Baiboly Protestanta Malagasy
|
| 1 |
| Tsy mahazo maka ny vadin-drainy ny olona, na maniry amin'izay nandrian-drainy. |
| 2 |
| [Didy maro samy hafa] Tsy mahazo miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah izay torotoro vihina, na izay voatapaka ny filahiany. |
| 3 |
| Ny zazasary tsy mahazo miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah: na dia hatramin'ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah. |
| 4 |
| Ny Amonita sy ny Moabita tsy mahazo miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah: na dia hatramin'ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah hatramin'ny mandrakizay ireny, |
| 5 |
| satria tsy nitsena hanina sy rano anareo teny an-dalana izy, raha nivoaka avy tany Egypta ianareo, ary satria nanamby an'i Balama, zanak'i Beora, avy any Petora any Mesopotamia, hanozona anao izy. |
| 6 |
| Kanefa Jehovah Andriamanitrao tsy nety nihaino an'i Balama, fa nampody ny fanozonana ho fitahiana anao Izy noho ny fitiavany anao. |
| 7 |
| Aza mitady izay hiadanany na izay hahasoa azy amin'ny andronao rehetra mandrakizay. |
| 8 |
| Aza atao ho fahavetavetana ny Edomita, fa rahalahinao izy, na ny Egyptiana, fa efa mba vahiny tany amin'ny taniny ianao. |
| 9 |
| Ny zafiafin'ireo dia hahazo miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah. |
| 10 |
| Raha mivoaka hiady amin'ny fahavalonao ny tafikao, dia mifadia ny ratsy rehetra. |
| 11 |
| Raha misy olona eo aminao, izay tsy madio noho izay nanjo azy tamin'ny alina, dia hivoaka eny ivelan'ny toby izy, fa tsy hiditra ao anatiny. |
| 12 |
| Fa rehefa hariva, dia aoka handro amin'ny rano izy; ary nony tokony ho maty masoandro, dia mahazo miverina eo amin'ny toby indray izy. |
| 13 |
| Ary aoka hisy tany voafaritrao any ivelan'ny toby ho fivoahanao; |
| 14 |
| ary mitondrà fantaka miaraka amin'ny fiadianao, ka raha hipetraka eny ivelany ianao, dia mihadia lavaka amin'ny fantaka, ka totofy ny fivalananao. |
| 15 |
| Fa Jehovah Andriamanitrao mandeha eo afovoan'ny tobinao hamonjy anao sy hanolotra ny fahavalonao eo anoloanao; ka dia ho masina ny tobinao, mba tsy hahita zavatra maloto eo aminao izy ka tsy hiala aminao. |
| 16 |
| Aza atolotrao amin'ny tompony intsony ny andevo izay mandositra mamonjy tena ho eo aminao. |
| 17 |
| Eo aminao no hitoerany, dia eo amin'ny tanàna izay tiany sy izay sitraky ny fony; fa aza mampahory azy. |
| 18 |
| Aoka tsy hisy zanakavavy na zanakalahin'ny Isiraely hanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy. |
| 19 |
| Aza mitondra ny tangin'ny vehivavy janga, na ny karaman'alika, ho ao an-tranon'i Jehovah Andriamanitra, hanefana voady; fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ireo zavatra roa ireo. |
| 20 |
| Aza mampanàna zavatra amin'ny rahalahinao, na vola, na hanina, na zavatra hafa mety hampananaina. |
| 21 |
| Ny olona hafa firenena ihany no hampanananao zavatra; fa ny rahalahinao kosa dia tsy hampanananao; mba hotahin'i Jehovah Andriamanitrao ianao amin'izay rehetra ataon'ny tananao eo amin'ny tany izay efa hidiranao holovana. |
| 22 |
| Raha mivoady amin'i Jehovah Andriamanitrao ianao, dia aza ela fanefa; fa hadinin'i Jehovah Andriamanitrao aminao tokoa izany ka ho fahotana aminao. |
| 23 |
| Fa raha tsy mivoady ianao, dia tsy fahotana aminao izany. |
| 24 |
| Izay aloaky ny vavanao dia tandremo hotanterahinao, araka ny sitraponao nivoadianao tamin'i Jehovah ihany, dia izay nolazain'ny vavanao. |
| 25 |
| Raha mankany amin'ny tanim-boaloboky ny namanao ianao, dia mahazo manaram-po mihinam-boaloboka hahavoky anao; fa aza mitondra mody.Raha mankany amin'ny tanimbarin'ny namanao ianao, dia mahazo mioty salohim-bary ny tananao; fa aza jinjanao antsy ny varin'ny namanao. |
| 26 |
| Raha mankany amin'ny tanimbarin'ny namanao ianao, dia mahazo mioty salohim-bary ny tananao; fa aza jinjanao antsy ny varin'ny namanao. |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy/deuteronomy/023.mp3
34
23