Baiboly Protestanta 2011
|
| 1 |
| Misy aminareo va, raha manana ady amin’ny namany, no sahy handeha hotsarain’ny olona tsy marina fa tsy eo anatrehan’ny olona masina? |
| 2 |
| Sa tsy fantatrareo fa ny olona masina dia hitsara izao tontolo izao? Ary raha hitsara izao tontolo izao ianareo, moa tsy mendrika hitsara izay zavatra madinika indrindra va? |
| 3 |
| Tsy fantatrareo va fa hitsara anjely isika? Mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao? |
| 4 |
| Koa raha misy hotsarainareo ny amin’ny momba izao fiainana izao, moa izay ataon’ny fiangonana ho tsinontsinona va no tendrenareo ho mpitsara? |
| 5 |
| Ny hampahamenatra anareo no itenenako izany. Hay ve dia tsy mba misy olon-kendry na dia iray akory aza, izay mahay mandamina ny adin’ny rahalahiny eo aminareo? |
| 6 |
| Fa misy rahalahy mandeha hiady amin’ny rahalahiny, ary izany dia ataony eo imason’ny tsy mino. |
| 7 |
| Efa faharesena ho anareo ny fanananareo ady amin’ny namanareo. Nahoana no tsy aleo mandefitra ny tsy rariny aza ianareo? Nahoana no tsy aleo maharitra hambakaina aza ianareo? |
| 8 |
| Kanjo ianareo indray no manao izay tsy rariny ka manambaka ny rahalahinareo. |
| 9 |
| Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: Fa ny mpijangajanga, ny mpanompo sampy, ny mpaka vadin’olona, ny sodomita, |
| 10 |
| ny mpangalatra, ny fatra-pitia harena, ny mpimamo, ny mpanala baraka olona ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra. |
| 11 |
| Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika. |
| 12 |
| Azoko atao ny zavatra rehetra, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra; azoko atao ny zavatra rehetra, nefa izaho dia tsy manaiky handevozin-javatra, na inona na inona izany. |
| 13 |
| Ny hanina dia ho an’ny kibo, ary ny kibo dia ho an’ny hanina; nefa samy holevonin’Andriamanitra ireo zavatra roa ireo. Fa ny tena kosa dia tsy ho an’ny fijangajangana fa ho an’ny Tompo; ary ny Tompo ho an’ny tena. |
| 14 |
| Ary Andriamanitra efa nanangana ny Tompo sady hanangana antsika koa amin’ny heriny. |
| 15 |
| Tsy fantatrareo va fa momba ny tenan’i Kristy ny tenanareo? Moa hanala ny momba ny tenan’i Kristy va aho ka hanolotra izany ho momba ny tenan’ny vehivavy janga? Sanatria izany! |
| 16 |
| Moa tsy fantatrareo va fa izay miray amin’ny vehivavy janga dia tena iray aminy? Fa hoy Andriamanitra: «Ho nofo iray ihany izy roa» (Gen 2.24). |
| 17 |
| Fa izay miray amin’ny Tompo kosa dia iray fanahy Aminy. |
| 18 |
| Mandosira ny fijangajangana. Izay fahotana rehetra ataon’ny olona dia eny ivelan’ny tena ihany; fa ny mpijangajanga kosa dia manota mihatra amin’ny tenany. |
| 19 |
| Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’Andriamanitra? Koa tsy tompon’ny tenanareo ianareo. |
| 20 |
| Fa olom-boavidy ianareo, koa mankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenanareo. |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy2011/1corinthians/006.mp3
16
6