Baiboly Protestanta Malagasy
|
| 1 |
| Fa ny mpisoronabe rehetra dia alaina amin'ny olona ka tendrena ho solon'ny olona hanao ny raharahan'Andriamanitra, hanatitra fanomezana sy fanatitra hanafaka ota, |
| 2 |
| dia olona izay mahay mitondra mora ny tsy mahalala sy ny mania, satria ny tenany koa dia mba hodidinin'ny fahalemena ihany; |
| 3 |
| ary noho izany dia tsy maintsy hanao fanatitra hanafaka ota ho an'ny tenany koa izy, toy ny ataony ho an'ny olona ihany. |
| 4 |
| Ary tsy misy maka izany voninahitra izany ho an'ny tenany afa-tsy izay antsoin'Andriamanitra, tahaka an'i Arona. |
| 5 |
| Dia toy izany koa Kristy: tsy Izy no nanandratra ny tenany ho Mpisoronabe, fa Ilay nanao taminy hoe: "Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany" (Sal.2.7); |
| 6 |
| ary toy ny lazainy eo amin'ny teny hafa koa hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka" (Sal.110.4). |
| 7 |
| Tamin'ny andron'ny nofony, raha nanao fivavahana sy fangatahana nomban'ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin'izay nahavonjy Azy tamin'ny fahafatesana Izy, sady voahaino noho ny fahatahorany an'Andriamanitra, [ Gr. nanatitra] [ Na: voahaino ka afaka tamin'ny fahatahorany] |
| 8 |
| dia nianatra fanarahana tamin'izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza; |
| 9 |
| ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon'ny famonjena mandrakizay ho an'izay rehetra manaraka Azy, |
| 10 |
| fa notononin'Andriamanitra hoe Mpisoronabe "araka ny fanaon'i Melkizedeka." |
| 11 |
| [Anatra sy famporisihana hampandroso tsara ny olona] Ny amin'izany dia manana teny maro izahay sady sarotra ambara, satria lalodalovana ny sofinareo. |
| 12 |
| Fa na dia tokony ho efa mpampianatra aza ianareo noho ny fahelan'ny andro, dia mbola mila izay hampianatra anareo ny abidim-pianaran'ny tenin'Andriamanitra indray; ary efa toy izay tokony homen-dronono ianareo, fa tsy ventin-kanina. |
| 13 |
| Fa izay rehetra mivelona amin'ny ronono dia tsy zatra amin'ny tenin'ny fahamarinana, satria mbola zaza-bodo.Fa ho an'izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an'izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy. [ Na: tanteraka] |
| 14 |
| Fa ho an'izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an'izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy. [ Na: tanteraka] |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy/hebrews/005.mp3
13
5