Baiboly Protestanta 2011
|
| 1 |
| Tsy mahazo maka ny vadin’ny rainy ny olona, na mandry amin’izay nandrian’ny rainy. |
| 2 |
| Tsy mahazo miditra amin’ny fiangonan’NY TOMPO izay torotoro vihina, na izay voatapaka ny filahiany. |
| 3 |
| Tsy mahazo miditra amin’ny fiangonan’NY TOMPO ny zazasary. Na dia hatramin’ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin’ny fiangonan’NY TOMPO. |
| 4 |
| Tsy mahazo miditra amin’ny fiangonan’NY TOMPO ny Amonita sy ny Moabita. Na dia hatramin’ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin’ny fiangonan’NY TOMPO hatramin’ny mandrakizay ireny, |
| 5 |
| satria tsy nitsena anareo tamin’ny mofo sy rano teny an-dalana izy, raha nivoaka avy tany Ejipta ianareo, ary satria nanangoly an’i Balama, zanak’i Beora, avy any Petora any Mesopotamia, hanozona anao izy. |
| 6 |
| Kanefa NY TOMPO Andriamanitrao tsy nety nihaino an’i Balama fa nampody ny fanozonana anao ho fitahiana Izy noho ny fitiavany anao. |
| 7 |
| Aza mitady izay hiadanany na izay hahasoa azy amin’ny andronao rehetra mandrakizay. |
| 8 |
| Aza atao ho fahavetavetana ny Edomita fa rahalahinao izy, na ny Ejiptiana, fa efa mba vahiny tany amin’ny taniny ianao. |
| 9 |
| Ny zafiafin’ireo dia hahazo miditra amin’ny fiangonan’NY TOMPO. |
| 10 |
| Raha miainga hiady amin’ny fahavalonao ny tafikao dia mifadia ny ratsy rehetra. |
| 11 |
| Raha misy olona eo aminao, izay tsy madio noho izay nanjo azy tamin’ny alina, dia hivoaka ho eny ivelan’ny toby izy fa tsy hiditra ao anatiny. |
| 12 |
| Aoka handro amin’ny rano izy rehefa hariva; ary rehefa tokony ho maty masoandro dia mahazo miverina ao amin’ny toby indray izy. |
| 13 |
| Aoka hisy tany voafaritrao ho fivoahanao any ivelan’ny toby; |
| 14 |
| ary mitondrà tsatòka miaraka amin’ny fitaovanao, koa raha hipetraka eny ivelany ianao dia mihadia lavaka amin’ny tsatòka ka totofy ny fivalananao. |
| 15 |
| Fa NY TOMPO Andriamanitrao dia mandeha eo afovoan’ny tobinao hamonjy anao sy hanolotra ny fahavalonao eo anoloanao; ho masina ny tobinao, ary mba tsy hahita zavatra maloto eo aminao Izy ka tsy hiala aminao. |
| 16 |
| Aza atolotrao amin’ny tompony intsony ny andevo izay mandositra mamonjy tena ho eo aminao. |
| 17 |
| Eo aminao no hitoerany, dia eo amin’ny tanàna izay tiany sy izay sitraky ny fony; fa aza mampahory azy. |
| 18 |
| Aoka tsy hisy zanakavavy na zanakalahin’ny Israely hanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy. |
| 19 |
| Aza mitondra ny karama maloton’ny vehivavy janga na ny karaman’alika, ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO Andriamanitra, hanefana voady; fa fahavetavetana eo imason’NY TOMPO Andriamanitrao ireo zavatra roa ireo. |
| 20 |
| Aza mampanjanaka zavatra amin’ny rahalahinao, na vola, na hanina, na zavatra hafa mety hampanjanahina. |
| 21 |
| Ny olona hafa firenena ihany no hampanjanahinao zavatra; fa ny rahalahinao kosa dia tsy hampanjanahinao; mba hotahìn’NY TOMPO Andriamanitrao ianao amin’izay rehetra ataon’ny tananao eo amin’ny tany izay efa hidiranao holovana. |
| 22 |
| Raha mivoady amin’NY TOMPO Andriamanitrao ianao dia aza ela fanefa, fa hadinin’NY TOMPO Andriamanitrao aminao tokoa izany ka ho fahotanao. |
| 23 |
| Fa raha tsy mivoady ianao dia tsy fahotanao izany. |
| 24 |
| Izay aloaky ny vavanao dia tandremo ka tanteraho, araka ny nivoadianao an-tsitrapo tamin’NY TOMPO Andriamanitrao ihany, dia izay nolazain’ny vavanao. |
| 25 |
| Raha mankany amin’ny tanim-boaloboky ny namanao ianao dia mahazo manaram-po mihinam-boaloboka hahavoky anao, nefa aza mitondra mody. |
| 26 |
| Raha mankany amin’ny tanimbarin’ny namanao ianao dia mahazo mioty salohim-bary ny tananao, nefa aza jinjainao amin’ny antsimbary ny varin’ny namanao. |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy2011/deuteronomy/023.mp3
34
23