Baiboly Protestanta 2011
|
| 1 |
| Taorianan’izay dia nitety tany Galilia Jesosy; fa tsy te hitety an’i Jodia Izy satria nitady hahafaty Azy ny Jiosy. |
| 2 |
| Efa akaiky moa ny andro firavoravoan’ny Jiosy, dia ny fetin’ny Trano rantsan-kazo, |
| 3 |
| koa hoy ny rahalahiny Taminy: Mialà eto Ianao ka mandehana ho any Jodia mba ho hitan’ny mpianatrao koa ny asa izay ataonao; |
| 4 |
| fa tsy misy olona manao zavatra amin’ny takona, nefa ny tenany dia mitady ho hita miharihary; raha manao izao zavatra izao Ianao dia misehoa amin’izao tontolo izao. |
| 5 |
| Fa na dia ny rahalahiny aza tsy nino Azy. |
| 6 |
| Dia hoy Jesosy taminy: Tsy mbola tonga ny fotoanandroko; fa ny fotoananareo dia vonona lalandava. |
| 7 |
| Tsy afaka mankahala anareo izao tontolo izao; fa Izaho no halany satria Izaho milaza fa ratsy ny asany. |
| 8 |
| Miakara any amin’ny andro firavoravoana ianareo; fa Izaho tsy mbola hiakatra ho amin’ity andro firavoravoana ity satria tsy mbola tonga ny fotoanandroko. |
| 9 |
| Rehefa avy nilaza ireo teny ireo taminy Izy dia mbola nitoetra tany Galilia ihany. |
| 10 |
| Rehefa lasa niakatra ho amin’ny andro firavoravoana ny rahalahiny dia niakatra koa Izy, nefa tsy mba nisehoseho fa toa niafinafina. |
| 11 |
| Ary ny Jiosy dia nitady Azy tamin’ny andro firavoravoana ka niteny hoe: Aiza Izy? |
| 12 |
| Ary nitakoritsika Azy be ihany ny vahoaka. Hoy ny sasany: Tsara fanahy Izy; fa hoy kosa ny sasany: Tsia; fa mamitaka ny vahoaka Izy. |
| 13 |
| Nefa tsy nisy sahy niresaka Azy miharihary noho ny fahatahorany ny Jiosy. |
| 14 |
| Rehefa nisasaka ny andro firavoravoana dia niakatra tao amin’ny tempoly Jesosy ka nampianatra. |
| 15 |
| Gaga ny Jiosy ka niteny hoe: Ahoana no nahaizan’Ilehity ny Soratra, nefa tsy mba nianatra Izy? |
| 16 |
| Dia hoy ny navalin’i Jesosy azy hoe: Tsy Ahy ny fampianarako fa an’Izay naniraka Ahy. |
| 17 |
| Raha misy olona ta hanao ny sitrapony dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy, na avy amin’Andriamanitra izany na miteny amin’ny fahefan’ny tenako Aho. |
| 18 |
| Izay miteny amin’ny fahefan’ny tenany dia mitady ny voninahitry ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr’izay naniraka azy no marina, ary tsy misy tsy fahamarinana ao aminy. |
| 19 |
| Tsy i Mosesy va no nanome anareo ny lalàna? Nefa tsy misy eo aminareo mankatò ny lalàna. Nahoana ianareo no mitady hamono Ahy? |
| 20 |
| Ary hoy ny vahoaka hoe: Manana demonia Ianao; iza no mitady hamono Anao? |
| 21 |
| Dia novalin’i Jesosy hoe: Asa iray loha ihany no nataoko, dia gaga avokoa ianareo rehetra. |
| 22 |
| Izao no nanomezan’i Mosesy anareo ny famorana: Tsy noho izy avy tamin’i Mosesy, fa noho izy avy tamin’ny razana, koa na amin’ny Sabata aza dia mamora olona ihany ianareo. |
| 23 |
| Raha amin’ny Sabata aza no amorana olona mba tsy hahafoana ny lalànan’i Mosesy dia ho tezitra Amiko va ianareo satria nisy olona iray nositraniko ny tenany manontolo tamin’ny Sabata. |
| 24 |
| Aza mitsara araka ny miseho fa mba mitsarà marina. |
| 25 |
| Ary ny mponina sasany tany Jerosalema dia niteny hoe: Tsy Ilehity va ilay tadiaviny hovonoina? |
| 26 |
| Ary indro Izy izao miteny miharihary, nefa tsy misy miteny Azy akory. Efa fantatry ny mpitondra tokoa va fa io no Kristy? |
| 27 |
| Fantatsika izao anefa ny niavian’Ilehio, fa raha avy Kristy dia tsy misy mahalala izay hiaviany. |
| 28 |
| Raha nampianatra tao amin’ny tempoly Jesosy dia niantso hoe: Izaho dia fantatrareo, sady fantatrareo koa izay niaviako; ary tsy avy amin’ny fahefan’ny tenako Aho, fa marina ny naniraka Ahy, izay tsy fantatrareo. |
| 29 |
| Izaho mahalala Azy; fa Izy no niaviako, koa Izy no naniraka Ahy. |
| 30 |
| Dia nitady hisambotra Azy ny olona; kanefa tsy nisy nahakasi-tanana Azy, satria tsy mbola tonga ny fotoanandrony. |
| 31 |
| Ary maro ny vahoaka no nino Azy ka niteny hoe: Raha tonga Kristy, moa hanao famantarana maro mihoatra noho ny nataon’ity Lehilahy ity va Izy? |
| 32 |
| Ary nandre ny vahoaka nitakoritsika izany zavatra izany ny Aminy ny Fariseo ka naniraka mpiambina hisambotra Azy, ireo lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo. |
| 33 |
| Dia hoy Jesosy: Kely foana no mbola itoerako aminareo dia hankany amin’izay naniraka Ahy Aho. |
| 34 |
| Hitady Ahy ianareo fa tsy hahita; ary izay itoerako dia tsy azonareo aleha. |
| 35 |
| Dia nifampiresaka ny Jiosy hoe: Aiza moa no halehan’Ilehity no tsy ho hitantsika? Hankany amin’izay miely any amin’ny Grika va Izy ka hampianatra ny Grika? |
| 36 |
| Ahoana moa izao teny nolazainy izao hoe: Hitady Ahy ianareo nefa tsy hahita; ary izay itoerako dia tsy ho azonareo aleha? |
| 37 |
| Tamin’ny andro farany, izay andro lehibe tamin’ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. |
| 38 |
| Izay mino Ahy dia hisy onin’ny rano velona hiboiboika avy ao aminy, araka ny voalazan’ny Soratra Masina. |
| 39 |
| Ny Fanahy, izay efa horaisin’ny mino Azy, no nolazainy tamin’izany; fa ny Fanahy tsy mbola nomena satria Jesosy tsy mbola niditra tamin’ny voninahiny. |
| 40 |
| Ary ny sasany tamin’ny vahoaka, raha nandre izany teny izany, dia nilaza hoe: Ity tokoa no ilay Mpaminany. |
| 41 |
| Hoy koa ny sasany: Ity no Kristy. Ary hoy kosa ny sasany: Avy any Galilia va no iavian’i Kristy? |
| 42 |
| Tsy voalazan’ny Soratra Masina va fa Kristy dia avy amin’ny taranak’i Davida sady avy ao Betlehema, vohitra nonenan’i Davida (Mik 5.1)? |
| 43 |
| Dia nisara-tsaina ny amin’i Jesosy ny vahoaka. |
| 44 |
| Ary nitady hisambotra Azy ny sasany; kanefa tsy nisy nahakasi-tanana Azy. |
| 45 |
| Ary niverina nankeo amin’ireo lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo ireo mpiambina ka nanontaniany hoe: Nahoana ianareo no tsy nitondra Azy? |
| 46 |
| Dia namaly ireo mpiambina hoe: Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany. |
| 47 |
| Ary hoy ny Fariseo tamin’izy ireo hoe: Voafitaka koa va ianareo? |
| 48 |
| Moa misy mpanapaka na Fariseo mba nino Azy? |
| 49 |
| Fa voaozona ireto vahoaka ireto, izay tsy mahalala ny lalàna. |
| 50 |
| Ary i Nikodemosy izay iray tamin’ireo mpanapaka, ilay efa niresaka tamin’i Jesosy teo aloha, dia niteny tamin’ireo hoe: |
| 51 |
| Moa manameloka olona va ny lalànantsika, raha tsy mbola mihaino azy aloha ka mahafantatra izay nataony? |
| 52 |
| Fa hoy izy ireo taminy: Ianao koa angaha mba avy any Galilia? Diniho, dia ho hitanao fa tsy mba misy mpaminany avy any Galilia. |
| 53 |
| Dia samy lasa nody ho any an-tranony avy izy rehetra. |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy2011/john/007.mp3
21
7