahoana re izao teny nolazainy izao hoe: Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako tsy azonareo haleha? |
| 37 |
| Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. |
| 38 |
| Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina. |
| 39 |
| Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin'ny mino Azy, no nolazainy tamin'izany; fa ny Fanahy tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny. [ Na: Fanahy Masina] |
| 40 |
| Ary ny sasany tamin'ny vahoaka, raha nandre izany teny izany, dia nanao hoe: Ity tokoa no Ilay Mpaminany. |
| 41 |
| Hoy ny sasany: Ity no Kristy. Fa hoy kosa ny sasany: Avy any Galilia va no ihavian'i Kristy? |
| 42 |
| Tsy voalazan'ny Soratra Masina va fa Kristy dia avy amin'ny taranak'i Davida, sady avy ao Betlehema, vohitra nonenan'i Davida (Mik. 5. 1)? |
| 43 |
| Dia nisara-tsaina ny amin'i Jesosy ny vahoaka. |
| 44 |
| Ary ny sasany nitady hisambotra Azy; kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy. |
| 45 |
| Ary ny mpiandry raharaha nankeo amin'ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo, ka hoy izy ireo taminy: Nahoana ianareo no tsy nitondra Azy? |
| 46 |
| Ny mpiandry raharaha namaly hoe: Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany. |
| 47 |
| Ary ny Fariseo namaly azy hoe: Hianareo koa va voafitaka? |
| 48 |
| Moa misy mpanapaka na Fariseo mba nino Azy? |
| 49 |
| Fa voaozona ireto vahoaka ireto, izay tsy mahalala ny lalàna. |
| 50 |
| Ary Nikodemosy, anankiray teo aminy, dia ilay nankeo amin'i Jesosy teo aloha, dia nanao taminy hoe: |
| 51 |
| Moa manameloka olona va ny lalàntsika, raha tsy mbola mihaino azy aloha ka mahafantatra izay nataony? |
| 52 |
| Izy ireo namaly ka nanao taminy hoe: Hianao koa angaha mba avy any Galilia? Diniho, dia ho hitanao fa tsy mba misy mpaminany avy any Galilia.[Dia samy lasa nody ho any an-tranony avy izy rehetra;] |
| 53 |
| [Dia samy lasa nody ho any an-tranony avy izy rehetra;] |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy/john/007.mp3
21
7