Baiboly Katolika 2003
|
| 1 |
| Raha ny amin’ny fiantrana ho an’ny olomasina, dia ambiny fotsiny no anoratako aminareo, |
| 2 |
| fa efa fantatro rahateo ny zotom-ponareo, ary ataoko rehareha aza ny aminareo amin’ny Masedôniana: «Efa vonona hatramin’ny taon’itsy i Akaia» hoy ny filazàko tamin’izy ireo; ka efa namporisika ny maro izany fahazotoanareo izany. |
| 3 |
| Nirahiko ihany anefa ireo rahalahy ireo, mba tsy ho foana ny reharehako ny aminareo amin’izany, fa mba ho vonona araka ny efa voalazako tokoa ianareo. |
| 4 |
| Tandremo fa raha misy Masedôniana miara-tonga amiko anie, ka mahita anareo mbola tsy vonona, dia henatra lehibe no ahy e - aoka ihany tsy hatao hoe ho anareo, - noho izao fitokiako fatratra anareo izao! |
| 5 |
| Koa nataoko fa ilaina ny nangataka ireo havana iray finoana hialoha anay ho atỳ aminareo, mba hampamonona rahateo ny fiantrana nampanantenainareo, sady haha-tena fiantrana azy tokoa, fa tsy ho fahihirana. |
| 6 |
| Ary izao no izy: izay mamafy kely dia hijinja kely, ary izay mamafy be dia hijinja be. |
| 7 |
| Samia manao araka izay efa nokasainy tao am-pony avy, tsy amin’alahelo na an-tery, fa mpanome an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra. |
| 8 |
| Hain’Andriamanitra fenoina ny fahasoavana rehetra ianareo, ka sady hanana ny ampy mandrakariva amin’ny zavatra rehetra ilainareo no hanana amby ampy aza hoentinareo mitombo amin’ny asa soa isan-karazany, |
| 9 |
| araka ny voasoratra hoe: Namafy tamin’ny fanomezam-be ny mahantra izy, ka haharitra mandrakizay ny fahamarinany. |
| 10 |
| Ilay manome ny mpamafy ny voa hafafy sy ny hanin-kohaniny, no hanome anareo koa ny voa hafafy sy hampitombo azy, ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo; |
| 11 |
| dia hanan-karena amin’ny zavatra rehetra ianareo, sy hahafoy be amin-kitsim-po, ka fisaorana an’Andriamanitra noho ny asanay no ho vokatr’izany. |
| 12 |
| Satria ny fanaovana izany asa masina izany, dia sady hahatondraka izay ilain’ny olo-masina no hahabe ny fisaorana an’Andriamanitra koa. |
| 13 |
| Eny, ho hitan’ny maro amin’izao fahafoizana ataonareo izao fa olona voazaha toetra tokoa ianareo, ka hankalaza an’Andriamanitra izy noho ny fanoavanareo manaraka ny Evanjelin’i Kristy, sy noho ny hatsoram-ponareo mampiombona azy sy ny olona rehetra aza amin’ny soanareo. |
| 14 |
| Ary hivavaka ho anareo koa izy, fa tia sy mankamamy anareo erỳ, noho ny haben’ny fahasoavan’Andriamanitra ao aminareo. |
| 15 |
| Hisaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy haim-bava lazaina. |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy2003/2corinthians/009.mp3
13
9