Baiboly Katolika 2003
|
| 1 |
| Tamin’izany i Saoly, dia mbola tsy nihevitra afa-tsy ny handrahona sy hamono ny mpianatry ny Tompo, ka nanatona ny lehiben’ny mpisorona izy, |
| 2 |
| nangataka taratasy taminy ho an’ny sinagogan’i Damasy mba hitondrany am-patorana ho any Jerosalema izay rehetra hitany manaraka izany lalana izany, na lahy na vavy. |
| 3 |
| Raha mbola teny an-dalana izy ka efa mby akaikin’i Damasy dia nisy fahazavana tonga tampoka avy any an-danitra nanjelanjelatra nanodidina azy. |
| 4 |
| Dia lavo tamin’ny tany izy, ary nandre feo nanao taminy hoe: «Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao?» |
| 5 |
| Ka hoy izy: «Iza moa Ianao, Tompoko?» Ary hoy ny Tompo: «Izaho no Jesoa izay enjehinao; sasa-poana ianao mitroatra manohitra ny fanindronana.» |
| 6 |
| Dia nangovitra sy very hevitra izy, ka nanao hoe: «Tompo ô! inona no tianao hataoko?» |
| 7 |
| Ary hoy ny Tompo taminy: «Mitsangàna, ka midira ao an-tanàna, ary ao no holazaina aminao izay tsy maintsy ataonao.» Tafatsatoka talanjona foana ny olona niaraka taminy, fa nandre ny feo, nefa tsy nahita olona na iza na iza. |
| 8 |
| Nony niarina avy hatreo i Saoly, dia nanokatra ny masony, fa tsy nahita na inona na inona; ka olona no nitantana azy hankao Damasy. |
| 9 |
| Ary hateloana izy no tsy nahita, sady tsy nihinana na nisotro. |
| 10 |
| Tao Damasy fahizay dia nisy mpianatra anankiray atao hoe Anania; nilazan’ny Tompo tamin’ny tsindrimandry hoe: «Ry Anania.» Dia hoy izy: «Inty aho, Tompoko.» |
| 11 |
| Ary hoy ny Tompo taminy: «Mitsangàna, ka mandehana any amin’ny lalana atao hoe Mahitsy; tadiavo ao an-tranon’i Jodà, fa misy lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsa efa mivavaka izy izao.» |
| 12 |
| (Tamin’izay koa i Saoly dia nahita lehilahy anankiray tamin’ny tsindrimandry atao hoe Anania izay niditra sy nametra-tanana taminy mba hampahiratra azy). |
| 13 |
| Ary i Anania namaly hoe: «Tompoko, reko tamin’ny olona maro fa loza loatra no nafitsok’io lehilahy io tamin’ny olonao masina tao Jerosalema; |
| 14 |
| ary atỳ indray izy izao nahazo fahefana tamin’ny lehiben’ny mpisorona indray koa mba hamatotra izay rehetra miantso ny Anaranao.» |
| 15 |
| Fa hoy ny Tompo taminy: «Mandehana, fa io lehilahy io dia fanaka voafidy ho Ahy, hitondra ny Anarako eo anatrehan’ny Jentily sy ny mpanjaka ary ny zanak’i Israely; |
| 16 |
| ary hasehoko azy ny mafy tsy maintsy hiaretany noho ny Anarako.» |
| 17 |
| Dia nandeha i Anania, ka nony tonga tao an-trano, dia nametra-tanana taminy nanao hoe: «Ry Saoly rahalahy, i Jesoa Tompo Izay niseho taminao teo amin’ny lalana nalehanao, dia naniraka ahy mba hahiratra indray ianao sy ho feno ny Fanahy Masina.» |
| 18 |
| Niaraka tamin’izay, nisy zavatra toy ny lanin-kazandrano niala teo amin’ny masony, ka nahiratra indray izy. Dia nitsangana izy ka natao Batemy; |
| 19 |
| ary nihinan-kanina, ka dia natanjaka indray. Niara-nitoetra andro vitsivitsy tamin’ny mpianatra tao Damasy i Saoly, |
| 20 |
| ary nitory teo amin’ny sinagoga niaraka tamin’izay izy, ka nilaza fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra. |
| 21 |
| Talanjona izay rehetra nandre ka nanao hoe: «Tsy ity va ilay nanenjika an’izay niantso izany Anarana izany tany Jerosalema, sy tonga atỳ mba hitondra azy am-patorana ho any amin’ny lehiben’ny mpisorona» |
| 22 |
| Vao mainka nihanahery anefa i Saoly sy nandresy lahatra ny Jody nonina tao Damasy, naneho marimarina tamin’izy ireo fa i Jesoa no Kristy. |
| 23 |
| Nony afaka andro maromaro dia nioko hamono azy ny Jody; |
| 24 |
| fantatr’i Saoly ihany anefa ny hevi-dratsiny. Nambenan’izy ireo andro aman’alina ny vavahady mba hamonoany azy; |
| 25 |
| kanjo nalain’ny mpianatra kosa izy, nony alina, ka nataony tao anatin’ny sobika, dia nampidininy tamin’ny manda. |
| 26 |
| Dia nankany Jerosalema i Saoly, ka nitady hikambana tamin’ny mpianatra, nefa natahotra azy izy rehetra satria tsy ninoany fa mpianatr’i Jesoa koa izy. |
| 27 |
| Tamin’izay nalain’i Baranabe izy ka nentiny tao amin’ny Apôstôly, dia notantarainy tamin’izy ireo ny nahitany ny Tompo teny an-dalana, sy ny nitenenany taminy, ary ny hasahiana nasehony tamin’ny nitoriany ny Anaran’i Jesoa tao Damasy. |
| 28 |
| Izay vao niara-niditra sy nivoaka tamin-dry zareo tao Jerosalema izy, sady nitory tamin-kasahiana tamin’ny Anaran’ny Tompo. |
| 29 |
| Niresaka tamin’ny Jentily koa izy, ary niady hevitra tamin’ny Helenista; kanjo notadiavin’ireo hovonoina. |
| 30 |
| Ka nony fantatry ny rahalahy izany, dia nateriny tany Sezarea izy, vao nalefany ho any Tarsa. |
| 31 |
| Niadana ny Eglizy eran’i Jodea sy i Galilea ary i Samaria manontolo fahizany, sady nandroso tsara sy nandeha tamin’ny fahatahorana ny Tompo izy, no nihamaro tamin’ny famporisihan’ny Fanahy Masina. |
| 32 |
| Tamin’izay, raha namangy ny mpianatra rehetra isan-tanàna i Piera, dia nankao amin’ny olona masina izay nonina tao Lidà koa, |
| 33 |
| ka nahita lehilahy anankiray atao hoe Enea, izay nandry teo am-pandriana hatramin’ny valo taona, fa malemy, |
| 34 |
| ary nanao taminy hoe: «Ry Enea, hanasitrana anao i Jesoa Kristy; mitsangàna ka amboary ny fandrianao.» Dia nitsangana niaraka tamin’izay izy. |
| 35 |
| Nony nahita azy izay rehetra nonina tao Lidà sy Sarôna, dia nibebaka nanatona ny Tompo avokoa. |
| 36 |
| Ary tany Jôpe nisy vehivavy anankiray mpianatra atao hoe Tabità, na hoe Dôrkasy raha adika, izay nahavita asa soa amam-piantrana betsaka. |
| 37 |
| Narary izy tamin’izany andro izany, dia maty; ka nony avy nampandroina ny fatiny, dia napetraka tao amin’ny efitrano ambony. |
| 38 |
| Ary i Lidà moa dia akaikin’i Jôpe ihany; ka ren’ny mpianatra fa hoe ao i Piera, dia naniraka roa lahy ho any aminy izy ireo hangataka azy hoe: «Aza miatoato hankatỳ aminay.» |
| 39 |
| Dia nitsangana i Piera ka niara-nandeha tamin’ireo. Nony tonga izy, dia nentiny tany amin’ny efitra ambony, ka nohodidinin’ny mpitondratena rehetra, izay sady nitomany no nampiseho taminy ny lamba aman’akanjo nataon’i Dôrkasy fony fahavelony. |
| 40 |
| Navoakan’i Piera avokoa ny olona rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka, vao nanatrika ny faty nanao hoe: «Ry Tabità, mitsangàna.» Dia nahirany ny masony, ka nony nahita an’i Piera izy, dia niarina. |
| 41 |
| Ary i Piera kosa nanolo-tanana azy, sy nampitsangana azy; dia niantso ny olona masina sy ny mpitondratena, ka nanolotra azy velona tamin’izy ireo. |
| 42 |
| Niely eran’i Jôpe manontolo izany, ka betsaka no nino ny Tompo. |
| 43 |
| Ary i Piera nitoetra andro maromaro tany Jôpe, tao amin’ny mpandòn-koditra anankiray atao hoe Simôna. |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy2003/acts/009.mp3
28
9